T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 18

1 [Fanoharana ny amin'ny tanimanga sy ny mpanefy, ary ny anatra manaraka izany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:

2 Mitsangàna, ka midina ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.

3 Dia nidina tany amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin'ny ankodina fanaovana izy.

4 Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.

5 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe :

6 Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely.

7 Vetivety* Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;[Heb. indray mipi-maso]

8 Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.

9 Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;

10 Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.

11 Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.

12 Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.

 

13 Koa izao no lazain'i Jehovah: anontanio any amin'ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon'Isiraely virijina.

14 Hitsahatra tsy ho eo amin'ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan'i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin'ny tany hafa?

15 Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an'ny sampy* no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin'ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin'ny sakeli-dalana madinika, dia amin'ny lalana tsy voavoatra,[Heb; zava-poana]

16 Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.

17 Toy ny fampielin'ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan'ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin'ny andro hahitany loza.

18 [Ny nitadiavan'ny olona hamely an'i Jeremia, sy ny vavaka nataon'i Jeremia tamin'izany] Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika* ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.[Heb. lelantsika]

19 Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko

20 Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.

21 Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin'ny herin'ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin'ny ady.

22 Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.

23 Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.

 

18:1 The word which came to Jeremiah from Yahweh, saying, 18:2 Arise, and go down to the potter’s house, and there I will cause you to hear my words. 18:3 Then I went down to the potter’s house, and behold, he was making a work on the wheels. 18:4 When the vessel that he made of the clay was marred in the hand of the potter, he made it again another vessel, as seemed good to the potter to make it. 18:5 Then the word of Yahweh came to me, saying, 18:6 House of Israel, can’t I do with you as this potter? says Yahweh. Behold, as the clay in the potter’s hand, so are you in my hand, house of Israel. 18:7 At what instant I shall speak concerning a nation, and concerning a kingdom, to pluck up and to break down and to destroy it; 18:8 if that nation, concerning which I have spoken, turn from their evil, I will repent of the evil that I thought to do to them. 18:9 At what instant I shall speak concerning a nation, and concerning a kingdom, to build and to plant it; 18:10 if they do that which is evil in my sight, that they not obey my voice, then I will repent of the good, with which I said I would benefit them. 18:11 Now therefore, speak to the men of Judah, and to the inhabitants of Jerusalem, saying, Thus says Yahweh: Behold, I frame evil against you, and devise a device against you: return you now everyone from his evil way, and amend your ways and your doings. 18:12 But they say, It is in vain; for we will walk after our own devices, and we will do everyone after the stubbornness of his evil heart. 18:13 Therefore thus says Yahweh: Ask now among the nations, who has heard such things; the virgin of Israel has done a very horrible thing. 18:14 Shall the snow of Lebanon fail from the rock of the field? Shall the cold waters that flow down from afar be dried up? 18:15 For my people have forgotten me, they have burned incense to false gods; and they have been made to stumble in their ways, in the ancient paths, to walk in byways, in a way not built up; 18:16 to make their land an astonishment, and a perpetual hissing; everyone who passes thereby shall be astonished, and shake his head. 18:17 I will scatter them as with an east wind before the enemy; I will show them the back, and not the face, in the day of their calamity. 18:18 Then they said, Come, and let us devise devices against Jeremiah; for the law shall not perish from the priest, nor counsel from the wise, nor the word from the prophet. Come, and let us strike him with the tongue, and let us not give heed to any of his words. 18:19 Give heed to me, Yahweh, and listen to the voice of those who contend with me. 18:20 Shall evil be recompensed for good? for they have dug a pit for my soul. Remember how I stood before you to speak good for them, to turn away your wrath from them. 18:21 Therefore deliver up their children to the famine, and give them over to the power of the sword; and let their wives become childless, and widows; and let their men be slain of death, and their young men struck of the sword in battle. 18:22 Let a cry be heard from their houses, when you shall bring a troop suddenly on them; for they have dug a pit to take me, and hid snares for my feet. 18:23 Yet, Yahweh, you know all their counsel against me to kill me; don’t forgive their iniquity, neither blot out their sin from your sight; but let them be overthrown before you; deal you with them in the time of your anger.

