T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 14 

1 [Ny tsy hahafahan'ny olona amin'ny loza, na dia efa nifonan'i Jeremia tamin'Andriamanitra aza izy] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny mosary.

2 Misaona ny Joda, ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin'ny tany; Ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.

3 Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin'ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.

4 Noho ny fangentan*'ny tany, noho ny tsy nilatsahan'ny ranonorana taminy, dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.[Na: satria tora-kovitra]

5 Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, raha miteraka, dia mahafoy noho ny tsi-fisian'ny ahi-maitso.

6 Ary ny borikidia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia* izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian'ny ahitra.[Na: jakala]

7 Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.

8 Ry Fanantenan'ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin'ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin'ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?

9 Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.

10 Izao no lazain'i Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany.

11 Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an'ity firenena ity hahasoa azy.

12 Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.

13 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan'ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin'ity tany ity ianareo.

14 Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.

15 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.

16 Ary ny firenena izay aminanian'ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben'i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.

17 Koa lazao aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman'alina ka tsy hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy tamin'ny kapoka maharary indrindra.

18 Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany*.[Na: ka tsy mahalala]

19 Efa narianao tokoa va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita asa, ary andro fanasitranana*, fa indro fampitahorana.[Na: fahafinaretana]

20 Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao izahay.

21 Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza fiandrianan'ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.

22 Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin*'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.[Heb. zava-poanan']

 

Chapitre 14

14:1 The word of Yahweh that came to Jeremiah concerning the drought. 14:2 Judah mourns, and its gates languish, they sit in black on the ground; and the cry of Jerusalem is gone up. 14:3 Their nobles send their little ones to the waters: they come to the cisterns, and find no water; they return with their vessels empty; they are disappointed and confounded, and cover their heads. 14:4 Because of the ground which is cracked, because no rain has been in the land, the plowmen are disappointed, they cover their heads. 14:5 Yes, the hind also in the field calves, and forsakes her young, because there is no grass. 14:6 The wild donkeys stand on the bare heights, they pant for air like jackals; their eyes fail, because there is no herbage. 14:7 Though our iniquities testify against us, work for your name’s sake, Yahweh; for our backslidings are many; we have sinned against you. 14:8 You hope of Israel, its Savior in the time of trouble, why should you be as a foreigner in the land, and as a wayfaring man who turns aside to stay for a night? 14:9 Why should you be like a scared man, as a mighty man who can’t save? Yet you, Yahweh, are in the midst of us, and we are called by your name; don’t leave us. 14:10 Thus says Yahweh to this people, Even so have they loved to wander; they have not refrained their feet: therefore Yahweh does not accept them; now he will remember their iniquity, and visit their sins. 14:11 Yahweh said to me, Don’t pray for this people for their good. 14:12 When they fast, I will not hear their cry; and when they offer burnt offering and meal offering, I will not accept them; but I will consume them by the sword, and by the famine, and by the pestilence. 14:13 Then I said, Ah, Lord Yahweh! behold, the prophets tell them, You shall not see the sword, neither shall you have famine; but I will give you assured peace in this place. 14:14 Then Yahweh said to me, The prophets prophesy lies in my name; I didn’t send them, neither have I commanded them, neither spoke I to them: they prophesy to you a lying vision, and divination, and a thing of nothing, and the deceit of their own heart. 14:15 Therefore thus says Yahweh concerning the prophets who prophesy in my name, and I didn’t send them, yet they say, Sword and famine shall not be in this land: By sword and famine shall those prophets be consumed. 14:16 The people to whom they prophesy shall be cast out in the streets of Jerusalem because of the famine and the sword; and they shall have none to bury them—them, their wives, nor their sons, nor their daughters: for I will pour their wickedness on them. 14:17 You shall say this word to them, Let my eyes run down with tears night and day, and let them not cease; for the virgin daughter of my people is broken with a great breach, with a very grievous wound. 14:18 If I go forth into the field, then, behold, the slain with the sword! and if I enter into the city, then, behold, those who are sick with famine! for both the prophet and the priest go about in the land, and have no knowledge. 14:19 Have you utterly rejected Judah? has your soul loathed Zion? why have you struck us, and there is no healing for us? We looked for peace, but no good came; and for a time of healing, and behold, dismay! 14:20 We acknowledge, Yahweh, our wickedness, and the iniquity of our fathers; for we have sinned against you. 14:21 Do not abhor us, for your name’s sake; do not disgrace the throne of your glory: remember, don’t break your covenant with us. 14:22 Are there any among the vanities of the nations that can cause rain? or can the sky give showers? Aren’t you he, Yahweh our God? therefore we will wait for you; for you have made all these things.

