| Chapitre 13 1 Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany. 2 Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy, 3 sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany, 4 dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany; 5 ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany. 6 Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro? 7 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay. 8 Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko. 9 Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa. 10 Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra. 11 Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra. 12 Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo? 13 Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. 14 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. 15 Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. 16 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. 17 Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany. 18 Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko* no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9). [*Na: miara-komana amiko] 19 Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy. 20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy. 21 Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy. 22 Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy. 23 Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy. 24 Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy. 25 Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany? 26 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota. 27 Ary manaraka izany no nidiran'i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana. 28 Fa tsy nisy tamin'izay nipetraka nihinana nahalala ny anton'ny nilazany izany taminy. 29 Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo. 30 Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro. 31 Ary tamin'izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak'olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy. 32 Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin'ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin'izay Izy. 33 Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny. 34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. 35 Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia. 36 Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay. 37 Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao. 38 Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo. | | Chapitre 13 Now before the feast of the Passover, Jesus, knowing that his time had come that he would depart from this world to the Father, having loved his own who were in the world, he loved them to the end. 13:2 During supper, the devil having already put into the heart of Judas Iscariot, Simon’s son, to betray him, 13:3 Jesus, knowing that the Father had given all things into his hands, and that he came forth from God, and was going to God, 13:4 arose from supper, and laid aside his outer garments. He took a towel, and wrapped a towel around his waist. 13:5 Then he poured water into the basin, and began to wash the disciples’ feet, and to wipe them with the towel that was wrapped around him. 13:6 Then he came to Simon Peter. He said to him, “Lord, do you wash my feet?” 13:7 Jesus answered him, “You don’t know what I am doing now, but you will understand later.” 13:8 Peter said to him, “You will never wash my feet!” Jesus answered him, “If I don’t wash you, you have no part with me.” 13:9 Simon Peter said to him, “Lord, not my feet only, but also my hands and my head!” 13:10 Jesus said to him, “Someone who has bathed only needs to have his feet washed, but is completely clean. You are clean, but not all of you.” 13:11 For he knew him who would betray him, therefore he said, “You are not all clean.” 13:12 So when he had washed their feet, put his outer garment back on, and sat down again, he said to them, “Do you know what I have done to you? 13:13 You call me, ‘Teacher’ and ‘Lord.’ You say so correctly, for so I am. 13:14 If I then, the Lord and the Teacher, have washed your feet, you also ought to wash one another’s feet. 13:15 For I have given you an example, that you also should do as I have done to you. 13:16 Most certainly I tell you, a servant is not greater than his lord, neither one who is sent greater than he who sent him. 13:17 If you know these things, blessed are you if you do them. 13:18 I don’t speak concerning all of you. I know whom I have chosen. But that the Scripture may be fulfilled, ‘He who eats bread with me has lifted up his heel against me.’* 13:19 From now on, I tell you before it happens, that when it happens, you may believe that I am he. 13:20 Most certainly I tell you, he who receives whomever I send, receives me; and he who receives me, receives him who sent me.” 13:21 When Jesus had said this, he was troubled in spirit, and testified, “Most certainly I tell you that one of you will betray me.” 13:22 The disciples looked at one another, perplexed about whom he spoke. 13:23 One of his disciples, whom Jesus loved, was at the table, leaning against Jesus’ breast. 13:24 Simon Peter therefore beckoned to him, and said to him, “Tell us who it is of whom he speaks.” 13:25 He, leaning back, as he was, on Jesus’ breast, asked him, “Lord, who is it?” 13:26 Jesus therefore answered, “It is he to whom I will give this piece of bread when I have dipped it.” So when he had dipped the piece of bread, he gave it to Judas, the son of Simon Iscariot. 13:27 After the piece of bread, then Satan entered into him. Then Jesus said to him, “What you do, do quickly.” 13:28 Now no man at the table knew why he said this to him. 13:29 For some thought, because Judas had the money box, that Jesus said to him, “Buy what things we need for the feast,” or that he should give something to the poor. 13:30 Therefore having received that morsel, he went out immediately. It was night. 13:31 When he had gone out, Jesus said, “Now the Son of Man has been glorified, and God has been glorified in him. 13:32 If God has been glorified in him, God will also glorify him in himself, and he will glorify him immediately. 13:33 Little children, I will be with you a little while longer. You will seek me, and as I said to the Jews, ‘Where I am going, you can’t come,’ so now I tell you. 13:34 A new commandment I give to you, that you love one another, just like I have loved you; that you also love one another. 13:35 By this everyone will know that you are my disciples, if you have love for one another.” 13:36 Simon Peter said to him, “Lord, where are you going?” Jesus answered, “Where I am going, you can’t follow now, but you will follow afterwards.” 13:37 Peter said to him, “Lord, why can’t I follow you now? I will lay down my life for you.” 13:38 Jesus answered him, “Will you lay down your life for me? Most certainly I tell you, the rooster won’t crow until you have denied me three times.
