T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

BAIBOLY AUDIO     TORITENY     Testamenta Vaovao     Testamenta Taloha     TENY SOA     HIRA     BAIBOLY MALAGASY     FOTOAM-BAVAKA     Vavaka     Rohy      
GENESISY
EKSODOSY
LEVITIKA
NOMERY
DETORONOMIA
MPITSARA
JOSOA
ROTA
1SAMOELA
2SAMOELA
1 MPANJAKA
2 MPANJAKA
1TANTARA
2TANTARA
EZRA
NEHEMIA
ESTERA
JOBA
SALAMO
OHABOLANA
MPITORITENY
TONONKIRA
ISAIA
JEREMIA
FITOMANIANA
EZEKIELA
DANIELA
HOSEA
JOELA
AMOSA
OBADIA
JONA
MIKA
NAHOMA
HABAKOKA
ZEFANIA
HAGAY
ZAKARIA
MALAKIA

Chapitre 1

1 [Ny niantsoana an'i Jeremia ho mpaminany, sy ny nanambarana taminy izay ho raharahany] Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina,

2 izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany,

3 sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.

4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.

6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.

7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.

8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.

9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,

10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.

11 Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro* no hitako.[Ny amygdala no ataon'ny Hebreo hoe "hazo mahatsiaro", satria mamony alohan'ny hazo sasany]

12 Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.

13 Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.

14 Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany.

15 Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.

16 Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan'ny asan'ny tànany.

17 Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.

18 Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.

19 Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.

Chapitre 1
1:1 The words of Jeremiah the son of Hilkiah, of the priests who were in Anathoth in the land of Benjamin: 1:2 to whom the word of Yahweh came in the days of Josiah the son of Amon, king of Judah, in the thirteenth year of his reign. 1:3 It came also in the days of Jehoiakim the son of Josiah, king of Judah, to the end of the eleventh year of Zedekiah, the son of Josiah, king of Judah, to the carrying away of Jerusalem captive in the fifth month. 1:4 Now the word of Yahweh came to me, saying, 1:5 “Before I formed you in the belly, I knew you. Before you came forth out of the womb, I sanctified you. I have appointed you a prophet to the nations.” 1:6 Then I said, “Ah, Lord Yahweh! Behold, I don’t know how to speak; for I am a child.”

1:7 But Yahweh said to me, “Don’t say, ‘I am a child;’ for to whoever I shall send you, you shall go, and whatever I shall command you, you shall speak. 1:8 Don’t be afraid because of them; for I am with you to deliver you,” says Yahweh. 1:9 Then Yahweh put forth his hand, and touched my mouth; and Yahweh said to me, “Behold, I have put my words in your mouth. 1:10 Behold, I have this day set you over the nations and over the kingdoms, to pluck up and to break down and to destroy and to overthrow, to build and to plant.” 1:11 Moreover the word of Yahweh came to me, saying, “Jeremiah, what do you see?”

I said, “I see a branch of an almond tree.”

1:12 Then Yahweh said to me, “You have seen well; for I watch over my word to perform it.”

1:13 The word of Yahweh came to me the second time, saying, “What do you see?”

I said, “I see a boiling caldron; and it is tipping away from the north.”

1:14 Then Yahweh said to me, “Out of the north evil will break out on all the inhabitants of the land. 1:15 For, behold, I will call all the families of the kingdoms of the north,” says Yahweh; “and they shall come, and they shall each set his throne at the entrance of the gates of Jerusalem, and against all its walls all around, and against all the cities of Judah. 1:16 I will utter my judgments against them touching all their wickedness, in that they have forsaken me, and have burned incense to other gods, and worshiped the works of their own hands.

1:17 “You therefore put your belt on your waist, arise, and speak to them all that I command you. Don’t be dismayed at them, lest I dismay you before them. 1:18 For, behold, I have made you this day a fortified city, and an iron pillar, and bronze walls, against the whole land, against the kings of Judah, against its princes, against its priests, and against the people of the land. 1:19 They will fight against you; but they will not prevail against you; for I am with you,” says Yahweh, “to deliver you.”

Chapitre 1
1 Paroles de Jérémie, fils de Hilkija, l'un des sacrificateurs d'Anathoth, dans le pays de Benjamin. 2 La parole de l'Éternel lui fut adressée au temps de Josias, fils d'Amon, roi de Juda, la treizième année de son règne, 3 et au temps de Jojakim, fils de Josias, roi de Juda, jusqu'à la fin de la onzième année de Sédécias, fils de Josias, roi de Juda, jusqu'à l'époque où Jérusalem fut emmenée en captivité, au cinquième mois. 4 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 5 Avant que je t'eusse formé dans le ventre de ta mère, je te connaissais, et avant que tu fusses sorti de son sein, je t'avais consacré, je t'avais établi prophète des nations. 6 Je répondis: Ah! Seigneur Éternel! voici, je ne sais point parler, car je suis un enfant. 7 Et l'Éternel me dit: Ne dis pas: Je suis un enfant. Car tu iras vers tous ceux auprès de qui je t'enverrai, et tu diras tout ce que je t'ordonnerai. 8 Ne les crains point, car je suis avec toi pour te délivrer, dit l'Éternel. 9 Puis l'Éternel étendit sa main, et toucha ma bouche; et l'Éternel me dit: Voici, je mets mes paroles dans ta bouche. 10 Regarde, je t'établis aujourd'hui sur les nations et sur les royaumes, pour que tu arraches et que tu abattes, pour que tu ruines et que tu détruises, pour que tu bâtisses et que tu plantes. 11 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: Que vois-tu, Jérémie? Je répondis: Je vois une branche d'amandier. 12 Et l'Éternel me dit: Tu as bien vu; car je veille sur ma parole, pour l'exécuter. 13 La parole de l'Éternel me fut adressée une seconde fois, en ces mots: Que vois-tu? Je répondis: Je vois une chaudière bouillante, du côté du septentrion. 14 Et l'Éternel me dit: C'est du septentrion que la calamité se répandra sur tous les habitants du pays. 15 Car voici, je vais appeler tous les peuples des royaumes du septentrion, dit l'Éternel; ils viendront, et placeront chacun leur siège à l'entrée des portes de Jérusalem, contre ses murailles tout alentour, et contre toutes les villes de Juda. 16 Je prononcerai mes jugements contre eux, à cause de toute leur méchanceté, parce qu'ils m'ont abandonné et ont offert de l'encens à d'autres dieux, et parce qu'ils se sont prosternés devant l'ouvrage de leurs mains. 17 Et toi, ceins tes reins, lève-toi, et dis-leur tout ce que je t'ordonnerai. Ne tremble pas en leur présence, de peur que je ne te fasse trembler devant eux. 18 Voici, je t'établis en ce jour sur tout le pays comme une ville forte, une colonne de fer et un mur d'airain, contre les rois de Juda, contre ses chefs, contre ses sacrificateurs, et contre le peuple du pays. 19 Ils te feront la guerre, mais ils ne te vaincront pas; car je suis avec toi pour te délivrer, dit l'Éternel.