T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15

1 Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.

2 Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izay ho amin'ny areti-mandringana* dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra, ary izay ho amin'ny mosary dia ho amin'ny mosary, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana.[Heb. fahafatesana]

3 Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy Jehovah: Dia ny sabatra hamono sy ny amboa hamiravira ary ny voro-manidina sy ny bibi-dia hihinana sy handany;

4 Ary manolotra azy ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra* amin'ny tany Aho noho ny amin'i Manase, zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema.[Na: ho fampangovitana ny fanjakana rehetra]

5 Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily hanantsafa anao?

6 Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra*.[Heb. manenina]

7 Ary kororohiko amin'ny fikororohana izy ho any amin'ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, eny, aringako izy tsy mety miala amin'ny fanaony mba hiverina izy.

8 Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.

9 Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menarina sy mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan'ny sabatra eo anoloan'ny fahavalony, hoy Jehovah.

10 [Fitarainan'i Jeremia tamin'Andriamanitra, sy ny teny fampiononana navaliny azy] Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin'ny olona rehetra ihany aho.

11 Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao*; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory.[Na: ny hahasoa anao ihany no nisehoako ho fahavalonao]

12 Mety tapaka va ny vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina?

13 Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin'ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;

14 Ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako*, ka handoro anareo no irehetany.[Heb. Fa misy afo arehitra amin'ny fahatezerako]

15 Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa.

16 Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.

17 Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin'ny fivorian'ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan'ny tananao ahy, fa nofenoinao fahatezerana aho.

18 Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?

19 Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray*, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,[Heb. hampivereniko]

20 Ary hataoko manda varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah;

21 Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory.

 

Chapitre 15

1 Then said the LORD unto me, Though Moses and Samuel stood before me, [yet] my mind [could] not [be] toward this people: cast [them] out of my sight, and let them go forth.

2 And it shall come to pass, if they say unto thee, Whither shall we go forth? then thou shalt tell them, Thus saith the LORD; Such as [are] for death, to death; and such as [are] for the sword, to the sword; and such as [are] for the famine, to the famine; and such as [are] for the captivity, to the captivity.

3 And I will appoint over them four kinds, saith the LORD: the sword to slay, and the dogs to tear, and the fowls of the heaven, and the beasts of the earth, to devour and destroy.

4 And I will cause them to be removed into all kingdoms of the earth, because of Manasseh the son of Hezekiah king of Judah, for [that] which he did in Jerusalem.

5 For who shall have pity upon thee, O Jerusalem? or who shall bemoan thee? or who shall go aside to ask how thou doest?

6 Thou hast forsaken me, saith the LORD, thou art gone backward: therefore will I stretch out my hand against thee, and destroy thee; I am weary with repenting.

7 And I will fan them with a fan in the gates of the land; I will bereave [them] of children, I will destroy my people, [since] they return not from their ways.

8 Their widows are increased to me above the sand of the seas: I have brought upon them against the mother of the young men a spoiler at noonday: I have caused [him] to fall upon it suddenly, and terrors upon the city.

9 She that hath borne seven languisheth: she hath given up the ghost; her sun is gone down while [it was] yet day: she hath been ashamed and confounded: and the residue of them will I deliver to the sword before their enemies, saith the LORD.

10 Woe is me, my mother, that thou hast borne me a man of strife and a man of contention to the whole earth! I have neither lent on usury, nor men have lent to me on usury; [yet] every one of them doth curse me.

11 The LORD said, Verily it shall be well with thy remnant; verily I will cause the enemy to entreat thee [well] in the time of evil and in the time of affliction.

12 Shall iron break the northern iron and the steel?

13 Thy substance and thy treasures will I give to the spoil without price, and [that] for all thy sins, even in all thy borders.

14 And I will make [thee] to pass with thine enemies into a land [which] thou knowest not: for a fire is kindled in mine anger, [which] shall burn upon you.

15 O LORD, thou knowest: remember me, and visit me, and revenge me of my persecutors; take me not away in thy longsuffering: know that for thy sake I have suffered rebuke.

16 Thy words were found, and I did eat them; and thy word was unto me the joy and rejoicing of mine heart: for I am called by thy name, O LORD God of hosts.

17 I sat not in the assembly of the mockers, nor rejoiced; I sat alone because of thy hand: for thou hast filled me with indignation.

18 Why is my pain perpetual, and my wound incurable, [which] refuseth to be healed? wilt thou be altogether unto me as a liar, [and as] waters [that] fail?

