| Chapitre 22 1 [Anatra mafy noho ny faharatsian'ny mpanjakan'ny Joda] Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe: 2 Henoy ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahady ireto: 3 Izao no lazain'i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin'ity fitoerana ity. 4 Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany. 5 Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity. 6 Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana. 7 Ary hanendry* mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain'ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.[heb. hanamasina] 8 Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity? 9 Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny. 10 Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany. 11 Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Saloma, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an'i Josia rainy, saingy efa niala tamin'ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy, 12 Fa ho faty any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony. 13 Lozan'izay manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany, 14 Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena. 15 Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy. 16 Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah. 17 Nefa tsy misy alehan'ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny. 18 Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny! 19 Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema. 20 Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao. 21 Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko. 22 Ny mpitondra* anao rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.[Heb. mpiandry ondry] 23 Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao*, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka![Na: fahantranao] 24 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao, 25 Ka hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainao sy eo an-tànan'izay atahoranao, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana. 26 Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo. 27 Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany. 28 Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany? 29 Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah. 30 Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony | | 22:1 Thus said Yahweh: Go down to the house of the king of Judah, and speak there this word, 22:2 Say, Hear the word of Yahweh, king of Judah, who sits on the throne of David, you, and your servants, and your people who enter in by these gates. 22:3 Thus says Yahweh: Execute justice and righteousness, and deliver him who is robbed out of the hand of the oppressor: and do no wrong, do no violence, to the foreigner, the fatherless, nor the widow; neither shed innocent blood in this place. 22:4 For if you do this thing indeed, then shall there enter in by the gates of this house kings sitting on the throne of David, riding in chariots and on horses, he, and his servants, and his people. 22:5 But if you will not hear these words, I swear by myself, says Yahweh, that this house shall become a desolation. 22:6 For thus says Yahweh concerning the house of the king of Judah: You are Gilead to me, the head of Lebanon. Yet surely I will make you a wilderness, cities which are not inhabited. 22:7 I will prepare destroyers against you, everyone with his weapons; and they shall cut down your choice cedars, and cast them into the fire. 22:8 Many nations shall pass by this city, and they shall say every man to his neighbor, Why has Yahweh done thus to this great city? 22:9 Then they shall answer, Because they forsook the covenant of Yahweh their God, and worshiped other gods, and served them. 22:10 Don’t weep for the dead, neither bemoan him; but weep bitterly for him who goes away; for he shall return no more, nor see his native country. 22:11 For thus says Yahweh touching Shallum the son of Josiah, king of Judah, who reigned instead of Josiah his father, and who went forth out of this place: He shall not return there any more. 22:12 But in the place where they have led him captive, there shall he die, and he shall see this land no more. 22:13 Woe to him who builds his house by unrighteousness, and his rooms by injustice; who uses his neighbor’s service without wages, and doesn’t give him his hire; 22:14 who says, I will build me a wide house and spacious rooms, and cuts him out windows; and it is ceiling with cedar, and painted with vermilion. 22:15 Shall you reign, because you strive to excel in cedar? Didn’t your father eat and drink, and do justice and righteousness? then it was well with him. 22:16 He judged the cause of the poor and needy; then it was well. Wasn’t this to know me? says Yahweh. 22:17 But your eyes and your heart are not but for your covetousness, and for shedding innocent blood, and for oppression, and for violence, to do it. 22:18 Therefore thus says Yahweh concerning Jehoiakim the son of Josiah, king of Judah: they shall not lament for him, saying, Ah my brother! or, Ah sister! They shall not lament for him, saying Ah lord! or, Ah his glory! 22:19 He shall be buried with the burial of a donkey, drawn and cast forth beyond the gates of Jerusalem. 22:20 Go up to Lebanon, and cry; and lift up your voice in Bashan, and cry from Abarim; for all your lovers are destroyed. 22:21 I spoke to you in your prosperity; but you said, I will not hear. This has been your way from your youth, that you didn’t obey my voice. 22:22 The wind shall feed all your shepherds, and your lovers shall go into captivity: surely then you will be ashamed and confounded for all your wickedness. 