 

Chapitre 18
1 La parole qui fut adressée à Jérémie de la part de l'Éternel, en ces mots: 2 Lève-toi, et descends dans la maison du potier; Là, je te ferai entendre mes paroles. 3 Je descendis dans la maison du potier, Et voici, il travaillait sur un tour. 4 Le vase qu'il faisait ne réussit pas, Comme il arrive à l'argile dans la main du potier; Il en refit un autre vase, Tel qu'il trouva bon de le faire. 5 Et la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 6 Ne puis-je pas agir envers vous comme ce potier, maison d'Israël? Dit l'Éternel. Voici, comme l'argile est dans la main du potier, Ainsi vous êtes dans ma main, maison d'Israël! 7 Soudain je parle, sur une nation, sur un royaume, D'arracher, d'abattre et de détruire; 8 Mais si cette nation, sur laquelle j'ai parlé, revient de sa méchanceté, Je me repens du mal que j'avais pensé lui faire. 9 Et soudain je parle, sur une nation, sur un royaume, De bâtir et de planter; 10 Mais si cette nation fait ce qui est mal à mes yeux, Et n'écoute pas ma voix, Je me repens du bien que j'avais eu l'intention de lui faire. 11 Parle maintenant aux hommes de Juda et aux habitants de Jérusalem, et dis: Ainsi parle l'Éternel: Voici, je prépare contre vous un malheur, Je médite un projet contre vous. Revenez chacun de votre mauvaise voie, Réformez vos voies et vos oeuvres! 12 Mais ils disent: C'est en vain! Car nous suivrons nos pensées, Nous agirons chacun selon les penchants de notre mauvais coeur. 13 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel: Interrogez les nations! Qui a jamais entendu pareilles choses? La vierge d'Israël a commis d'horribles excès. 14 La neige du Liban abandonne-t-elle le rocher des champs? Ou voit-on tarir les eaux qui viennent de loin, fraîches et courantes? 15 Cependant mon peuple m'a oublié, il offre de l'encens à des idoles; Il a été conduit à chanceler dans ses voies, à quitter les anciens sentiers, Pour suivre des sentiers, des chemins non frayés. 16 Ils ont fait de leur pays, un objet de désolation, d'éternelle moquerie; Tous ceux qui y passent sont stupéfaits et secouent la tête. 17 Pareil au vent d'orient, je les disperserai devant l'ennemi; Je leur tournerai le dos, je ne les regarderai pas au jour de leur détresse. 18 Et ils ont dit: Venez, complotons contre Jérémie! Car la loi ne périra pas faute de sacrificateurs, Ni le conseil faute de sages, ni la parole faute de prophètes. Venez, tuons-le avec la langue; Ne prenons pas garde à tous ses discours! 19 Écoute-moi, Éternel! Et entends la voix de mes adversaires! 20 Le mal sera-t-il rendu pour le bien? Car ils ont creusé une fosse pour m'ôter la vie. Souviens-t'en, je me suis tenu devant toi, Afin de parler en leur faveur, Et de détourner d'eux ta colère. 21 C'est pourquoi livre leurs enfants à la famine, Précipite-les par le glaive; Que leurs femmes soient privées d'enfants et deviennent veuves, Et que leurs maris soient enlevés par la peste; Que leurs jeunes gens soient frappés par l'épée dans le combat! 22 Qu'on entende des cris sortir de leurs maisons, Quand soudain tu feras fondre sur eux des bandes armées! Car ils ont creusé une fosse pour me prendre, Ils ont tendu des filets sous mes pieds. 23 Et toi, Éternel, tu connais tous leurs complots pour me faire mourir; Ne pardonne pas leur iniquité, N'efface pas leur péché de devant toi! Qu'ils soient renversés en ta présence! Agis contre eux au temps de ta colère!