T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny.

2 Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.

3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.

4 Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra.

5 Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.

6 Koa nony ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay nitoerany ihany Izy.

7 Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin'ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.

8 Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?

9 Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.

10 Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.

11 Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.

12 Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany*. [*Gr. hovonjena]

13 Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy.

14 Ary tamin'izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;

15 ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.

16 Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.

17 Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.

18 Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadio* no elanelany. [*Na: telo kilometatra]

19 Ary maro tamin'ny Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin'ny anadahiny.

20 Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.

21 Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.

22 Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.

23 Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.

24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany;

25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.

26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?

27 Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.

28 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.

29 Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.

30 Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany.

31 Ary ny Jiosy izay tao amin'i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy.

32 Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.

33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;

34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.

35 Jesosy nitomany.

36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy!

37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?

38 Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.

39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.

40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?

41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.

42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.

43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!

44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.

45 Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy.

46 Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.

47 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.

48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.

49 Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,

50 na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.

51 Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;

52 ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.

53 Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.

54 Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin'ny mpianatra.

55 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan'ny Paska mba hanadio ny tenany.

56 Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?

57 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.A

Chapitre 11

11:1 Now a certain man was sick, Lazarus from Bethany, of the village of Mary and her sister, Martha. 11:2 It was that Mary who had anointed the Lord with ointment, and wiped his feet with her hair, whose brother, Lazarus, was sick. 11:3 The sisters therefore sent to him, saying, “Lord, behold, he for whom you have great affection is sick.” 11:4 But when Jesus heard it, he said, “This sickness is not to death, but for the glory of God, that God’s Son may be glorified by it.” 11:5 Now Jesus loved Martha, and her sister, and Lazarus. 11:6 When therefore he heard that he was sick, he stayed two days in the place where he was. 11:7 Then after this he said to the disciples, “Let’s go into Judea again.”

11:8 The disciples told him, “Rabbi, the Jews were just trying to stone you, and are you going there again?”

11:9 Jesus answered, “Aren’t there twelve hours of daylight? If a man walks in the day, he doesn’t stumble, because he sees the light of this world. 11:10 But if a man walks in the night, he stumbles, because the light isn’t in him.” 11:11 He said these things, and after that, he said to them, “Our friend, Lazarus, has fallen asleep, but I am going so that I may awake him out of sleep.”

11:12 The disciples therefore said, “Lord, if he has fallen asleep, he will recover.”

11:13 Now Jesus had spoken of his death, but they thought that he spoke of taking rest in sleep. 11:14 So Jesus said to them plainly then, “Lazarus is dead. 11:15 I am glad for your sakes that I was not there, so that you may believe. Nevertheless, let’s go to him.”

11:16 Thomas therefore, who is called Didymus, said to his fellow disciples, “Let’s go also, that we may die with him.”

11:17 So when Jesus came, he found that he had been in the tomb four days already. 11:18 Now Bethany was near Jerusalem, about fifteen stadia away. 11:19 Many of the Jews had joined the women around Martha and Mary, to console them concerning their brother. 11:20 Then when Martha heard that Jesus was coming, she went and met him, but Mary stayed in the house. 11:21 Therefore Martha said to Jesus, “Lord, if you would have been here, my brother wouldn’t have died. 11:22 Even now I know that, whatever you ask of God, God will give you.” 11:23 Jesus said to her, “Your brother will rise again.”

11:24 Martha said to him, “I know that he will rise again in the resurrection at the last day.”

11:25 Jesus said to her, “I am the resurrection and the life. He who believes in me will still live, even if he dies. 11:26 Whoever lives and believes in me will never die. Do you believe this?”

11:27 She said to him, “Yes, Lord. I have come to believe that you are the Christ, God’s Son, he who comes into the world.”

11:28 When she had said this, she went away, and called Mary, her sister, secretly, saying, “The Teacher is here, and is calling you.”

11:29 When she heard this, she arose quickly, and went to him. 11:30 Now Jesus had not yet come into the village, but was in the place where Martha met him. 11:31 Then the Jews who were with her in the house, and were consoling her, when they saw Mary, that she rose up quickly and went out, followed her, saying, “She is going to the tomb to weep there.” 11:32 Therefore when Mary came to where Jesus was, and saw him, she fell down at his feet, saying to him, “Lord, if you would have been here, my brother wouldn’t have died.”

11:33 When Jesus therefore saw her weeping, and the Jews weeping who came with her, he groaned in the spirit, and was troubled, 11:34 and said, “Where have you laid him?”

They told him, “Lord, come and see.”

11:35 Jesus wept.

11:36 The Jews therefore said, “See how much affection he had for him!” 11:37 Some of them said, “Couldn’t this man, who opened the eyes of him who was blind, have also kept this man from dying?”

