T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.

2 Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely,

3 ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;

4 fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary*; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. [*Na: mitady ho hita fa matoky]

5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.

6 Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.

7 Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.

8 Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.

9 Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.

10 Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.

11 Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?

12 Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.

13 Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.

14 Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra.

15 Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?

16 Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.

17 Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.

18 Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.

19 Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?

20 Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?

21 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.

22 Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.

23 Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata.

24 Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.

25 Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?

26 Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?

27 Nefa fantatsika izay nihavian'ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.

28 Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.

29 Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.

30 Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

31 Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy?

32 Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.

33 Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho.

34 Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.

35 Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?

36 Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?

37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.

39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina]

40 Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.

41 Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy?

42 Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)?

43 Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka.

44 Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.

45 Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?

46 Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.

47 Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?

48 Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?

49 Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.

50 Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:

51 Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?

52 Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.

53 [Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;]

 

Chapitre 7

7:1 After these things, Jesus was walking in Galilee, for he wouldn’t walk in Judea, because the Jews sought to kill him. 7:2 Now the feast of the Jews, the Feast of Booths, was at hand. 7:3 His brothers therefore said to him, “Depart from here, and go into Judea, that your disciples also may see your works which you do. 7:4 For no one does anything in secret, and himself seeks to be known openly. If you do these things, reveal yourself to the world.” 7:5 For even his brothers didn’t believe in him.

7:6 Jesus therefore said to them, “My time has not yet come, but your time is always ready. 7:7 The world can’t hate you, but it hates me, because I testify about it, that its works are evil. 7:8 You go up to the feast. I am not yet going up to this feast, because my time is not yet fulfilled.”

7:9 Having said these things to them, he stayed in Galilee. 7:10 But when his brothers had gone up to the feast, then he also went up, not publicly, but as it were in secret. 7:11 The Jews therefore sought him at the feast, and said, “Where is he?” 7:12 There was much murmuring among the multitudes concerning him. Some said, “He is a good man.” Others said, “Not so, but he leads the multitude astray.” 7:13 Yet no one spoke openly of him for fear of the Jews. 7:14 But when it was now the midst of the feast, Jesus went up into the temple and taught. 7:15 The Jews therefore marveled, saying, “How does this man know letters, having never been educated?”

7:16 Jesus therefore answered them, “My teaching is not mine, but his who sent me. 7:17 If anyone desires to do his will, he will know about the teaching, whether it is from God, or if I am speaking from myself. 7:18 He who speaks from himself seeks his own glory, but he who seeks the glory of him who sent him is true, and no unrighteousness is in him. 7:19 Didn’t Moses give you the law, and yet none of you keeps the law? Why do you seek to kill me?”

7:20 The multitude answered, “You have a demon! Who seeks to kill you?”

7:21 Jesus answered them, “I did one work, and you all marvel because of it. 7:22 Moses has given you circumcision (not that it is of Moses, but of the fathers), and on the Sabbath you circumcise a boy. 7:23 If a boy receives circumcision on the Sabbath, that the law of Moses may not be broken, are you angry with me, because I made a man completely healthy on the Sabbath? 7:24 Don’t judge according to appearance, but judge righteous judgment.”

7:25 Therefore some of them of Jerusalem said, “Isn’t this he whom they seek to kill? 7:26 Behold, he speaks openly, and they say nothing to him. Can it be that the rulers indeed know that this is truly the Christ? 7:27 However we know where this man comes from, but when the Christ comes, no one will know where he comes from.”

7:28 Jesus therefore cried out in the temple, teaching and saying, “You both know me, and know where I am from. I have not come of myself, but he who sent me is true, whom you don’t know. 7:29 I know him, because I am from him, and he sent me.”

7:30 They sought therefore to take him; but no one laid a hand on him, because his hour had not yet come. 7:31 But of the multitude, many believed in him. They said, “When the Christ comes, he won’t do more signs than those which this man has done, will he?” 7:32 The Pharisees heard the multitude murmuring these things concerning him, and the chief priests and the Pharisees sent officers to arrest him.

7:33 Then Jesus said, “I will be with you a little while longer, then I go to him who sent me. 7:34 You will seek me, and won’t find me; and where I am, you can’t come.”

