T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 10

1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.

2 Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.

3 Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.

4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.

5 Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny.

6 Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.

7 Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry.

8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.

9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.

10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.

11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.

12 Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia* avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia* misambotra ny ondry ka mampihahaka azy; [*lopa]

13 mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.

14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,

15 dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.

16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.

17 Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.

18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.

19 Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.

20 Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?

21 Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?

22 Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.

23 Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona.

24 Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.

25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.

26 Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.

27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,

28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako.

29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray.

30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.

32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?

33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy*, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. [*Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3]

34 Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6).

35 Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana),

36 moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?

37 Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.

38 Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.

39 Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy* Izy. [*Gr. Ny tànany]

40 Dia lasa nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.

41 Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa.

42 Ary maro no nino Azy teo.

 

Chapitre 10

10:1 “Most certainly, I tell you, one who doesn’t enter by the door into the sheep fold, but climbs up some other way, the same is a thief and a robber. 10:2 But one who enters in by the door is the shepherd of the sheep. 10:3 The gatekeeper opens the gate for him, and the sheep listen to his voice. He calls his own sheep by name, and leads them out. 10:4 Whenever he brings out his own sheep, he goes before them, and the sheep follow him, for they know his voice. 10:5 They will by no means follow a stranger, but will flee from him; for they don’t know the voice of strangers.” 10:6 Jesus spoke this parable to them, but they didn’t understand what he was telling them.

10:7 Jesus therefore said to them again, “Most certainly, I tell you, I am the sheep’s door. 10:8 All who came before me are thieves and robbers, but the sheep didn’t listen to them. 10:9 I am the door. If anyone enters in by me, he will be saved, and will go in and go out, and will find pasture. 10:10 The thief only comes to steal, kill, and destroy. I came that they may have life, and may have it abundantly. 10:11 I am the good shepherd.* The good shepherd lays down his life for the sheep. 10:12 He who is a hired hand, and not a shepherd, who doesn’t own the sheep, sees the wolf coming, leaves the sheep, and flees. The wolf snatches the sheep, and scatters them. 10:13 The hired hand flees because he is a hired hand, and doesn’t care for the sheep. 10:14 I am the good shepherd. I know my own, and I’m known by my own; 10:15 even as the Father knows me, and I know the Father. I lay down my life for the sheep. 10:16 I have other sheep, which are not of this fold.* I must bring them also, and they will hear my voice. They will become one flock with one shepherd. 10:17 Therefore the Father loves me, because I lay down my life,* that I may take it again. 10:18 No one takes it away from me, but I lay it down by myself. I have power to lay it down, and I have power to take it again. I received this commandment from my Father.”

10:19 Therefore a division arose again among the Jews because of these words. 10:20 Many of them said, “He has a demon, and is insane! Why do you listen to him?” 10:21 Others said, “These are not the sayings of one possessed by a demon. It isn’t possible for a demon to open the eyes of the blind, is it?”*

10:22 It was the Feast of the Dedication at Jerusalem. 10:23 It was winter, and Jesus was walking in the temple, in Solomon’s porch. 10:24 The Jews therefore came around him and said to him, “How long will you hold us in suspense? If you are the Christ, tell us plainly.”

10:25 Jesus answered them, “I told you, and you don’t believe. The works that I do in my Father’s name, these testify about me. 10:26 But you don’t believe, because you are not of my sheep, as I told you. 10:27 My sheep hear my voice, and I know them, and they follow me. 10:28 I give eternal life to them. They will never perish, and no one will snatch them out of my hand. 10:29 My Father, who has given them to me, is greater than all. No one is able to snatch them out of my Father’s hand. 10:30 I and the Father are one.”

10:31 Therefore Jews took up stones again to stone him. 10:32 Jesus answered them, “I have shown you many good works from my Father. For which of those works do you stone me?”

10:33 The Jews answered him, “We don’t stone you for a good work, but for blasphemy: because you, being a man, make yourself God.”

10:34 Jesus answered them, “Isn’t it written in your law, ‘I said, you are gods?’* 10:35 If he called them gods, to whom the word of God came (and the Scripture can’t be broken), 10:36 do you say of him whom the Father sanctified and sent into the world, ‘You blaspheme,’ because I said, ‘I am the Son of God?’ 10:37 If I don’t do the works of my Father, don’t believe me. 10:38 But if I do them, though you don’t believe me, believe the works; that you may know and believe that the Father is in me, and I in the Father.”

10:39 They sought again to seize him, and he went out of their hand. 10:40 He went away again beyond the Jordan into the place where John was baptizing at first, and there he stayed. 10:41 Many came to him. They said, “John indeed did no sign, but everything that John said about this man is true.” 10:42 Many believed in him there.