11:38 Jesus therefore, again groaning in himself, came to the tomb. Now it was a cave, and a stone lay against it. 11:39 Jesus said, “Take away the stone.”

Martha, the sister of him who was dead, said to him, “Lord, by this time there is a stench, for he has been dead four days.”

11:40 Jesus said to her, “Didn’t I tell you that if you believed, you would see God’s glory?”

11:41 So they took away the stone from the place where the dead man was lying. Jesus lifted up his eyes, and said, “Father, I thank you that you listened to me. 11:42 I know that you always listen to me, but because of the multitude that stands around I said this, that they may believe that you sent me.” 11:43 When he had said this, he cried with a loud voice, “Lazarus, come out!”

11:44 He who was dead came out, bound hand and foot with wrappings, and his face was wrapped around with a cloth.

Jesus said to them, “Free him, and let him go.”

11:45 Therefore many of the Jews, who came to Mary and saw what Jesus did, believed in him. 11:46 But some of them went away to the Pharisees, and told them the things which Jesus had done. 11:47 The chief priests therefore and the Pharisees gathered a council, and said, “What are we doing? For this man does many signs. 11:48 If we leave him alone like this, everyone will believe in him, and the Romans will come and take away both our place and our nation.”

11:49 But a certain one of them, Caiaphas, being high priest that year, said to them, “You know nothing at all, 11:50 nor do you consider that it is advantageous for us that one man should die for the people, and that the whole nation not perish.” 11:51 Now he didn’t say this of himself, but being high priest that year, he prophesied that Jesus would die for the nation, 11:52 and not for the nation only, but that he might also gather together into one the children of God who are scattered abroad. 11:53 So from that day forward they took counsel that they might put him to death. 11:54 Jesus therefore walked no more openly among the Jews, but departed from there into the country near the wilderness, to a city called Ephraim. He stayed there with his disciples.

11:55 Now the Passover of the Jews was at hand. Many went up from the country to Jerusalem before the Passover, to purify themselves. 11:56 Then they sought for Jesus and spoke one with another, as they stood in the temple, “What do you think—that he isn’t coming to the feast at all?” 11:57 Now the chief priests and the Pharisees had commanded that if anyone knew where he was, he should report it, that they might seize him.

 

