T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 [Ny nivadihan'ny Isiraely tamin'ny fanekena nataon'i Jehovah taminy, sy ny nanao azy noho izany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:

2 Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema,

3 Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin'izao fanekena izao,

4 Izay nandidiako ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,

5 Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie*, Jehovah ô![Heb. Amena]

6 Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, ka ankatoavy izy.

7 Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.

8 Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.

9 Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema.

10 Fa izy niverina nankamin'ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin'ny razany.

11 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.

12 Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.

13 Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.

14 Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin'ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho.

15 Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy, ary ny hena masina dia esorina aminao*; Raha azon-doza ianao, mifalia ary![Na: Nahoana ny malalako no manao fahavetavetana eto an-tranoko? Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra?]

16 Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon'i Jehovah anaranao; Tamin'ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany.

17 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala.

18 [Ny teny nasain'i Jehovah nolazaina ny amin'ny mponina tao Anatota, izay nitady hamono an'i Jeremia] Ary nampahafantarin'i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin'izany dia nasehonao ahy ny fanaony.

19 Fa izaho dia tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.

20 Nefa, ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.

21 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tananay ianao,

22 izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary;

23 Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona hamaliana azy.

 

 

11:1 The word that came to Jeremiah from Yahweh, saying, 11:2 Hear the words of this covenant, and speak to the men of Judah, and to the inhabitants of Jerusalem; 11:3 and say to them, Thus says Yahweh, the God of Israel: Cursed is the man who doesn’t hear the words of this covenant, 11:4 which I commanded your fathers in the day that I brought them forth out of the land of Egypt, out of the iron furnace, saying, Obey my voice, and do them, according to all which I command you: so you shall be my people, and I will be your God; 11:5 that I may establish the oath which I swore to your fathers, to give them a land flowing with milk and honey, as at this day. Then answered I, and said, Amen, Yahweh. 11:6 Yahweh said to me, Proclaim all these words in the cities of Judah, and in the streets of Jerusalem, saying, Hear the words of this covenant, and do them. 11:7 For I earnestly protested to your fathers in the day that I brought them up out of the land of Egypt, even to this day, rising early and protesting, saying, Obey my voice. 11:8 Yet they didn’t obey, nor turn their ear, but walked everyone in the stubbornness of their evil heart: therefore I brought on them all the words of this covenant, which I commanded them to do, but they didn’t do them. 11:9 Yahweh said to me, A conspiracy is found among the men of Judah, and among the inhabitants of Jerusalem. 11:10 They are turned back to the iniquities of their forefathers, who refused to hear my words; and they are gone after other gods to serve them: the house of Israel and the house of Judah have broken my covenant which I made with their fathers. 11:11 Therefore thus says Yahweh, Behold, I will bring evil on them, which they shall not be able to escape; and they shall cry to me, but I will not listen to them. 11:12 Then shall the cities of Judah and the inhabitants of Jerusalem go and cry to the gods to which they offer incense: but they will not save them at all in the time of their trouble. 11:13 For according to the number of your cities are your gods, Judah; and according to the number of the streets of Jerusalem have you set up altars to the shameful thing, even altars to burn incense to Baal. 11:14 Therefore don’t pray for this people, neither lift up cry nor prayer for them; for I will not hear them in the time that they cry to me because of their trouble. 11:15 What has my beloved to do in my house, since she has worked lewdness with many, and the holy flesh is passed from you? when you do evil, then you rejoice. 11:16 Yahweh called your name, A green olive tree, beautiful with goodly fruit: with the noise of a great tumult he has kindled fire on it, and its branches are broken. 11:17 For Yahweh of Armies, who planted you, has pronounced evil against you, because of the evil of the house of Israel and of the house of Judah, which they have worked for themselves in provoking me to anger by offering incense to Baal. 11:18 Yahweh gave me knowledge of it, and I knew it: then you showed me their doings. 11:19 But I was like a gentle lamb that is led to the slaughter; and I didn’t know that they had devised devices against me, saying, Let us destroy the tree with its fruit, and let us cut him off from the land of the living, that his name may be no more remembered. 11:20 But, Yahweh of Armies, who judges righteously, who tests the heart and the mind, I shall see your vengeance on them; for to you have I revealed my cause. 11:21 Therefore thus says Yahweh concerning the men of Anathoth, who seek your life, saying, You shall not prophesy in the name of Yahweh, that you not die by our hand; 11:22 therefore thus says Yahweh of Armies, Behold, I will punish them: the young men shall die by the sword; their sons and their daughters shall die by famine; 11:23 and there shall be no remnant to them: for I will bring evil on the men of Anathoth, even the year of their visitation.

