| Chapitre 17 1 Ny fahotan'ny Joda dia voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany* izany,[Heb. alitaranareo] 2 Dia amin'izay hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany*, akaikin'ny hazo maitso, ambonin'ny havoana andrandraina.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny] 3 Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin'ny faritaninao rehetra. 4 Ary avy amin'ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon'ny fahatezerako*, izay hirehitra mandrakizay.[Heb. fa misy afo narehitrareo tamin'ny fahatezerako] 5 [Ny amin'ny fahatokiana olona sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, ary ny vavaka nataon'i Jeremia nangatahany famonjena] Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony. 6 Fa ho tahaka ny olona mahantra any* an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana.[Na: ny anjavidy] 7 Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny. 8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany. 9 Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy? 10 Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany 11 Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany*, ka ho adala no farany.[Na: Hilaozan'izany eo an-tenatenan'androny izy] 12 Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika. 13 Ry Jehovah, Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin'ny vovoka izay miala aminao*, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah, loharano velona.[Heb. amiko] 14 Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako. 15 Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany. 16 Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian'ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin'ny molotro dia miharihary eo anatrehanao. 17 Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin'ny andro fahoriana Hianao! 18 Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy. 19 [Ny amin'ny hanamasinana ny Sabata] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin'ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan'ny mpanjakan'ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema 20 ka lazao amin'ny olona hoe: Henoinareo ny tenin'i Jehovah ry mpanjakan'ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin'ireto vavahady ireto. 21 Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin'ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin'ny vavahadin'i Jerosalema; 22 ary aza mitondra entana mivoaka avy amin'ny tranonareo amin'ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo. 23 Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra. 24 Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin'ny vavahadin'ity tanàna ity amin'ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin'izany, 25 izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity. 26 Ary ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka* sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah.[Heb. Sefela] 27 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema. | | Chapitre 17 17:1 The sin of Judah is written with a pen of iron, and with the point of a diamond: it is engraved on the tablet of their heart, and on the horns of your altars; 17:2 while their children remember their altars and their Asherim by the green trees on the high hills. 17:3 My mountain in the field, I will give your substance and all your treasures for a spoil, and your high places, because of sin, throughout all your borders. 17:4 You, even of yourself, shall discontinue from your heritage that I gave you; and I will cause you to serve your enemies in the land which you don’t know: for you have kindled a fire in my anger which shall burn forever. 17:5 Thus says Yahweh: Cursed is the man who trusts in man, and makes flesh his arm, and whose heart departs from Yahweh. 17:6 For he shall be like the heath in the desert, and shall not see when good comes, but shall inhabit the parched places in the wilderness, a salt land and not inhabited. 17:7 Blessed is the man who trusts in Yahweh, and whose trust Yahweh is. 17:8 For he shall be as a tree planted by the waters, who spreads out its roots by the river, and shall not fear when heat comes, but its leaf shall be green; and shall not be careful in the year of drought, neither shall cease from yielding fruit. 17:9 The heart is deceitful above all things, and it is exceedingly corrupt: who can know it? 17:10 I, Yahweh, search the mind, I try the heart, even to give every man according to his ways, according to the fruit of his doings. 17:11 As the partridge that sits on eggs which she has not laid, so is he who gets riches, and not by right; in the midst of his days they shall leave him, and at his end he shall be a fool. 17:12 A glorious throne, set on high from the beginning, is the place of our sanctuary. 17:13 Yahweh, the hope of Israel, all who forsake you shall be disappointed. Those who depart from me shall be written in the earth, because they have forsaken Yahweh, the spring of living waters. 17:14 Heal me, O Yahweh, and I shall be healed; save me, and I shall be saved: for you are my praise. 17:15 Behold, they tell me, Where is the word of Yahweh? let it come now. 17:16 As for me, I have not hurried from being a shepherd after you; neither have I desired the woeful day; you know: that which came out of my lips was before your face. 17:17 Don’t be a terror to me: you are my refuge in the day of evil. 17:18 Let them be disappointed who persecute me, but let not me be disappointed; let them be dismayed, but don’t let me be dismayed; bring on them the day of evil, and destroy them with double destruction. 