Chapitre 11
1 Il y avait un homme malade, Lazare, de Béthanie, village de Marie et de Marthe, sa soeur. 2 C'était cette Marie qui oignit de parfum le Seigneur et qui lui essuya les pieds avec ses cheveux, et c'était son frère Lazare qui était malade. 3 Les soeurs envoyèrent dire à Jésus: Seigneur, voici, celui que tu aimes est malade. 4 Après avoir entendu cela, Jésus dit: Cette maladie n'est point à la mort; mais elle est pour la gloire de Dieu, afin que le Fils de Dieu soit glorifié par elle. 5 Or, Jésus aimait Marthe, et sa soeur, et Lazare. 6 Lors donc qu'il eut appris que Lazare était malade, il resta deux jours encore dans le lieu où il était, 7 et il dit ensuite aux disciples: Retournons en Judée. 8 Les disciples lui dirent: Rabbi, les Juifs tout récemment cherchaient à te lapider, et tu retournes en Judée! 9 Jésus répondit: N'y a-t-il pas douze heures au jour? Si quelqu'un marche pendant le jour, il ne bronche point, parce qu'il voit la lumière de ce monde; 10 mais, si quelqu'un marche pendant la nuit, il bronche, parce que la lumière n'est pas en lui. 11 Après ces paroles, il leur dit: Lazare, notre ami, dort; mais je vais le réveiller. 12 Les disciples lui dirent: Seigneur, s'il dort, il sera guéri. 13 Jésus avait parlé de sa mort, mais ils crurent qu'il parlait de l'assoupissement du sommeil. 14 Alors Jésus leur dit ouvertement: Lazare est mort. 15 Et, à cause de vous, afin que vous croyiez, je me réjouis de ce que je n'étais pas là. Mais allons vers lui. 16 Sur quoi Thomas, appelé Didyme, dit aux autres disciples: Allons aussi, afin de mourir avec lui. 17 Jésus, étant arrivé, trouva que Lazare était déjà depuis quatre jours dans le sépulcre. 18 Et, comme Béthanie était près de Jérusalem, à quinze stades environ, 19 beaucoup de Juifs étaient venus vers Marthe et Marie, pour les consoler de la mort de leur frère. 20 Lorsque Marthe apprit que Jésus arrivait, elle alla au-devant de lui, tandis que Marie se tenait assise à la maison. 21 Marthe dit à Jésus: Seigneur, si tu eusses été ici, mon frère ne serait pas mort. 22 Mais, maintenant même, je sais que tout ce que tu demanderas à Dieu, Dieu te l'accordera. 23 Jésus lui dit: Ton frère ressuscitera. 24 Je sais, lui répondit Marthe, qu'il ressuscitera à la résurrection, au dernier jour. 25 Jésus lui dit: Je suis la résurrection et la vie. Celui qui croit en moi vivra, quand même il serait mort; 26 et quiconque vit et croit en moi ne mourra jamais. Crois-tu cela? 27 Elle lui dit: Oui, Seigneur, je crois que tu es le Christ, le Fils de Dieu, qui devait venir dans le monde. 28 Ayant ainsi parlé, elle s'en alla. Puis elle appela secrètement Marie, sa soeur, et lui dit: Le maître est ici, et il te demande. 29 Dès que Marie eut entendu, elle se leva promptement, et alla vers lui. 30 Car Jésus n'était pas encore entré dans le village, mais il était dans le lieu où Marthe l'avait rencontré. 31 Les Juifs qui étaient avec Marie dans la maison et qui la consolaient, l'ayant vue se lever promptement et sortir, la suivirent, disant: Elle va au sépulcre, pour y pleurer. 32 Lorsque Marie fut arrivée là où était Jésus, et qu'elle le vit, elle tomba à ses pieds, et lui dit: Seigneur, si tu eusses été ici, mon frère ne serait pas mort. 33 Jésus, la voyant pleurer, elle et les Juifs qui étaient venus avec elle, frémit en son esprit, et fut tout ému. 34 Et il dit: Où l'avez-vous mis? Seigneur, lui répondirent-ils, viens et vois. 35 Jésus pleura. 36 Sur quoi les Juifs dirent: Voyez comme il l'aimait. 37 Et quelques-uns d'entre eux dirent: Lui qui a ouvert les yeux de l'aveugle, ne pouvait-il pas faire aussi que cet homme ne mourût point? 38 Jésus frémissant de nouveau en lui-même, se rendit au sépulcre. C'était une grotte, et une pierre était placée devant. 39 Jésus dit: Otez la pierre. Marthe, la soeur du mort, lui dit: Seigneur, il sent déjà, car il y a quatre jours qu'il est là. 40 Jésus lui dit: Ne t'ai-je pas dit que, si tu crois, tu verras la gloire de Dieu? 41 Ils ôtèrent donc la pierre. Et Jésus leva les yeux en haut, et dit: Père, je te rends grâces de ce que tu m'as exaucé. 42 Pour moi, je savais que tu m'exauces toujours; mais j'ai parlé à cause de la foule qui m'entoure, afin qu'ils croient que c'est toi qui m'as envoyé. 43 Ayant dit cela, il cria d'une voix forte: Lazare, sors! 44 Et le mort sortit, les pieds et les mains liés de bandes, et le visage enveloppé d'un linge. Jésus leur dit: Déliez-le, et laissez-le aller. 45 Plusieurs des Juifs qui étaient venus vers Marie, et qui virent ce que fit Jésus, crurent en lui. 46 Mais quelques-uns d'entre eux allèrent trouver les pharisiens, et leur dirent ce que Jésus avait fait. 47 Alors les principaux sacrificateurs et les pharisiens assemblèrent le sanhédrin, et dirent: Que ferons-nous? Car cet homme fait beaucoup de miracles. 48 Si nous le laissons faire, tous croiront en lui, et les Romains viendront détruire et notre ville et notre nation. 49 L'un d'eux, Caïphe, qui était souverain sacrificateur cette année-là, leur dit: Vous n'y entendez rien; 50 vous ne réfléchissez pas qu'il est dans votre intérêt qu'un seul homme meure pour le peuple, et que la nation entière ne périsse pas. 51 Or, il ne dit pas cela de lui-même; mais étant souverain sacrificateur cette année-là, il prophétisa que Jésus devait mourir pour la nation. 52 Et ce n'était pas pour la nation seulement; c'était aussi afin de réunir en un seul corps les enfants de Dieu dispersés. 53 Dès ce jour, ils résolurent de le faire mourir. 54 C'est pourquoi Jésus ne se montra plus ouvertement parmi les Juifs; mais il se retira dans la contrée voisine du désert, dans une ville appelée Éphraïm; et là il demeurait avec ses disciples. 55 La Pâque des Juifs était proche. Et beaucoup de gens du pays montèrent à Jérusalem avant la Pâque, pour se purifier. 56 Ils cherchaient Jésus, et ils se disaient les uns aux autres dans le temple: Que vous en semble? Ne viendra-t-il pas à la fête? 57 Or, les principaux sacrificateurs et les pharisiens avaient donné l'ordre que, si quelqu'un savait où il était, il le déclarât, afin qu'on se saisît de lui.