7:35 The Jews therefore said among themselves, “Where will this man go that we won’t find him? Will he go to the Dispersion among the Greeks, and teach the Greeks? 7:36 What is this word that he said, ‘You will seek me, and won’t find me; and where I am, you can’t come’?”

7:37 Now on the last and greatest day of the feast, Jesus stood and cried out, “If anyone is thirsty, let him come to me and drink! 7:38 He who believes in me, as the Scripture has said, from within him will flow rivers of living water.” 7:39 But he said this about the Spirit, which those believing in him were to receive. For the Holy Spirit was not yet given, because Jesus wasn’t yet glorified.

7:40 Many of the multitude therefore, when they heard these words, said, “This is truly the prophet.” 7:41 Others said, “This is the Christ.” But some said, “What, does the Christ come out of Galilee? 7:42 Hasn’t the Scripture said that the Christ comes of the seed of David,* and from Bethlehem,* the village where David was?” 7:43 So there arose a division in the multitude because of him. 7:44 Some of them would have arrested him, but no one laid hands on him. 7:45 The officers therefore came to the chief priests and Pharisees, and they said to them, “Why didn’t you bring him?”

7:46 The officers answered, “No man ever spoke like this man!”

7:47 The Pharisees therefore answered them, “You aren’t also led astray, are you? 7:48 Have any of the rulers believed in him, or of the Pharisees? 7:49 But this multitude that doesn’t know the law is accursed.”

7:50 Nicodemus (he who came to him by night, being one of them) said to them, 7:51 “Does our law judge a man, unless it first hears from him personally and knows what he does?”

7:52 They answered him, “Are you also from Galilee? Search, and see that no prophet has arisen out of Galilee.*”

7:53 Everyone went to his own house,

 

