T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Ny fivadihan'ny Isiraely ampitahaina amin'ny tsi-fiovan'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:

2 Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan'i Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan'ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin'ny tany tsy mbola nifafy zavatra;

3 Masina ho an'i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.

4 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry taranak'i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin'ny taranak'Isiraely!

5 Izao no lazain'i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan'ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?

6 Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na nonenan'olona?

7 Ary nitondra anareo niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.

8 Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra* koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.[Heb. mpiandry ondry]

9 Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin'ny zafinareo koa.

10 Fa mità ho any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:

11 Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireny tsy mahasoa ireny.

12 Talanjona amin'izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;

13 Fa zava-dratsy roa loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.

14 Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?

15 Hamely azy no ampieronan'ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.

16 Ny mponina tao Memfisa* sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.[Heb. Nofa]

17 Moa tsy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?

18 Koa inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon'i Sihora*? Ary inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin'ny Ony**? [*Neily][**Eofrata]

19 Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian'ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

20 Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.

21 Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?

22 Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra* eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.[Na: maloto]

23 Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,

24 Sy ry borikivavi-dia tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin'ny volany no hahitany azy.

25 Aza esorina ny kapa amin'ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.

26 Toy ny fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,

27 Dia izay manao amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.

28 Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao.

29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.

30 Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana* ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.[Heb. nihinana]

31 Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito*? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i Jehovah]

32 Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.

33 Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao*![Na: Ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao]

34 Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.

35 Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.

36 Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin'i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin'i Asyria.

37 Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin'ireo ianao.

 

Chapitre 2

2:1 The word of Yahweh came to me, saying, 2:2 “Go, and cry in the ears of Jerusalem, saying, ‘Thus says Yahweh, “I remember for you the kindness of your youth, the love of your weddings; how you went after me in the wilderness, in a land that was not sown. 2:3 Israel was holiness to Yahweh, the first fruits of his increase. All who devour him shall be held guilty. Evil shall come on them,”’ says Yahweh.”

2:4 Hear the word of Yahweh, O house of Jacob, and all the families of the house of Israel! 2:5 Thus says Yahweh, “What unrighteousness have your fathers found in me, that they have gone far from me, and have walked after vanity, and are become vain? 2:6 Neither did they say, ‘Where is Yahweh who brought us up out of the land of Egypt, who led us through the wilderness, through a land of deserts and of pits, through a land of drought and of the shadow of death, through a land that none passed through, and where no man lived?’ 2:7 I brought you into a plentiful land, to eat its fruit and its goodness; but when you entered, you defiled my land, and made my heritage an abomination. 2:8 The priests didn’t say, ‘Where is Yahweh?’ and those who handle the law didn’t know me. The rulers also transgressed against me, and the prophets prophesied by Baal, and walked after things that do not profit.

2:9 “Therefore I will yet contend with you,” says Yahweh, “and I will contend with your children’s children. 2:10 For pass over to the islands of Kittim, and see; and send to Kedar, and consider diligently; and see if there has been such a thing. 2:11 Has a nation changed its gods, which really are no gods? But my people have changed their glory for that which does not profit.

2:12 “Be astonished, you heavens, at this, and be horribly afraid. Be very desolate,” says Yahweh. 2:13 “For my people have committed two evils: they have forsaken me, the spring of living waters, and cut them out cisterns, broken cisterns, that can hold no water. 2:14 Is Israel a servant? Is he a native-born slave? Why has he become a prey? 2:15 The young lions have roared at him, and yelled. They have made his land waste. His cities are burned up, without inhabitant. 2:16 The children also of Memphis and Tahpanhes have broken the crown of your head.

2:17 “Haven’t you procured this to yourself, in that you have forsaken Yahweh your God, when he led you by the way? 2:18 Now what have you to do in the way to Egypt, to drink the waters of the Shihor? Or what have you to do in the way to Assyria, to drink the waters of the River?

2:19 “Your own wickedness shall correct you, and your backsliding shall reprove you. Know therefore and see that it is an evil thing and a bitter, that you have forsaken Yahweh your God, and that my fear is not in you,” says the Lord, Yahweh of Armies. 2:20 “For of old time I have broken your yoke, and burst your bonds; and you said, ‘I will not serve;’ for on every high hill and under every green tree you bowed yourself, playing the prostitute. 2:21 Yet I had planted you a noble vine, wholly a right seed. How then have you turned into the degenerate branches of a foreign vine to me? 2:22 For though you wash yourself with lye, and use much soap, yet your iniquity is marked before me,” says the Lord Yahweh.

