| Chapitre 14 1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa] 2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. 3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. 4 Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako*. [*Na: (ary izay alehako dia fantatrareo, ary fantatrareo koa ny lalana)] 5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. 7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. 8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. 9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. 12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. 13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako] 15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] 17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. 18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho. 19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. 20 Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. 21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. 22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? 23 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. 24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy. 25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] 27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. 28 Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. 29 Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. 30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy. 31 Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.
| | Chapitre 14 14:1 “Don’t let your heart be troubled. Believe in God. Believe also in me. 14:2 In my Father’s house are many homes. If it weren’t so, I would have told you. I am going to prepare a place for you. 14:3 If I go and prepare a place for you, I will come again, and will receive you to myself; that where I am, you may be there also. 14:4 Where I go, you know, and you know the way.” 14:5 Thomas said to him, “Lord, we don’t know where you are going. How can we know the way?” 14:6 Jesus said to him, “I am the way, the truth, and the life. No one comes to the Father, except through me. 14:7 If you had known me, you would have known my Father also. From now on, you know him, and have seen him.” 14:8 Philip said to him, “Lord, show us the Father, and that will be enough for us.” 14:9 Jesus said to him, “Have I been with you such a long time, and do you not know me, Philip? He who has seen me has seen the Father. How do you say, ‘Show us the Father?’ 14:10 Don’t you believe that I am in the Father, and the Father in me? The words that I tell you, I speak not from myself; but the Father who lives in me does his works. 14:11 Believe me that I am in the Father, and the Father in me; or else believe me for the very works’ sake. 14:12 Most certainly I tell you, he who believes in me, the works that I do, he will do also; and he will do greater works than these, because I am going to my Father. 14:13 Whatever you will ask in my name, that will I do, that the Father may be glorified in the Son. 14:14 If you will ask anything in my name, I will do it. 14:15 If you love me, keep my commandments. 14:16 I will pray to the Father, and he will give you another Counselor, that he may be with you forever,— 14:17 the Spirit of truth, whom the world can’t receive; for it doesn’t see him, neither knows him. You know him, for he lives with you, and will be in you. 14:18 I will not leave you orphans. I will come to you. 14:19 Yet a little while, and the world will see me no more; but you will see me. Because I live, you will live also. 14:20 In that day you will know that I am in my Father, and you in me, and I in you. 14:21 One who has my commandments, and keeps them, that person is one who loves me. One who loves me will be loved by my Father, and I will love him, and will reveal myself to him.” 14:22 Judas (not Iscariot) said to him, “Lord, what has happened that you are about to reveal yourself to us, and not to the world?” 14:23 Jesus answered him, “If a man loves me, he will keep my word. My Father will love him, and we will come to him, and make our home with him. 14:24 He who doesn’t love me doesn’t keep my words. The word which you hear isn’t mine, but the Father’s who sent me. 14:25 I have said these things to you, while still living with you. 14:26 But the Counselor, the Holy Spirit, whom the Father will send in my name, he will teach you all things, and will remind you of all that I said to you. 14:27 Peace I leave with you. My peace I give to you; not as the world gives, give I to you. Don’t let your heart be troubled, neither let it be fearful. 14:28 You heard how I told you, ‘I go away, and I come to you.’ If you loved me, you would have rejoiced, because I said ‘I am going to my Father;’ for the Father is greater than I. 14:29 Now I have told you before it happens so that, when it happens, you may believe. 14:30 I will no more speak much with you, for the prince of the world comes, and he has nothing in me. 14:31 But that the world may know that I love the Father, and as the Father commanded me, even so I do. Arise, let us go from here.