Chapitre 7
1 Après cela, Jésus parcourait la Galilée, car il ne voulait pas séjourner en Judée, parce que les Juifs cherchaient à le faire mourir. 2 Or, la fête des Juifs, la fête des Tabernacles, était proche. 3 Et ses frères lui dirent: Pars d'ici, et va en Judée, afin que tes disciples voient aussi les oeuvres que tu fais. 4 Personne n'agit en secret, lorsqu'il désire paraître: si tu fais ces choses, montre-toi toi-même au monde. 5 Car ses frères non plus ne croyaient pas en lui. 6 Jésus leur dit: Mon temps n'est pas encore venu, mais votre temps est toujours prêt. 7 Le monde ne peut vous haïr; moi, il me hait, parce que je rends de lui le témoignage que ses oeuvres sont mauvaises. 8 Montez, vous, à cette fête; pour moi, je n'y monte point, parce que mon temps n'est pas encore accompli. 9 Après leur avoir dit cela, il resta en Galilée. 10 Lorsque ses frères furent montés à la fête, il y monta aussi lui-même, non publiquement, mais comme en secret. 11 Les Juifs le cherchaient pendant la fête, et disaient: Où est-il? 12 Il y avait dans la foule grande rumeur à son sujet. Les uns disaient: C'est un homme de bien. D'autres disaient: Non, il égare la multitude. 13 Personne, toutefois, ne parlait librement de lui, par crainte des Juifs. 14 Vers le milieu de la fête, Jésus monta au temple. Et il enseignait. 15 Les Juifs s'étonnaient, disant: Comment connaît-il les Écritures, lui qui n'a point étudié? 16 Jésus leur répondit: Ma doctrine n'est pas de moi, mais de celui qui m'a envoyé. 17 Si quelqu'un veut faire sa volonté, il connaîtra si ma doctrine est de Dieu, ou si je parle de mon chef. 18 Celui qui parle de son chef cherche sa propre gloire; mais celui qui cherche la gloire de celui qui l'a envoyé, celui-là est vrai, et il n'y a point d'injustice en lui. 19 Moïse ne vous a-t-il pas donné la loi? Et nul de vous n'observe la loi. Pourquoi cherchez-vous à me faire mourir? 20 La foule répondit: Tu as un démon. Qui est-ce qui cherche à te faire mourir? 21 Jésus leur répondit: J'ai fait une oeuvre, et vous en êtes tous étonnés. 22 Moïse vous a donné la circoncision, -non qu'elle vienne de Moïse, car elle vient des patriarches, -et vous circoncisez un homme le jour du sabbat. 23 Si un homme reçoit la circoncision le jour du sabbat, afin que la loi de Moïse ne soit pas violée, pourquoi vous irritez-vous contre moi de ce que j'ai guéri un homme tout entier le jour du sabbat? 24 Ne jugez pas selon l'apparence, mais jugez selon la justice. 25 Quelques habitants de Jérusalem disaient: N'est-ce pas là celui qu'ils cherchent à faire mourir? 26 Et voici, il parle librement, et ils ne lui disent rien! Est-ce que vraiment les chefs auraient reconnu qu'il est le Christ? 27 Cependant celui-ci, nous savons d'où il est; mais le Christ, quand il viendra, personne ne saura d'où il est. 28 Et Jésus, enseignant dans le temple, s'écria: Vous me connaissez, et vous savez d'où je suis! Je ne suis pas venu de moi-même: mais celui qui m'a envoyé est vrai, et vous ne le connaissez pas. 29 Moi, je le connais; car je viens de lui, et c'est lui qui m'a envoyé. 30 Ils cherchaient donc à se saisir de lui, et personne ne mit la main sur lui, parce que son heure n'était pas encore venue. 31 Plusieurs parmi la foule crurent en lui, et ils disaient: Le Christ, quand il viendra, fera-t-il plus de miracles que n'en a fait celui-ci? 32 Les pharisiens entendirent la foule murmurant de lui ces choses. Alors les principaux sacrificateurs et les pharisiens envoyèrent des huissiers pour le saisir. 33 Jésus dit: Je suis encore avec vous pour un peu de temps, puis je m'en vais vers celui qui m'a envoyé. 34 Vous me chercherez et vous ne me trouverez pas, et vous ne pouvez venir où je serai. 35 Sur quoi les Juifs dirent entre eux: Où ira-t-il, que nous ne le trouvions pas? Ira-t-il parmi ceux qui sont dispersés chez les Grecs, et enseignera-t-il les Grecs? 36 Que signifie cette parole qu'il a dite: Vous me chercherez et vous ne me trouverez pas, et vous ne pouvez venir où je serai? 37 Le dernier jour, le grand jour de la fête, Jésus, se tenant debout, s'écria: Si quelqu'un a soif, qu'il vienne à moi, et qu'il boive. 38 Celui qui croit en moi, des fleuves d'eau vive couleront de son sein, comme dit l'Écriture. 39 Il dit cela de l'Esprit que devaient recevoir ceux qui croiraient en lui; car l'Esprit n'était pas encore, parce que Jésus n'avait pas encore été glorifié. 40 Des gens de la foule, ayant entendu ces paroles, disaient: Celui-ci est vraiment le prophète. 41 D'autres disaient: C'est le Christ. Et d'autres disaient: Est-ce bien de la Galilée que doit venir le Christ? 42 L'Écriture ne dit-elle pas que c'est de la postérité de David, et du village de Bethléhem, où était David, que le Christ doit venir? 43 Il y eut donc, à cause de lui, division parmi la foule. 44 Quelques-uns d'entre eux voulaient le saisir, mais personne ne mit la main sur lui. 45 Ainsi les huissiers retournèrent vers les principaux sacrificateurs et les pharisiens. Et ceux-ci leur dirent: Pourquoi ne l'avez-vous pas amené? 46 Les huissiers répondirent: Jamais homme n'a parlé comme cet homme. 47 Les pharisiens leur répliquèrent: Est-ce que vous aussi, vous avez été séduits? 48 Y a-t-il quelqu'un des chefs ou des pharisiens qui ait cru en lui? 49 Mais cette foule qui ne connaît pas la loi, ce sont des maudits! 50 Nicodème, qui était venu de nuit vers Jésus, et qui était l'un d'entre eux, leur dit: 51 Notre loi condamne-t-elle un homme avant qu'on l'entende et qu'on sache ce qu'il a fait? 52 Ils lui répondirent: Es-tu aussi Galiléen? Examine, et tu verras que de la Galilée il ne sort point de prophète. 53 Et chacun s'en retourna dans sa maison.