| Chapitre 13 1 [Ny hampietrena ny avonavon'ny Joda] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano. 2 Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin'i Jehovah ka nifehezako ny kiboko. 3 Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Jehovah hoe: 4 Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy. 5 Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy. 6 Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany. 7 Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony. 8 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: 9 Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda sy ny haben'ny avonavon'i Jerosalema. 10 Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony. 11 Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona no nampiraiketako ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy. 12 Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra? 13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony* ny mponina rehetra amin'ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.[Heb. feno] 14 Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy. 15 Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny. 16 Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito. 17 Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah. 18 Lazao amin'ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy. 19 Voarindrina ny tanàna any amin'ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. 20 Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy? 21 Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka? 22 Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr'akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao. 23 Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda* va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.[Anaram-biby masiaka sady misoratsoratra] 24 Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra. 25 Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin'ny lainga. 26 Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, mba hisehoan'ny henatrao. 27 Ny fijangajanganao sy ny fanenonao*, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?[Izahao v. 8] | | Chapitre 13 13:1 Thus says Yahweh to me, Go, and buy yourself a linen belt, and put it on your waist, and don’t put it in water. 13:2 So I bought a belt according to the word of Yahweh, and put it on my waist. 13:3 The word of Yahweh came to me the second time, saying, 13:4 Take the belt that you have bought, which is on your waist, and arise, go to the Euphrates, and hide it there in a cleft of the rock. 13:5 So I went, and hid it by the Euphrates, as Yahweh commanded me. 13:6 It happened after many days, that Yahweh said to me, Arise, go to the Euphrates, and take the belt from there, which I commanded you to hide there. 13:7 Then I went to the Euphrates, and dug, and took the belt from the place where I had hidden it; and behold, the belt was marred, it was profitable for nothing. 13:8 Then the word of Yahweh came to me, saying, 13:9 Thus says Yahweh, In this way I will mar the pride of Judah, and the great pride of Jerusalem. 13:10 This evil people, who refuse to hear my words, who walk in the stubbornness of their heart, and are gone after other gods to serve them, and to worship them, shall even be as this belt, which is profitable for nothing. 13:11 For as the belt clings to the waist of a man, so have I caused to cling to me the whole house of Israel and the whole house of Judah, says Yahweh; that they may be to me for a people, and for a name, and for a praise, and for a glory: but they would not hear. 13:12 Therefore you shall speak to them this word: Thus says Yahweh, the God of Israel, Every bottle shall be filled with wine: and they shall tell you, Do we not certainly know that every bottle shall be filled with wine? 13:13 Then you shall tell them, Thus says Yahweh, Behold, I will fill all the inhabitants of this land, even the kings who sit on David’s throne, and the priests, and the prophets, and all the inhabitants of Jerusalem, with drunkenness. 13:14 I will dash them one against another, even the fathers and the sons together, says Yahweh: I will not pity, nor spare, nor have compassion, that I should not destroy them. 13:15 Hear, and give ear; don’t be proud; for Yahweh has spoken. 13:16 Give glory to Yahweh your God, before he causes darkness, and before your feet stumble on the dark mountains, and, while you look for light, he turns it into the shadow of death, and makes it gross darkness. 13:17 But if you will not hear it, my soul shall weep in secret for your pride; and my eye shall weep bitterly, and run down with tears, because Yahweh’s flock is taken captive. 13:18 Say to the king and to the queen mother, Humble yourselves, sit down; for your headdresses have come down, even the crown of your glory. 13:19 The cities of the South are shut up, and there is none to open them: Judah is carried away captive, all of it; it is wholly carried away captive. 