| | Chapitre 13 1 Avant la fête de Pâque, Jésus, sachant que son heure était venue de passer de ce monde au Père, et ayant aimé les siens qui étaient dans le monde, mit le comble à son amour pour eux. 2 Pendant le souper, lorsque le diable avait déjà inspiré au coeur de Judas Iscariot, fils de Simon, le dessein de le livrer, 3 Jésus, qui savait que le Père avait remis toutes choses entre ses mains, qu'il était venu de Dieu, et qu'il s'en allait à Dieu, 4 se leva de table, ôta ses vêtements, et prit un linge, dont il se ceignit. 5 Ensuite il versa de l'eau dans un bassin, et il se mit à laver les pieds des disciples, et à les essuyer avec le linge dont il était ceint. 6 Il vint donc à Simon Pierre; et Pierre lui dit: Toi, Seigneur, tu me laves les pieds! 7 Jésus lui répondit: Ce que je fais, tu ne le comprends pas maintenant, mais tu le comprendras bientôt. 8 Pierre lui dit: Non, jamais tu ne me laveras les pieds. Jésus lui répondit: Si je ne te lave, tu n'auras point de part avec moi. 9 Simon Pierre lui dit: Seigneur, non seulement les pieds, mais encore les mains et la tête. 10 Jésus lui dit: Celui qui est lavé n'a besoin que de se laver les pieds pour être entièrement pur; et vous êtes purs, mais non pas tous. 11 Car il connaissait celui qui le livrait; c'est pourquoi il dit: Vous n'êtes pas tous purs. 12 Après qu'il leur eut lavé les pieds, et qu'il eut pris ses vêtements, il se remit à table, et leur dit: Comprenez-vous ce que je vous ai fait? 13 Vous m'appelez Maître et Seigneur; et vous dites bien, car je le suis. 14 Si donc je vous ai lavé les pieds, moi, le Seigneur et le Maître, vous devez aussi vous laver les pieds les uns aux autres; 15 car je vous ai donné un exemple, afin que vous fassiez comme je vous ai fait. 16 En vérité, en vérité, je vous le dis, le serviteur n'est pas plus grand que son seigneur, ni l'apôtre plus grand que celui qui l'a envoyé. 17 Si vous savez ces choses, vous êtes heureux, pourvu que vous les pratiquiez. 18 Ce n'est pas de vous tous que je parle; je connais ceux que j'ai choisis. Mais il faut que l'Écriture s'accomplisse: Celui qui mange avec moi le pain A levé son talon contre moi. 19 Dès à présent je vous le dis, avant que la chose arrive, afin que, lorsqu'elle arrivera, vous croyiez à ce que je suis. 20 En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui reçoit celui que j'aurai envoyé me reçoit, et celui qui me reçoit, reçoit celui qui m'a envoyé. 21 Ayant ainsi parlé, Jésus fut troublé en son esprit, et il dit expressément: En vérité, en vérité, je vous le dis, l'un de vous me livrera. 22 Les disciples se regardaient les uns les autres, ne sachant de qui il parlait. 23 Un des disciples, celui que Jésus aimait, était couché sur le sein de Jésus. 24 Simon Pierre lui fit signe de demander qui était celui dont parlait Jésus. 25 Et ce disciple, s'étant penché sur la poitrine de Jésus, lui dit: Seigneur, qui est-ce? 26 Jésus répondit: C'est celui à qui je donnerai le morceau trempé. Et, ayant trempé le morceau, il le donna à Judas, fils de Simon, l'Iscariot. 27 Dès que le morceau fut donné, Satan entra dans Judas. Jésus lui dit: Ce que tu fais, fais-le promptement. 28 Mais aucun de ceux qui étaient à table ne comprit pourquoi il lui disait cela; 29 car quelques-uns pensaient que, comme Judas avait la bourse, Jésus voulait lui dire: Achète ce dont nous avons besoin pour la fête, ou qu'il lui commandait de donner quelque chose aux pauvres. 30 Judas, ayant pris le morceau, se hâta de sortir. Il était nuit. 31 Lorsque Judas fut sorti, Jésus dit: Maintenant, le Fils de l'homme a été glorifié, et Dieu a été glorifié en lui. 32 Si Dieu a été glorifié en lui, Dieu aussi le glorifiera en lui-même, et il le glorifiera bientôt. 33 Mes petits enfants, je suis pour peu de temps encore avec vous. Vous me chercherez; et, comme j'ai dit aux Juifs: Vous ne pouvez venir où je vais, je vous le dis aussi maintenant. 34 Je vous donne un commandement nouveau: Aimez-vous les uns les autres; comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres. 35 A ceci tous connaîtront que vous êtes mes disciples, si vous avez de l'amour les uns pour les autres. 36 Simon Pierre lui dit: Seigneur, où vas-tu? Jésus répondit: Tu ne peux pas maintenant me suivre où je vais, mais tu me suivras plus tard. 37 Seigneur, lui dit Pierre, pourquoi ne puis-je pas te suivre maintenant? Je donnerai ma vie pour toi. 38 Jésus répondit: Tu donneras ta vie pour moi! En vérité, en vérité, je te le dis, le coq ne chantera pas que tu ne m'aies renié trois fois.
| |