T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 19

1 [Fanoharana ny amin'ny tavoara vaky] Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona,

2 dia mivoaha ho any amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota*, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,[Harsota = tavim-bilany(?)]

3 ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny

4 satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an'andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan'ny Joda, sady efa nameno ran'ny marina ity tanàna ity

5 ary nanorina ny fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.

6 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.

7 Ary hofoanako* amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.[Heb. hararako]

8 Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.

9 Ary hampihinaniko ny nofon'ny zananilahy sy ny nofon'ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon'ny namany avy izy eo amin'ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren'ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.

10 Dia torotoroy eo imason'ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,

11 ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin'ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.

12 Dia toy izany no hataoko amin'ity tanàna ity sy amin'izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an'i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah.

13 Ary ny tranon'i Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an'i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an'izay andriamani-kafa.

14 [Ny faminanian'i Jeremia ny loza, sy ny nanoheran'i Pasora azy] Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan'i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah izy, dia nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:

15 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.

 

19:1 Thus said Yahweh, Go, and buy a potter’s earthen bottle, and take some of the elders of the people, and of the elders of the priests; 19:2 and go forth to the valley of the son of Hinnom, which is by the entry of the gate Harsith, and proclaim there the words that I shall tell you; 19:3 and say, Hear the word of Yahweh, kings of Judah, and inhabitants of Jerusalem: thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, Behold, I will bring evil on this place, which whoever hears, his ears shall tingle. 19:4 Because they have forsaken me, and have estranged this place, and have burned incense in it to other gods, that they didn’t know, they and their fathers and the kings of Judah; and have filled this place with the blood of innocents, 19:5 and have built the high places of Baal, to burn their sons in the fire for burnt offerings to Baal; which I didn’t command, nor spoke it, neither came it into my mind: 19:6 therefore, behold, the days come, says Yahweh, that this place shall no more be called Topheth, nor The valley of the son of Hinnom, but The valley of Slaughter. 19:7 I will make void the counsel of Judah and Jerusalem in this place; and I will cause them to fall by the sword before their enemies, and by the hand of those who seek their life: and their dead bodies will I give to be food for the birds of the sky, and for the animals of the earth. 19:8 I will make this city an astonishment, and a hissing; everyone who passes thereby shall be astonished and hiss because of all its plagues. 19:9 I will cause them to eat the flesh of their sons and the flesh of their daughters; and they shall eat everyone the flesh of his friend, in the siege and in the distress, with which their enemies, and those who seek their life, shall distress them. 19:10 Then you shall break the bottle in the sight of the men who go with you, 19:11 and shall tell them, Thus says Yahweh of Armies: Even so will I break this people and this city, as one breaks a potter’s vessel, that can’t be made whole again; and they shall bury in Topheth, until there is no place to bury. 19:12 Thus will I do to this place, says Yahweh, and to its inhabitants, even making this city as Topheth: 19:13 and the houses of Jerusalem, and the houses of the kings of Judah, which are defiled, shall be as the place of Topheth, even all the houses on whose roofs they have burned incense to all the army of the sky, and have poured out drink offerings to other gods. 19:14 Then came Jeremiah from Topheth, where Yahweh had sent him to prophesy; and he stood in the court of Yahweh’s house, and said to all the people: 19:15 Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, Behold, I will bring on this city and on all its towns all the evil that I have pronounced against it; because they have made their neck stiff, that they may not hear my words.

 

Chapitre 19
1 Ainsi a parlé l'Éternel: Va, achète d'un potier un vase de terre, et prends avec toi des anciens du peuple et des anciens des sacrificateurs. 2 Rends-toi dans la vallée de Ben-Hinnom, qui est à l'entrée de la porte de la poterie; et là, tu publieras les paroles que je te dirai. 3 Tu diras: Écoutez la parole de l'Éternel, rois de Juda, et vous, habitants de Jérusalem! Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Voici, je vais faire venir sur ce lieu un malheur Qui étourdira les oreilles de quiconque en entendra parler. 4 Ils m'ont abandonné, ils ont profané ce lieu, Ils y ont offert de l'encens à d'autres dieux, Que ne connaissaient ni eux, ni leurs pères, ni les rois de Juda, Et ils ont rempli ce lieu de sang innocent; 5 Ils ont bâti des hauts lieux à Baal, Pour brûler leurs enfants au feu en holocaustes à Baal: Ce que je n'avais ni ordonné ni prescrit, Ce qui ne m'était point venu à la pensée. 6 C'est pourquoi voici, les jours viennent, dit l'Éternel, Où ce lieu ne sera plus appelé Topheth et vallée de Ben-Hinnom, Mais où on l'appellera vallée du carnage. 7 J'anéantirai dans ce lieu le conseil de Juda et de Jérusalem; Je les ferai tomber par l'épée devant leurs ennemis Et par la main de ceux qui en veulent à leur vie; Je donnerai leurs cadavres en pâture Aux oiseaux du ciel et aux bêtes de la terre. 8 Je ferai de cette ville un objet de désolation et de moquerie; Tous ceux qui passeront près d'elle Seront dans l'étonnement et siffleront sur toutes ses plaies. 9 Je leur ferai manger la chair de leurs fils et la chair de leurs filles, Et les uns mangeront la chair des autres, Au milieu de l'angoisse et de la détresse Où les réduiront leurs ennemis Et ceux qui en veulent à leur vie. 10 Tu briseras ensuite le vase, sous les yeux des hommes qui seront allés avec toi. 11 Et tu leur diras: Ainsi parle l'Éternel des armées: C'est ainsi que je briserai ce peuple et cette ville, Comme on brise un vase de potier, Sans qu'il puisse être rétabli. Et l'on enterrera les morts à Topheth par défaut de place pour enterrer. 12 C'est ainsi que je ferai à ce lieu, dit l'Éternel, et à ses habitants, Et je rendrai cette ville semblable à Topheth. 13 Les maisons de Jérusalem et les maisons des rois de Juda Seront impures comme le lieu de Topheth, Toutes les maisons sur les toits desquelles on offrait de l'encens A toute l'armée des cieux, Et on faisait des libations à d'autres dieux. 14 Jérémie revint de Topheth, où l'Éternel l'avait envoyé prophétiser. Puis il se tint dans le parvis de la maison de l'Éternel, et il dit à tout le peuple: 15 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Voici, je vais faire venir sur cette ville et sur toutes les villes qui dépendent d'elle tous les malheurs que je lui ai prédits, parce qu'ils ont raidi leur cou, pour ne point écouter mes paroles.