2:23 “How can you say, ‘I am not defiled. I have not gone after the Baals’? See your way in the valley. Know what you have done. You are a swift dromedary traversing her ways; 2:24 a wild donkey used to the wilderness, that snuffs up the wind in her desire. When she is in heat, who can turn her away? All those who seek her will not weary themselves. In her month, they will find her.

2:25 “Withhold your foot from being unshod, and your throat from thirst. But you said, ‘It is in vain. No, for I have loved strangers, and I will go after them.’ 2:26 As the thief is ashamed when he is found, so is the house of Israel ashamed; they, their kings, their princes, and their priests, and their prophets; 2:27 who tell wood, ‘You are my father;’ and a stone, ‘You have brought me out:’ for they have turned their back to me, and not their face; but in the time of their trouble they will say, ‘Arise, and save us.’

2:28 “But where are your gods that you have made for yourselves? Let them arise, if they can save you in the time of your trouble: for according to the number of your cities are your gods, Judah.

2:29 “Why will you contend with me? You all have transgressed against me,” says Yahweh.

2:30 “I have struck your children in vain. They received no correction. Your own sword has devoured your prophets, like a destroying lion. 2:31 Generation, consider the word of Yahweh. Have I been a wilderness to Israel? Or a land of thick darkness? Why do my people say, ‘We have broken loose. We will come to you no more?’

2:32 “Can a virgin forget her ornaments, or a bride her attire? Yet my people have forgotten me for days without number. 2:33 How well you prepare your way to seek love! Therefore you have taught even the wicked women your ways. 2:34 Also the blood of the souls of the innocent poor is found in your skirts. You did not find them breaking in; but it is because of all these things.

2:35 “Yet you said, ‘I am innocent. Surely his anger has turned away from me.’

“Behold, I will judge you, because you say, ‘I have not sinned.’ 2:36 Why do you go about so much to change your way? You will be ashamed of Egypt also, as you were ashamed of Assyria. 2:37 From there also you shall go forth, with your hands on your head; for Yahweh has rejected those in whom you trust, and you shall not prosper with them.

 