19 Therefore thus saith the LORD, If thou return, then will I bring thee again, [and] thou shalt stand before me: and if thou take forth the precious from the vile, thou shalt be as my mouth: let them return unto thee; but return not thou unto them.

20 And I will make thee unto this people a fenced brasen wall: and they shall fight against thee, but they shall not prevail against thee: for I [am] with thee to save thee and to deliver thee, saith the LORD.

21 And I will deliver thee out of the hand of the wicked, and I will redeem thee out of the hand of the terrible.

 

Chapitre 15
1 L'Éternel me dit: Quand Moïse et Samuel se présenteraient devant moi, Je ne serais pas favorable à ce peuple. Chasse-le loin de ma face, qu'il s'en aille! 2 Et s'ils te disent: Où irons-nous? Tu leur répondras: Ainsi parle l'Éternel: A la mort ceux qui sont pour la mort, A l'épée ceux qui sont pour l'épée, A la famine ceux qui sont pour la famine, A la captivité ceux qui sont pour la captivité! 3 J'enverrai contre eux quatre espèces de fléaux, dit l'Éternel, L'épée pour les tuer, Les chiens pour les traîner, Les oiseaux du ciel et les bêtes de la terre Pour les dévorer et les détruire. 4 Je les rendrai un objet d'effroi pour tous les royaumes de la terre, A cause de Manassé, fils d'Ézéchias, roi de Juda, Et de tout ce qu'il a fait dans Jérusalem. 5 Qui aura pitié de toi, Jérusalem, Qui te plaindra? Qui ira s'informer de ton état? 6 Tu m'as abandonné, dit l'Éternel, tu es allée en arrière; Mais j'étends ma main sur toi, et je te détruis, Je suis las d'avoir compassion. 7 Je les vanne avec le vent aux portes du pays; Je prive d'enfants, je fais périr mon peuple, Qui ne s'est pas détourné de ses voies. 8 Ses veuves sont plus nombreuses que les grains de sable de la mer; J'amène sur eux, sur la mère du jeune homme, Le dévastateur en plein midi; Je fais soudain tomber sur elle l'angoisse et la terreur. 9 Celle qui avait enfanté sept fils est désolée, Elle rend l'âme; Son soleil se couche quand il est encore jour; Elle est confuse, couverte de honte. Ceux qui restent, je les livre à l'épée devant leurs ennemis, Dit l'Éternel. 10 Malheur à moi, ma mère, de ce que tu m'as fait naître Homme de dispute et de querelle pour tout le pays! Je n'emprunte ni ne prête, Et cependant tous me maudissent. 11 L'Éternel dit: Certes, tu auras un avenir heureux; Certes, je forcerai l'ennemi à t'adresser ses supplications, Au temps du malheur et au temps de la détresse. 12 Le fer brisera-t-il le fer du septentrion et l'airain? 13 Je livre gratuitement au pillage tes biens et tes trésors, A cause de tous tes péchés, sur tout ton territoire. 14 Je te fais passer avec ton ennemi dans un pays que tu ne connais pas, Car le feu de ma colère s'est allumé, Il brûle sur vous. 15 Tu sais tout, ô Éternel, souviens-toi de moi, ne m'oublie pas, Venge-moi de mes persécuteurs! Ne m'enlève pas, tandis que tu te montres lent à la colère! Sache que je supporte l'opprobre à cause de toi. 16 J'ai recueilli tes paroles, et je les ai dévorées; Tes paroles ont fait la joie et l'allégresse de mon coeur; Car ton nom est invoqué sur moi, Éternel, Dieu des armées! 17 Je ne me suis point assis dans l'assemblée des moqueurs, afin de m'y réjouir; Mais à cause de ta puissance, je me suis assis solitaire, Car tu me remplissais de fureur. 18 Pourquoi ma souffrance est-elle continuelle? Pourquoi ma plaie est-elle douloureuse, et ne veut-elle pas se guérir? Serais-tu pour moi comme une source trompeuse, Comme une eau dont on n'est pas sûr? 19 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel: Si tu te rattaches à moi, je te répondrai, et tu te tiendras devant moi; Si tu sépares ce qui est précieux de ce qui est vil, tu seras comme ma bouche. C'est à eux de revenir à toi, Mais ce n'est pas à toi de retourner vers eux. 20 Je te rendrai pour ce peuple comme une forte muraille d'airain; Ils te feront la guerre, mais ils ne te vaincront pas; Car je serai avec toi pour te sauver et te délivrer, Dit l'Éternel. 21 Je te délivrerai de la main des méchants, Je te sauverai de la main des violents.