T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 [Ny fitarainana nataon'i Jeremia noho ny nanambinana ny ratsy fanahy, sy ny navalin'i Jehovah azy] Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?

2 Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin'ny fony*.[Heb. voany]

3 Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny* ho amin'ny andro hamonoana.[Heb. hamasino]

4 Mandra-pahoviana no hisaonan'ny tany sy hahalazoan'ny ahitra any amin'ny saha rehetra? Noho ny faharatsian'ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.

5 Raha niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana?[Heb. ny reharehany]

6 Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin'ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy.

7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; Ny sombin'aiko dia natolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony.

8 Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an'ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.

9 Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.

10 Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra;

11 Nataony lao izany, eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy nisy nandatsaka am-po.

12 Ny mpandrava dia tonga any amin'ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr'i Jehovah mandringana amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an'ny nofo rehetra.

13 Vary no nafafiny, fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany; Dia hangaihay ny amin'ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.

14 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan'ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin'ny taniny ireo, ary ny taranak'i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.

15 Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin'ny lovany sy ny taniny avy indray izy.

16 Koa raha mba hianatra ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala, dia haorina ao amin'ny oloko izy;

17 Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.

 

Chapitre 12

12:1 You are righteous, Yahweh, when I contend with you; yet I would reason the cause with you: why does the way of the wicked prosper? why are all they at ease who deal very treacherously? 12:2 You have planted them, yes, they have taken root; they grow, yes, they bring forth fruit: you are near in their mouth, and far from their heart. 12:3 But you, Yahweh, know me; you see me, and try my heart toward you: pull them out like sheep for the slaughter, and prepare them for the day of slaughter. 12:4 How long shall the land mourn, and the herbs of the whole country wither? for the wickedness of those who dwell therein, the animals are consumed, and the birds; because they said, He shall not see our latter end. 12:5 If you have run with the footmen, and they have wearied you, then how can you contend with horses? and though in a land of peace you are secure, yet how will you do in the pride of the Jordan? 12:6 For even your brothers, and the house of your father, even they have dealt treacherously with you; even they have cried aloud after you: don’t believe them, though they speak beautiful words to you. 12:7 I have forsaken my house, I have cast off my heritage; I have given the dearly beloved of my soul into the hand of her enemies. 12:8 My heritage has become to me as a lion in the forest: she has uttered her voice against me; therefore I have hated her. 12:9 Is my heritage to me as a speckled bird of prey? are the birds of prey against her all around? Go, assemble all the animals of the field, bring them to devour. 12:10 Many shepherds have destroyed my vineyard, they have trodden my portion under foot, they have made my pleasant portion a desolate wilderness. 12:11 They have made it a desolation; it mourns to me, being desolate; the whole land is made desolate, because no man lays it to heart. 12:12 Destroyers have come on all the bare heights in the wilderness; for the sword of Yahweh devours from the one end of the land even to the other end of the land: no flesh has peace. 12:13 They have sown wheat, and have reaped thorns; they have put themselves to pain, and profit nothing: and you shall be ashamed of your fruits, because of the fierce anger of Yahweh. 12:14 Thus says Yahweh against all my evil neighbors, who touch the inheritance which I have caused my people Israel to inherit: behold, I will pluck them up from off their land, and will pluck up the house of Judah from among them. 12:15 It shall happen, after that I have plucked them up, I will return and have compassion on them; and I will bring them again, every man to his heritage, and every man to his land. 12:16 It shall happen, if they will diligently learn the ways of my people, to swear by my name, As Yahweh lives; even as they taught my people to swear by Baal; then shall they be built up in the midst of my people. 12:17 But if they will not hear, then will I pluck up that nation, plucking up and destroying it, says Yahweh.

 

Chapitre 12
1 Tu es trop juste, Éternel, pour que je conteste avec toi; Je veux néanmoins t'adresser la parole sur tes jugements: Pourquoi la voie des méchants est-elle prospère? Pourquoi tous les perfides vivent-ils en paix? 2 Tu les as plantés, ils ont pris racine, Ils croissent, ils portent du fruit; Tu es près de leur bouche, Mais loin de leur coeur. 3 Et toi, Éternel, tu me connais, Tu me vois, tu sondes mon coeur qui est avec toi. Enlève-les comme des brebis qu'on doit égorger, Et prépare-les pour le jour du carnage! 4 Jusques à quand le pays sera-t-il dans le deuil, Et l'herbe de tous les champs sera-t-elle desséchée? A cause de la méchanceté des habitants, Les bêtes et les oiseaux périssent. Car ils disent: Il ne verra pas notre fin. - 5 Si tu cours avec des piétons et qu'ils te fatiguent, Comment pourras-tu lutter avec des chevaux? Et si tu ne te crois en sûreté que dans une contrée paisible, Que feras-tu sur les rives orgueilleuses du Jourdain? 6 Car tes frères eux-mêmes et la maison de ton père te trahissent, Ils crient eux-mêmes à pleine voix derrière toi. Ne les crois pas, quand ils te diront des paroles amicales. 7 J'ai abandonné ma maison, J'ai délaissé mon héritage, J'ai livré l'objet de mon amour aux mains de ses ennemis. 8 Mon héritage a été pour moi comme un lion dans la forêt, Il a poussé contre moi ses rugissements; C'est pourquoi je l'ai pris en haine. 9 Mon héritage a été pour moi un oiseau de proie, une hyène; Aussi les oiseaux de proie viendront de tous côtés contre lui. Allez, rassemblez tous les animaux des champs, Faites-les venir pour qu'ils le dévorent! 10 Des bergers nombreux ravagent ma vigne, Ils foulent mon champ; Ils réduisent le champ de mes délices En un désert, en une solitude. 11 Ils le réduisent en un désert; Il est en deuil, il est désolé devant moi. Tout le pays est ravagé, Car nul n'y prend garde. 12 Sur tous les lieux élevés du désert arrivent les dévastateurs, Car le glaive de l'Éternel dévore le pays d'un bout à l'autre; Il n'y a de paix pour aucun homme. 13 Ils ont semé du froment, et ils moissonnent des épines, Ils se sont fatigués sans profit. Ayez honte de ce que vous récoltez, Par suite de la colère ardente de l'Éternel. 14 Ainsi parle l'Éternel sur tous mes méchants voisins, Qui attaquent l'héritage que j'ai donné à mon peuple d'Israël: Voici, je les arracherai de leur pays, Et j'arracherai la maison de Juda du milieu d'eux. 15 Mais après que je les aurai arrachés, J'aurai de nouveau compassion d'eux, Et je les ramènerai chacun dans son héritage, Chacun dans son pays. 16 Et s'ils apprennent les voies de mon peuple, S'ils jurent par mon nom, en disant: L'Éternel est vivant! Comme ils ont enseigné à mon peuple à jurer par Baal, Alors ils jouiront du bonheur au milieu de mon peuple. 17 Mais s'ils n'écoutent rien, Je détruirai une telle nation, Je la détruirai, je la ferai périr, dit l'Éternel.