| | Chapitre 14 1 Que votre coeur ne se trouble point. Croyez en Dieu, et croyez en moi. 2 Il y a plusieurs demeures dans la maison de mon Père. Si cela n'était pas, je vous l'aurais dit. Je vais vous préparer une place. 3 Et, lorsque je m'en serai allé, et que je vous aurai préparé une place, je reviendrai, et je vous prendrai avec moi, afin que là où je suis vous y soyez aussi. 4 Vous savez où je vais, et vous en savez le chemin. 5 Thomas lui dit: Seigneur, nous ne savons où tu vas; comment pouvons-nous en savoir le chemin? 6 Jésus lui dit: Je suis le chemin, la vérité, et la vie. Nul ne vient au Père que par moi. 7 Si vous me connaissiez, vous connaîtriez aussi mon Père. Et dès maintenant vous le connaissez, et vous l'avez vu. 8 Philippe lui dit: Seigneur, montre-nous le Père, et cela nous suffit. 9 Jésus lui dit: Il y a si longtemps que je suis avec vous, et tu ne m'as pas connu, Philippe! Celui qui m'a vu a vu le Père; comment dis-tu: Montre-nous le Père? 10 Ne crois-tu pas que je suis dans le Père, et que le Père est en moi? Les paroles que je vous dis, je ne les dis pas de moi-même; et le Père qui demeure en moi, c'est lui qui fait les oeuvres. 11 Croyez-moi, je suis dans le Père, et le Père est en moi; croyez du moins à cause de ces oeuvres. 12 En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui croit en moi fera aussi les oeuvres que je fais, et il en fera de plus grandes, parce que je m'en vais au Père; 13 et tout ce que vous demanderez en mon nom, je le ferai, afin que le Père soit glorifié dans le Fils. 14 Si vous demandez quelque chose en mon nom, je le ferai. 15 Si vous m'aimez, gardez mes commandements. 16 Et moi, je prierai le Père, et il vous donnera un autre consolateur, afin qu'il demeure éternellement avec vous, 17 l'Esprit de vérité, que le monde ne peut recevoir, parce qu'il ne le voit point et ne le connaît point; mais vous, vous le connaissez, car il demeure avec vous, et il sera en vous. 18 Je ne vous laisserai pas orphelins, je viendrai à vous. 19 Encore un peu de temps, et le monde ne me verra plus; mais vous, vous me verrez, car je vis, et vous vivrez aussi. 20 En ce jour-là, vous connaîtrez que je suis en mon Père, que vous êtes en moi, et que je suis en vous. 21 Celui qui a mes commandements et qui les garde, c'est celui qui m'aime; et celui qui m'aime sera aimé de mon Père, je l'aimerai, et je me ferai connaître à lui. 22 Jude, non pas l'Iscariot, lui dit: Seigneur, d'où vient que tu te feras connaître à nous, et non au monde? 23 Jésus lui répondit: Si quelqu'un m'aime, il gardera ma parole, et mon Père l'aimera; nous viendrons à lui, et nous ferons notre demeure chez lui. 24 Celui qui ne m'aime pas ne garde point mes paroles. Et la parole que vous entendez n'est pas de moi, mais du Père qui m'a envoyé. 25 Je vous ai dit ces choses pendant que je demeure avec vous. 26 Mais le consolateur, l'Esprit-Saint, que le Père enverra en mon nom, vous enseignera toutes choses, et vous rappellera tout ce que je vous ai dit. 27 Je vous laisse la paix, je vous donne ma paix. Je ne vous donne pas comme le monde donne. Que votre coeur ne se trouble point, et ne s'alarme point. 28 Vous avez entendu que je vous ai dit: Je m'en vais, et je reviens vers vous. Si vous m'aimiez, vous vous réjouiriez de ce que je vais au Père; car le Père est plus grand que moi. 29 Et maintenant je vous ai dit ces choses avant qu'elles arrivent, afin que, lorsqu'elles arriveront, vous croyiez. 30 Je ne parlerai plus guère avec vous; car le prince du monde vient. Il n'a rien en moi; 31 mais afin que le monde sache que j'aime le Père, et que j'agis selon l'ordre que le Père m'a donné, levez-vous, partons d'ici.
| |