Chapitre 2
1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Va, et crie aux oreilles de Jérusalem: Ainsi parle l'Éternel: Je me souviens de ton amour lorsque tu étais jeune, De ton affection lorsque tu étais fiancée, Quand tu me suivais au désert, Dans une terre inculte. 3 Israël était consacré à l'Éternel, Il était les prémices de son revenu; Tous ceux qui en mangeaient se rendaient coupables, Et le malheur fondait sur eux, dit l'Éternel. 4 Écoutez la parole de l'Éternel, maison de Jacob, Et vous toutes, familles de la maison d'Israël! 5 Ainsi parle l'Éternel: Quelle iniquité vos pères ont-ils trouvée en moi, Pour s'éloigner de moi, Et pour aller après des choses de néant et n'être eux-mêmes que néant? 6 Ils n'ont pas dit: Où est l'Éternel, Qui nous a fait monter du pays d'Égypte, Qui nous a conduits dans le désert, Dans une terre aride et pleine de fosses, Dans une terre où règnent la sécheresse et l'ombre de la mort, Dans une terre par où personne ne passe, Et où n'habite aucun homme? 7 Je vous ai fait venir dans un pays semblable à un verger, Pour que vous en mangiez les fruits et les meilleures productions; Mais vous êtes venus, et vous avez souillé mon pays, Et vous avez fait de mon héritage une abomination. 8 Les sacrificateurs n'ont pas dit: Où est l'Éternel? Les dépositaires de la loi ne m'ont pas connu, Les pasteurs m'ont été infidèles, Les prophètes ont prophétisé par Baal, Et sont allés après ceux qui ne sont d'aucun secours. 9 C'est pourquoi je veux encore contester avec vous, dit l'Éternel, Je veux contester avec les enfants de vos enfants. 10 Passez aux îles de Kittim, et regardez! Envoyez quelqu'un à Kédar, observez bien, Et regardez s'il y a rien de semblable! 11 Y a-t-il une nation qui change ses dieux, Quoiqu'ils ne soient pas des Dieux? Et mon peuple a changé sa gloire contre ce qui n'est d'aucun secours! 12 Cieux, soyez étonnés de cela; Frémissez d'épouvante et d'horreur! dit l'Éternel. 13 Car mon peuple a commis un double péché: Ils m'ont abandonné, moi qui suis une source d'eau vive, Pour se creuser des citernes, des citernes crevassées, Qui ne retiennent pas l'eau. 14 Israël est-il un esclave acheté, ou né dans la maison? Pourquoi donc devient-il une proie? 15 Contre lui les lionceaux rugissent, poussent leurs cris, Et ils ravagent son pays; Ses villes sont brûlées, il n'y a plus d'habitants. 16 Même les enfants de Noph et de Tachpanès Te briseront le sommet de la tête. 17 Cela ne t'arrive-t-il pas Parce que tu as abandonné l'Éternel, ton Dieu, Lorsqu'il te dirigeait dans la bonne voie? 18 Et maintenant, qu'as-tu à faire d'aller en Égypte, Pour boire l'eau du Nil? Qu'as-tu à faire d'aller en Assyrie, Pour boire l'eau du fleuve? 19 Ta méchanceté te châtiera, et ton infidélité te punira, Tu sauras et tu verras que c'est une chose mauvaise et amère D'abandonner l'Éternel, ton Dieu, Et de n'avoir de moi aucune crainte, Dit le Seigneur, l'Éternel des armées. 20 Tu as dès longtemps brisé ton joug, Rompu tes liens, Et tu as dit: Je ne veux plus être dans la servitude! Mais sur toute colline élevée Et sous tout arbre vert Tu t'es courbée comme une prostituée. 21 Je t'avais plantée comme une vigne excellente Et du meilleur plant; Comment as-tu changé, Dégénéré en une vigne étrangère? 22 Quand tu te laverais avec du nitre, Quand tu emploierais beaucoup de potasse, Ton iniquité resterait marquée devant moi, Dit le Seigneur, l'Éternel. 23 Comment dirais-tu: Je ne me suis point souillée, Je ne suis point allée après les Baals? Regarde tes pas dans la vallée, Reconnais ce que tu as fait, Dromadaire à la course légère et vagabonde! 24 Anesse sauvage, habituée au désert, Haletante dans l'ardeur de sa passion, Qui l'empêchera de satisfaire son désir? Tous ceux qui la cherchent n'ont pas à se fatiguer; Ils la trouvent pendant son mois. 25 Ne t'expose pas à avoir les pieds nus, Ne dessèche pas ton gosier! Mais tu dis: C'est en vain, non! Car j'aime les dieux étrangers, je veux aller après eux. 26 Comme un voleur est confus lorsqu'il est surpris, Ainsi seront confus ceux de la maison d'Israël, Eux, leurs rois, leurs chefs, Leurs sacrificateurs et leurs prophètes. 27 Ils disent au bois: Tu es mon père! Et à la pierre: Tu m'as donné la vie! Car ils me tournent le dos, ils ne me regardent pas. Et quand ils sont dans le malheur, ils disent: Lève-toi, sauve-nous! 28 Où donc sont tes dieux que tu t'es faits? Qu'ils se lèvent, s'ils peuvent te sauver au temps du malheur! Car tu as autant de dieux que de villes, ô Juda! 29 Pourquoi contesteriez-vous avec moi? Vous m'avez tous été infidèles, dit l'Éternel. 30 En vain ai-je frappé vos enfants; Ils n'ont point eu égard à la correction; Votre glaive a dévoré vos prophètes, Comme un lion destructeur. 31 Hommes de cette génération, considérez la parole de l'Éternel! Ai-je été pour Israël un désert, Ou un pays d'épaisses ténèbres? Pourquoi mon peuple dit-il: Nous sommes libres, Nous ne voulons pas retourner à toi? 32 La jeune fille oublie-t-elle ses ornements, La fiancée sa ceinture? Et mon peuple m'a oublié Depuis des jours sans nombre. 33 Comme tu es habile dans tes voies pour chercher ce que tu aimes! C'est même au crime que tu les exerces. 34 Jusque sur les pans de ton habit se trouve Le sang de pauvres innocents, Que tu n'as pas surpris faisant effraction. 35 Malgré cela, tu dis: Oui, je suis innocente! Certainement sa colère s'est détournée de moi! Voici, je vais contester avec toi, Parce que tu dis: Je n'ai point péché. 36 Pourquoi tant d'empressement à changer ton chemin? C'est de l'Égypte que viendra ta honte, Comme elle est venue de l'Assyrie. 37 De là aussi tu sortiras, les mains sur la tête; Car l'Éternel rejette ceux en qui tu te confies, Et tu ne réussiras pas auprès d'eux.