22:23 Inhabitant of Lebanon, who makes your nest in the cedars, how greatly to be pitied you will be when pangs come on you, the pain as of a woman in travail! 22:24 As I live, says Yahweh, though Coniah the son of Jehoiakim king of Judah were the signet on my right hand, yet would I pluck you there; 22:25 and I will give you into the hand of those who seek your life, and into the hand of them of whom you are afraid, even into the hand of Nebuchadnezzar king of Babylon, and into the hand of the Chaldeans. 22:26 I will cast you out, and your mother who bore you, into another country, where you were not born; and there you will die. 22:27 But to the land whereunto their soul longs to return, there shall they not return. 22:28 Is this man Coniah a despised broken vessel? is he a vessel in which none delights? why are they cast out, he and his seed, and are cast into the land which they don’t know? 22:29 O earth, earth, earth, hear the word of Yahweh. 22:30 Thus says Yahweh, Write you this man childless, a man who shall not prosper in his days; for no more shall a man of his seed prosper, sitting on the throne of David, and ruling in Judah. | | Chapitre 22 1 Ainsi parle l'Éternel: Descends dans la maison du roi de Juda, et là prononce cette parole. 2 Tu diras: Écoute la parole de l'Éternel, roi de Juda, qui es assis sur le trône de David, toi, tes serviteurs, et ton peuple, qui entrez par ces portes! 3 Ainsi parle l'Éternel: Pratiquez la justice et l'équité; délivrez l'opprimé des mains de l'oppresseur; ne maltraitez pas l'étranger, l'orphelin et la veuve; n'usez pas de violence, et ne répandez point de sang innocent dans ce lieu. 4 Car si vous agissez selon cette parole, les rois assis sur le trône de David entreront par les portes de cette maison, montés sur des chars et sur des chevaux, eux, leurs serviteurs et leur peuple. 5 Mais si vous n'écoutez pas ces paroles, je le jure par moi-même, dit l'Éternel, cette maison deviendra une ruine. 6 Car ainsi parle l'Éternel sur la maison du roi de Juda: Tu es pour moi comme Galaad, comme le sommet du Liban; Mais certes, je ferai de toi un désert, Une ville sans habitants. 7 Je prépare contre toi des destructeurs, Chacun avec ses armes; Ils abattront tes plus beaux cèdres, Et les jetteront au feu. 8 Des nations nombreuses passeront près de cette ville, Et elles se diront l'une à l'autre: Pourquoi l'Éternel a-t-il ainsi traité cette grande ville? 9 Et l'on répondra: Parce qu'ils ont abandonné L'alliance de l'Éternel, leur Dieu, Parce qu'ils se sont prosternés devant d'autres dieux et les ont servis. 10 Ne pleurez point celui qui est mort, Et ne vous lamentez pas sur lui; Pleurez, pleurez celui qui s'en va, Car il ne reviendra plus, Il ne reverra plus le pays de sa naissance. 11 Car ainsi parle l'Éternel sur Schallum, fils de Josias, roi de Juda, Qui régnait à la place de Josias, son père, Et qui est sorti de ce lieu: Il n'y reviendra plus; 12 Mais il mourra dans le lieu où on l'emmène captif, Et il ne verra plus ce pays. 13 Malheur à celui qui bâtit sa maison par l'injustice, Et ses chambres par l'iniquité; Qui fait travailler son prochain sans le payer, Sans lui donner son salaire; 14 Qui dit: Je me bâtirai une maison vaste, Et des chambres spacieuses; Et qui s'y fait percer des fenêtres, La lambrisse de cèdre, Et la peint en couleur rouge! 15 Est-ce que tu règnes, parce que tu as de la passion pour le cèdre? Ton père ne mangeait-il pas, ne buvait-il pas? Mais il pratiquait la justice et l'équité, Et il fut heureux; 16 Il jugeait la cause du pauvre et de l'indigent, Et il fut heureux. N'est-ce pas là me connaître? dit l'Éternel. 17 Mais tu n'as des yeux et un coeur Que pour te livrer à la cupidité, Pour répandre le sang innocent, Et pour exercer l'oppression et la violence. 18 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel sur Jojakim, fils de Josias, roi de Juda: On ne le pleurera pas, en disant: Hélas, mon frère! hélas, ma soeur! On ne le pleurera pas, en disant: Hélas, seigneur! hélas, sa majesté! 19 Il aura la sépulture d'un âne, Il sera traîné et jeté hors des portes de Jérusalem. 20 Monte sur le Liban, et crie! Élève ta voix sur le Basan! Crie du haut d'Abarim! Car tous ceux qui t'aimaient sont brisés. 21 Je t'ai parlé dans le temps de ta prospérité; Tu disais: Je n'écouterai pas. C'est ainsi que tu as agi dès ta jeunesse; Tu n'as pas écouté ma voix. 22 Tous tes pasteurs seront la pâture du vent, Et ceux qui t'aiment iront en captivité; C'est alors que tu seras dans la honte, dans la confusion, A cause de toute ta méchanceté. 23 Toi qui habites sur le Liban, Qui as ton nid dans les cèdres, Combien tu gémiras quand les douleurs t'atteindront, Douleurs semblables à celles d'une femme en travail! 24 Je suis vivant! dit l'Éternel, Quand Jeconia, fils de Jojakim, roi de Juda, serait Un anneau à ma main droite, Je t'arracherais de là. 25 Je te livrerai entre les mains de ceux qui en veulent à ta vie, Entre les mains de ceux devant qui tu trembles, Entre les mains de Nebucadnetsar, roi de Babylone, Entre les mains des Chaldéens. 26 Je te jetterai, toi et ta mère qui t'a enfanté, Dans un autre pays où vous n'êtes pas nés, Et là vous mourrez; 27 Mais dans le pays où ils auront le désir de retourner, Ils ne retourneront pas. 28 Est-il donc un vase méprisé, brisé, ce Jeconia? Est-il un objet auquel on n'attache aucun prix? Pourquoi sont-ils jetés, lui et sa postérité, Lancés dans un pays qu'ils ne connaissent pas? - 29 Terre, terre, terre, Écoute la parole de l'Éternel! 30 Ainsi parle l'Éternel: Inscrivez cet homme comme privé d'enfants, Comme un homme dont les jours ne seront pas prospères; Car nul de ses descendants ne réussira A s'asseoir sur le trône de David Et à régner sur Juda. | |