 

Chapitre 11
1 La parole qui fut adressée à Jérémie de la part de l'Éternel, en ces mots: 2 Écoutez les paroles de cette alliance, Et parlez aux hommes de Juda et aux habitants de Jérusalem! 3 Dis-leur: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël: Maudit soit l'homme qui n'écoute point les paroles de cette alliance, 4 Que j'ai prescrite à vos pères, Le jour où je les ai fait sortir du pays d'Égypte, De la fournaise de fer, en disant: Écoutez ma voix, et faites tout ce que je vous ordonnerai; Alors vous serez mon peuple, Je serai votre Dieu, 5 Et j'accomplirai le serment que j'ai fait à vos pères, De leur donner un pays où coulent le lait et le miel, Comme vous le voyez aujourd'hui. -Et je répondis: Amen, Éternel! 6 L'Éternel me dit: Publie toutes ces paroles dans les villes de Juda Et dans les rues de Jérusalem, en disant: Écoutez les paroles de cette alliance, Et mettez-les en pratique! 7 Car j'ai averti vos pères, Depuis le jour où je les ai fait monter du pays d'Égypte Jusqu'à ce jour, Je les ai avertis tous les matins, en disant: Écoutez ma voix! 8 Mais ils n'ont pas écouté, ils n'ont pas prêté l'oreille, Ils ont suivi chacun les penchants de leur mauvais coeur; Alors j'ai accompli sur eux toutes les paroles de cette alliance, Que je leur avais ordonné d'observer et qu'ils n'ont point observée. 9 L'Éternel me dit: Il y a une conjuration entre les hommes de Juda Et les habitants de Jérusalem. 10 Ils sont retournés aux iniquités de leurs premiers pères, Qui ont refusé d'écouter mes paroles, Et ils sont allés après d'autres dieux, pour les servir. La maison d'Israël et la maison de Juda ont violé mon alliance, Que j'avais faite avec leurs pères. 11 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel: Voici, je vais faire venir sur eux des malheurs Dont ils ne pourront se délivrer. Ils crieront vers moi, Et je ne les écouterai pas. 12 Les villes de Juda et les habitants de Jérusalem Iront invoquer les dieux auxquels ils offrent de l'encens, Mais ils ne les sauveront pas au temps de leur malheur. 13 Car tu as autant de dieux que de villes, ô Juda! Et autant Jérusalem a de rues, Autant vous avez dressé d'autels aux idoles, D'autels pour offrir de l'encens à Baal... 14 Et toi, n'intercède pas en faveur de ce peuple, N'élève pour eux ni supplications ni prières; Car je ne les écouterai pas, Quand ils m'invoqueront à cause de leur malheur. 15 Que ferait mon bien-aimé dans ma maison? Il s'y commet une foule de crimes. La chair sacrée disparaîtra devant toi. Quand tu fais le mal, c'est alors que tu triomphes! 16 Olivier verdoyant, remarquable par la beauté de son fruit, Tel est le nom que t'avait donné l'Éternel; Au bruit d'un grand fracas, il l'embrase par le feu, Et ses rameaux sont brisés. 17 L'Éternel des armées, qui t'a planté, Appelle sur toi le malheur, A cause de la méchanceté de la maison d'Israël et de la maison de Juda, Qui ont agi pour m'irriter, en offrant de l'encens à Baal. 18 L'Éternel m'en a informé, et je l'ai su; Alors tu m'as fait voir leurs oeuvres. 19 J'étais comme un agneau familier qu'on mène à la boucherie, Et j'ignorais les mauvais desseins qu'ils méditaient contre moi: Détruisons l'arbre avec son fruit! Retranchons-le de la terre des vivants, Et qu'on ne se souvienne plus de son nom! - 20 Mais l'Éternel des armées est un juste juge, Qui sonde les reins et les coeurs. Je verrai ta vengeance s'exercer contre eux, Car c'est à toi que je confie ma cause. 21 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel contre les gens d'Anathoth, Qui en veulent à ta vie, et qui disent: Ne prophétise pas au nom de l'Éternel, Ou tu mourras de notre main! 22 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel des armées: Voici, je vais les châtier; Les jeunes hommes mourront par l'épée, Leurs fils et leurs filles mourront par la famine. 23 Aucun d'eux n'échappera; Car je ferai venir le malheur sur les gens d'Anathoth, L'année où je les châtierai.