 

Chapitre 10
1 En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui n'entre pas par la porte dans la bergerie, mais qui y monte par ailleurs, est un voleur et un brigand. 2 Mais celui qui entre par la porte est le berger des brebis. 3 Le portier lui ouvre, et les brebis entendent sa voix; il appelle par leur nom les brebis qui lui appartiennent, et il les conduit dehors. 4 Lorsqu'il a fait sortir toutes ses propres brebis, il marche devant elles; et les brebis le suivent, parce qu'elles connaissent sa voix. 5 Elles ne suivront point un étranger; mais elles fuiront loin de lui, parce qu'elles ne connaissent pas la voix des étrangers. 6 Jésus leur dit cette parabole, mais ils ne comprirent pas de quoi il leur parlait. 7 Jésus leur dit encore: En vérité, en vérité, je vous le dis, je suis la porte des brebis. 8 Tous ceux qui sont venus avant moi sont des voleurs et des brigands; mais les brebis ne les ont point écoutés. 9 Je suis la porte. Si quelqu'un entre par moi, il sera sauvé; il entrera et il sortira, et il trouvera des pâturages. 10 Le voleur ne vient que pour dérober, égorger et détruire; moi, je suis venu afin que les brebis aient la vie, et qu'elles soient dans l'abondance. 11 Je suis le bon berger. Le bon berger donne sa vie pour ses brebis. 12 Mais le mercenaire, qui n'est pas le berger, et à qui n'appartiennent pas les brebis, voit venir le loup, abandonne les brebis, et prend la fuite; et le loup les ravit et les disperse. 13 Le mercenaire s'enfuit, parce qu'il est mercenaire, et qu'il ne se met point en peine des brebis. 14 (10:13) Je suis le bon berger. (10:14) Je connais mes brebis, et elles me connaissent, 15 comme le Père me connaît et comme je connais le Père; et je donne ma vie pour mes brebis. 16 J'ai encore d'autres brebis, qui ne sont pas de cette bergerie; celles-là, il faut que je les amène; elles entendront ma voix, et il y aura un seul troupeau, un seul berger. 17 Le Père m'aime, parce que je donne ma vie, afin de la reprendre. 18 Personne ne me l'ôte, mais je la donne de moi-même; j'ai le pouvoir de la donner, et j'ai le pouvoir de la reprendre: tel est l'ordre que j'ai reçu de mon Père. 19 Il y eut de nouveau, à cause de ces paroles, division parmi les Juifs. 20 Plusieurs d'entre eux disaient: Il a un démon, il est fou; pourquoi l'écoutez-vous? 21 D'autres disaient: Ce ne sont pas les paroles d'un démoniaque; un démon peut-il ouvrir les yeux des aveugles? 22 On célébrait à Jérusalem la fête de la Dédicace. C'était l'hiver. 23 Et Jésus se promenait dans le temple, sous le portique de Salomon. 24 Les Juifs l'entourèrent, et lui dirent: Jusques à quand tiendras-tu notre esprit en suspens? Si tu es le Christ, dis-le nous franchement. 25 Jésus leur répondit: Je vous l'ai dit, et vous ne croyez pas. Les oeuvres que je fais au nom de mon Père rendent témoignage de moi. 26 Mais vous ne croyez pas, parce que vous n'êtes pas de mes brebis. 27 Mes brebis entendent ma voix; je les connais, et elles me suivent. 28 Je leur donne la vie éternelle; et elles ne périront jamais, et personne ne les ravira de ma main. 29 Mon Père, qui me les a données, est plus grand que tous; et personne ne peut les ravir de la main de mon Père. 30 Moi et le Père nous sommes un. 31 Alors les Juifs prirent de nouveau des pierres pour le lapider. 32 Jésus leur dit: Je vous ai fait voir plusieurs bonnes oeuvres venant de mon Père: pour laquelle me lapidez-vous? 33 Les Juifs lui répondirent: Ce n'est point pour une bonne oeuvre que nous te lapidons, mais pour un blasphème, et parce que toi, qui es un homme, tu te fais Dieu. 34 Jésus leur répondit: N'est-il pas écrit dans votre loi: J'ai dit: Vous êtes des dieux? 35 Si elle a appelé dieux ceux à qui la parole de Dieu a été adressée, et si l'Écriture ne peut être anéantie, 36 celui que le Père a sanctifié et envoyé dans le monde, vous lui dites: Tu blasphèmes! Et cela parce que j'ai dit: Je suis le Fils de Dieu. 37 Si je ne fais pas les oeuvres de mon Père, ne me croyez pas. 38 Mais si je les fais, quand même vous ne me croyez point, croyez à ces oeuvres, afin que vous sachiez et reconnaissiez que le Père est en moi et que je suis dans le Père. 39 Là-dessus, ils cherchèrent encore à le saisir, mais il s'échappa de leurs mains. 40 Jésus s'en alla de nouveau au delà du Jourdain, dans le lieu où Jean avait d'abord baptisé. Et il y demeura. 41 Beaucoup de gens vinrent à lui, et ils disaient: Jean n'a fait aucun miracle; mais tout ce que Jean a dit de cet homme était vrai. 42 Et, dans ce lieu-là, plusieurs crurent en lui.