13:20 Lift up your eyes, and see those who come from the north: where is the flock that was given you, your beautiful flock? 13:21 What will you say, when he shall set over you as head those whom you have yourself taught to be friends to you? shall not sorrows take hold of you, as of a woman in travail? 13:22 If you say in your heart, Why are these things come on me? for the greatness of your iniquity are your skirts uncovered, and your heels suffer violence. 13:23 Can the Ethiopian change his skin, or the leopard his spots? then may you also do good, who are accustomed to do evil. 13:24 Therefore will I scatter them, as the stubble that passes away, by the wind of the wilderness. 13:25 This is your lot, the portion measured to you from me, says Yahweh; because you have forgotten me, and trusted in falsehood. 13:26 Therefore will I also uncover your skirts on your face, and your shame shall appear. 13:27 I have seen your abominations, even your adulteries, and your neighing, the lewdness of your prostitution, on the hills in the field. Woe to you, Jerusalem! You will not be made clean; how long shall it yet be? | | Chapitre 13 1 Ainsi m'a parlé l'Éternel: Va, achète-toi une ceinture de lin, et mets-la sur tes reins; mais ne la trempe pas dans l'eau. 2 J'achetai la ceinture, selon la parole de l'Éternel, et je la mis sur mes reins. 3 La parole de l'Éternel me fut adressée une seconde fois, en ces mots: 4 Prends la ceinture que tu as achetée, et qui est sur tes reins; lève-toi, va vers l'Euphrate, et là, cache-la dans la fente d'un rocher. 5 J'allai, et je la cachai près de l'Euphrate, comme l'Éternel me l'avait ordonné. 6 Plusieurs jours après, l'Éternel me dit: Lève-toi, va vers l'Euphrate, et là, prends la ceinture que je t'avais ordonné d'y cacher. 7 J'allai vers l'Euphrate, je fouillai, et je pris la ceinture dans le lieu où je l'avais cachée; mais voici, la ceinture était gâtée, elle n'était plus bonne à rien. 8 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 9 Ainsi parle l'Éternel: C'est ainsi que je détruirai l'orgueil de Juda Et l'orgueil immense de Jérusalem. 10 Ce méchant peuple, qui refuse d'écouter mes paroles, Qui suit les penchants de son coeur, Et qui va après d'autres dieux, Pour les servir et se prosterner devant eux, Qu'il devienne comme cette ceinture, Qui n'est plus bonne à rien! 11 Car comme on attache la ceinture aux reins d'un homme, Ainsi je m'étais attaché toute la maison d'Israël Et toute la maison de Juda, dit l'Éternel, Afin qu'elles fussent mon peuple, Mon nom, ma louange, et ma gloire. Mais ils ne m'ont point écouté. 12 Tu leur diras cette parole: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël: Tous les vases seront remplis de vin. Et ils te diront: Ne savons-nous pas Que tous les vases seront remplis de vin? 13 Alors dis-leur: Ainsi parle l'Éternel: Voici, je remplirai tous les habitants de ce pays, Les rois qui sont assis sur le trône de David, Les sacrificateurs, les prophètes, et tous les habitants de Jérusalem, Je les remplirai d'ivresse. 14 Je les briserai les uns contre les autres, Les pères et les fils ensemble, dit l'Éternel; Je n'épargnerai pas, je n'aurai point de pitié, point de miséricorde, Rien ne m'empêchera de les détruire. 15 Écoutez et prêtez l'oreille! Ne soyez point orgueilleux! Car l'Éternel parle. 16 Rendez gloire à l'Éternel, votre Dieu, Avant qu'il fasse venir les ténèbres, Avant que vos pieds heurtent contre les montagnes de la nuit; Vous attendrez la lumière, Et il la changera en ombre de la mort, Il la réduira en obscurité profonde. 17 Si vous n'écoutez pas, Je pleurerai en secret, à cause de votre orgueil; Mes yeux fondront en larmes, Parce que le troupeau de l'Éternel sera emmené captif. 18 Dis au roi et à la reine: Asseyez-vous à terre! Car il est tombé de vos têtes, Le diadème qui vous servait d'ornement. 19 Les villes du midi sont fermées, Il n'y a personne pour ouvrir; Tout Juda est emmené captif, Il est emmené tout entier captif. 20 Lève tes yeux et regarde Ceux qui viennent du septentrion. Où est le troupeau qui t'avait été donné, Le troupeau qui faisait ta gloire? 21 Que diras-tu de ce qu'il te châtie? C'est toi-même qui leur as appris à te traiter en maîtres. Les douleurs ne te saisiront-elles pas, Comme elles saisissent une femme en travail? 22 Si tu dis en ton coeur: Pourquoi cela m'arrive-t-il? C'est à cause de la multitude de tes iniquités Que les pans de tes habits sont relevés, Et que tes talons sont violemment mis à nu. 23 Un Éthiopien peut-il changer sa peau, Et un léopard ses taches? De même, pourriez-vous faire le bien, Vous qui êtes accoutumés à faire le mal? 24 Je les disperserai, comme la paille emportée Par le vent du désert. 25 Voilà ton sort, la part que je te mesure, Dit l'Éternel, Parce que tu m'as oublié, Et que tu as mis ta confiance dans le mensonge. 26 Je relèverai tes pans jusque sur ton visage, Afin qu'on voie ta honte. 27 J'ai vu tes adultères et tes hennissements, Tes criminelles prostitutions sur les collines et dans les champs, J'ai vu tes abominations. Malheur à toi, Jérusalem! Jusques à quand tarderas-tu à te purifier? | |