17:19 Thus said Yahweh to me: Go, and stand in the gate of the children of the people, through which the kings of Judah come in, and by which they go out, and in all the gates of Jerusalem; 17:20 and tell them, Hear the word of Yahweh, you kings of Judah, and all Judah, and all the inhabitants of Jerusalem, that enter in by these gates: 17:21 Thus says Yahweh, Take heed to yourselves, and bear no burden on the Sabbath day, nor bring it in by the gates of Jerusalem; 17:22 neither carry forth a burden out of your houses on the Sabbath day holy, neither do any work: but make the Sabbath day, as I commanded your fathers. 17:23 But they didn’t listen, neither turn their ear, but made their neck stiff, that they might not hear, and might not receive instruction. 17:24 It shall happen, if you diligently listen to me, says Yahweh, to bring in no burden through the gates of this city on the Sabbath day, but to make the Sabbath day holy, to do no work therein; 17:25 then shall there enter in by the gates of this city kings and princes sitting on the throne of David, riding in chariots and on horses, they, and their princes, the men of Judah, and the inhabitants of Jerusalem; and this city shall remain forever. 17:26 They shall come from the cities of Judah, and from the places around Jerusalem, and from the land of Benjamin, and from the lowland, and from the hill country, and from the South, bringing burnt offerings, and sacrifices, and meal offerings, and frankincense, and bringing sacrifices of thanksgiving, to the house of Yahweh. 17:27 But if you will not listen to me to make the Sabbath day holy, and not to bear a burden and enter in at the gates of Jerusalem on the Sabbath day; then will I kindle a fire in its gates, and it shall devour the palaces of Jerusalem, and it shall not be quenched. | | Chapitre 17 1 Le péché de Juda est écrit avec un burin de fer, Avec une pointe de diamant; Il est gravé sur la table de leur coeur, Et sur les cornes de vos autels. 2 Comme ils pensent à leurs enfants, ainsi pensent-ils à leurs autels Et à leurs idoles d'Astarté près des arbres verts, Sur les collines élevées. 3 Je livre au pillage ma montagne et ses champs, tes biens, tous tes trésors, Et tes hauts lieux, à cause de tes péchés, sur tout ton territoire. 4 Tu perdras par ta faute l'héritage que je t'avais donné; Je t'asservirai à ton ennemi dans un pays que tu ne connais pas; Car vous avez allumé le feu de ma colère, Et il brûlera toujours. 5 Ainsi parle l'Éternel: Maudit soit l'homme qui se confie dans l'homme, Qui prend la chair pour son appui, Et qui détourne son coeur de l'Éternel! 6 Il est comme un misérable dans le désert, Et il ne voit point arriver le bonheur; Il habite les lieux brûlés du désert, Une terre salée et sans habitants. 7 Béni soit l'homme qui se confie dans l'Éternel, Et dont l'Éternel est l'espérance! 8 Il est comme un arbre planté près des eaux, Et qui étend ses racines vers le courant; Il n'aperçoit point la chaleur quand elle vient, Et son feuillage reste vert; Dans l'année de la sécheresse, il n'a point de crainte, Et il ne cesse de porter du fruit. 9 Le coeur est tortueux par-dessus tout, et il est méchant: Qui peut le connaître? 10 Moi, l'Éternel, j'éprouve le coeur, je sonde les reins, Pour rendre à chacun selon ses voies, Selon le fruit de ses oeuvres. 11 Comme une perdrix qui couve des oeufs qu'elle n'a point pondus, Tel est celui qui acquiert des richesses injustement; Au milieu de ses jours il doit les quitter, Et à la fin il n'est qu'un insensé. 12 Il est un trône de gloire, élevé dès le commencement, C'est le lieu de notre sanctuaire. 13 Toi qui es l'espérance d'Israël, ô Éternel! Tous ceux qui t'abandonnent seront confondus. -Ceux qui se détournent de moi seront inscrits sur la terre, Car ils abandonnent la source d'eau vive, l'Éternel. 14 Guéris-moi, Éternel, et je serai guéri; Sauve-moi, et je serai sauvé; Car tu es ma gloire. 15 Voici, ils me disent: Où est la parole de l'Éternel? Qu'elle s'accomplisse donc! 16 Et moi, pour t'obéir, je n'ai pas refusé d'être pasteur; Je n'ai pas non plus désiré le jour du malheur, tu le sais; Ce qui est sorti de mes lèvres a été découvert devant toi. 17 Ne sois pas pour moi un sujet d'effroi, Toi, mon refuge au jour du malheur! 18 Que mes persécuteurs soient confus, et que je ne sois pas confus; Qu'ils tremblent, et que je ne tremble pas, moi! Fais venir sur eux le jour du malheur, Frappe-les d'une double plaie! 19 Ainsi m'a parlé l'Éternel: Va, et tiens-toi à la porte des enfants du peuple, par laquelle entrent et sortent les rois de Juda, et à toutes les portes de Jérusalem. 20 Tu leur diras: Écoutez la parole de l'Éternel, rois de Juda, et tout Juda, et vous tous, habitants de Jérusalem, qui entrez par ces portes! 21 Ainsi parle l'Éternel: Prenez garde à vos âmes; Ne portez point de fardeau le jour du sabbat, Et n'en introduisez point par les portes de Jérusalem. 22 Ne sortez de vos maisons aucun fardeau le jour du sabbat, Et ne faites aucun ouvrage; Mais sanctifiez le jour du sabbat, Comme je l'ai ordonné à vos pères. 23 Ils n'ont pas écouté, ils n'ont pas prêté l'oreille; Ils ont raidi leur cou, Pour ne point écouter et ne point recevoir instruction. 24 Si vous m'écoutez, dit l'Éternel, Si vous n'introduisez point de fardeau Par les portes de cette ville le jour du sabbat, Si vous sanctifiez le jour du sabbat, Et ne faites aucun ouvrage ce jour-là, 25 Alors entreront par les portes de cette ville Les rois et les princes assis sur le trône de David, Montés sur des chars et sur des chevaux, Eux et leurs princes, les hommes de Juda et les habitants de Jérusalem, Et cette ville sera habitée à toujours. 26 On viendra des villes de Juda et des environs de Jérusalem, Du pays de Benjamin, de la vallée, De la montagne et du midi, Pour amener des holocaustes et des victimes, Pour apporter des offrandes et de l'encens, Et pour offrir des sacrifices d'actions de grâces dans la maison de l'Éternel. 27 Mais si vous n'écoutez pas quand je vous ordonne De sanctifier le jour du sabbat, De ne porter aucun fardeau, De ne point en introduire par les portes de Jérusalem le jour du sabbat, Alors j'allumerai un feu aux portes de la ville, Et il dévorera les palais de Jérusalem et ne s'éteindra point. | |