 

Chapitre 14

1 La parole qui fut adressée à Jérémie par l'Éternel, à l'occasion de la sécheresse. 2 Juda est dans le deuil, Ses villes sont désolées, tristes, abattues, Et les cris de Jérusalem s'élèvent. 3 Les grands envoient les petits chercher de l'eau, Et les petits vont aux citernes, ne trouvent point d'eau, Et retournent avec leurs vases vides; Confus et honteux, ils se couvrent la tête. 4 La terre est saisie d'épouvante, Parce qu'il ne tombe point de pluie dans le pays, Et les laboureurs confus se couvrent la tête. 5 Même la biche dans la campagne Met bas et abandonne sa portée, Parce qu'il n'y a point de verdure. 6 Les ânes sauvages se tiennent sur les lieux élevés, Aspirant l'air comme des serpents; Leurs yeux languissent, parce qu'il n'y a point d'herbe. 7 Si nos iniquités témoignent contre nous, Agis à cause de ton nom, ô Éternel! Car nos infidélités sont nombreuses, Nous avons péché contre toi. 8 Toi qui es l'espérance d'Israël, Son sauveur au temps de la détresse, Pourquoi serais-tu comme un étranger dans le pays, Comme un voyageur qui y entre pour passer la nuit? 9 Pourquoi serais-tu comme un homme stupéfait, Comme un héros incapable de nous secourir? Tu es pourtant au milieu de nous, ô Éternel, Et ton nom est invoqué sur nous: Ne nous abandonne pas! 10 Voici ce que l'Éternel dit de ce peuple: Ils aiment à courir çà et là, Ils ne savent retenir leurs pieds; L'Éternel n'a point d'attachement pour eux, Il se souvient maintenant de leurs crimes, Et il châtie leurs péchés. 11 Et l'Éternel me dit: N'intercède pas en faveur de ce peuple. 12 S'ils jeûnent, je n'écouterai pas leurs supplications; S'ils offrent des holocaustes et des offrandes, je ne les agréerai pas; Car je veux les détruire par l'épée, par la famine et par la peste. 13 Je répondis: Ah! Seigneur Éternel! Voici, les prophètes leur disent: Vous ne verrez point d'épée, Vous n'aurez point de famine; Mais je vous donnerai dans ce lieu une paix assurée. 14 Et l'Éternel me dit: C'est le mensonge que prophétisent en mon nom les prophètes; Je ne les ai point envoyés, je ne leur ai point donné d'ordre, Je ne leur ai point parlé; Ce sont des visions mensongères, de vaines prédictions, Des tromperies de leur coeur, qu'ils vous prophétisent. 15 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel Sur les prophètes qui prophétisent en mon nom, Sans que je les aie envoyés, Et qui disent: Il n'y aura dans ce pays ni épée ni famine: Ces prophètes périront par l'épée et par la famine. 16 Et ceux à qui ils prophétisent Seront étendus dans les rues de Jérusalem, Par la famine et par l'épée; Il n'y aura personne pour leur donner la sépulture, Ni à eux, ni à leurs femmes, ni à leurs fils, ni à leurs filles; Je répandrai sur eux leur méchanceté. 17 Dis-leur cette parole: Les larmes coulent de mes yeux nuit et jour, Et elles ne s'arrêtent pas; Car la vierge, fille de mon peuple, a été frappée d'un grand coup, D'une plaie très douloureuse. 18 Si je vais dans les champs, voici des hommes que le glaive a percés; Si j'entre dans la ville, voici des êtres que consume la faim; Le prophète même et le sacrificateur parcourent le pays, Sans savoir où ils vont. 19 As-tu donc rejeté Juda, Et ton âme a-t-elle pris Sion en horreur? Pourquoi nous frappes-tu Sans qu'il y ait pour nous de guérison? Nous espérions la paix, et il n'arrive rien d'heureux, Un temps de guérison, et voici la terreur! 20 Éternel, nous reconnaissons notre méchanceté, l'iniquité de nos pères; Car nous avons péché contre toi. 21 A cause de ton nom, ne méprise pas, Ne déshonore pas le trône de ta gloire! N'oublie pas, ne romps pas ton alliance avec nous! 22 Parmi les idoles des nations, en est-il qui fassent pleuvoir? Ou est-ce le ciel qui donne la pluie? N'est-ce pas toi, Éternel, notre Dieu? Nous espérons en toi, Car c'est toi qui as fait toutes ces choses.