| Chapitre 5 1 Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema. 2 Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy. 3 Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila*. [*Gr. efa maina, na malazo. Ampio hoe: [miandry ny fihetsehan'ny rano] 4 [Fa nisy anjely nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay iray niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana na inona na inona no aretina nanjo azy] 5 Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona. 6 Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao? 7 Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako. 8 Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana. 9 Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay. 10 Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao. 11 Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana. 12 Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana? 13 Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo. 14 Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo. 15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy. 16 Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy. 17 Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. 18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. 19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka. 20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo. 21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany. 22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy. 24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina*; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. [*Gr. hotsaraina] 25 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro* ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. [*Gr. ora] 26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy; 27 ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona. 28 Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro* izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; [*Gr. ora] 29 dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana ho fahamelohana*. [*Gr. ho fitsarana] 30 Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. 31 Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako. 32 Misy Anankiray Izay manambara Ahy. ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy. 33 Hianareo naniraka tany amin'i Jaona, ary nanambara ny marina izy. 34 Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin'olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo. 35 Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin'faharavany. 36 Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen'ny Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin'ny Ray. 37 Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny, 38 ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo. 39 Dinihinareo* ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. [*Na: Diniho] 40 Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana. 41 Tsy mandray laza avy amin'olona 42 Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao am-ponareo. 43 Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany izy. 44 Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo? 45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. 46 Fa raha mba nino an'i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. 47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?
| | Chapitre 5 5:1 After these things, there was a feast of the Jews, and Jesus went up to Jerusalem. 5:2 Now in Jerusalem by the sheep gate, there is a pool, which is called in Hebrew, “Bethesda,” having five porches. 5:3 In these lay a great multitude of those who were sick, blind, lame, or paralyzed, waiting for the moving of the water; 5:4 for an angel went down at certain times into the pool, and stirred up the water. Whoever stepped in first after the stirring of the water was made whole of whatever disease he had. 5:5 A certain man was there, who had been sick for thirty-eight years. 5:6 When Jesus saw him lying there, and knew that he had been sick for a long time, he asked him, “Do you want to be made well?” 5:7 The sick man answered him, “Sir, I have no one to put me into the pool when the water is stirred up, but while I’m coming, another steps down before me.” 5:8 Jesus said to him, “Arise, take up your mat, and walk.” 5:9 Immediately, the man was made well, and took up his mat and walked. Now it was the Sabbath on that day. 5:10 So the Jews said to him who was cured, “It is the Sabbath. It is not lawful for you to carry the mat.” 5:11 He answered them, “He who made me well, the same said to me, ‘Take up your mat, and walk.’” 5:12 Then they asked him, “Who is the man who said to you, ‘Take up your mat, and walk’?” 5:13 But he who was healed didn’t know who it was, for Jesus had withdrawn, a crowd being in the place. 5:14 Afterward Jesus found him in the temple, and said to him, “Behold, you are made well. Sin no more, so that nothing worse happens to you.” 5:15 The man went away, and told the Jews that it was Jesus who had made him well. 5:16 For this cause the Jews persecuted Jesus, and sought to kill him, because he did these things on the Sabbath. 5:17 But Jesus answered them, “My Father is still working, so I am working, too.” 5:18 For this cause therefore the Jews sought all the more to kill him, because he not only broke the Sabbath, but also called God his own Father, making himself equal with God. 5:19 Jesus therefore answered them, “Most certainly, I tell you, the Son can do nothing of himself, but what he sees the Father doing. For whatever things he does, these the Son also does likewise. 5:20 For the Father has affection for the Son, and shows him all things that he himself does. He will show him greater works than these, that you may marvel. 5:21 For as the Father raises the dead and gives them life, even so the Son also gives life to whom he desires. 5:22 For the Father judges no one, but he has given all judgment to the Son, 5:23 that all may honor the Son, even as they honor the Father. He who doesn’t honor the Son doesn’t honor the Father who sent him. 5:24 “Most certainly I tell you, he who hears my word, and believes him who sent me, has eternal life, and doesn’t come into judgment, but has passed out of death into life. 5:25 Most certainly, I tell you, the hour comes, and now is, when the dead will hear the Son of God’s voice; and those who hear will live. 5:26 For as the Father has life in himself, even so he gave to the Son also to have life in himself. 5:27 He also gave him authority to execute judgment, because he is a son of man. 5:28 Don’t marvel at this, for the hour comes, in which all that are in the tombs will hear his voice, 5:29 and will come out; those who have done good, to the resurrection of life; and those who have done evil, to the resurrection of judgment. 5:30 I can of myself do nothing. As I hear, I judge, and my judgment is righteous; because I don’t seek my own will, but the will of my Father who sent me. 5:31 “If I testify about myself, my witness is not valid. 5:32 It is another who testifies about me. I know that the testimony which he testifies about me is true. 5:33 You have sent to John, and he has testified to the truth. 5:34 But the testimony which I receive is not from man. However, I say these things that you may be saved. 5:35 He was the burning and shining lamp, and you were willing to rejoice for a while in his light. 5:36 But the testimony which I have is greater than that of John, for the works which the Father gave me to accomplish, the very works that I do, testify about me, that the Father has sent me. 5:37 The Father himself, who sent me, has testified about me. You have neither heard his voice at any time, nor seen his form. 5:38 You don’t have his word living in you; because you don’t believe him whom he sent. 5:39 “You search the Scriptures, because you think that in them you have eternal life; and these are they which testify about me. 5:40 Yet you will not come to me, that you may have life. 5:41 I don’t receive glory from men. 5:42 But I know you, that you don’t have God’s love in yourselves. 5:43 I have come in my Father’s name, and you don’t receive me. If another comes in his own name, you will receive him. 5:44 How can you believe, who receive glory from one another, and you don’t seek the glory that comes from the only God? 5:45 “Don’t think that I will accuse you to the Father. There is one who accuses you, even Moses, on whom you have set your hope. 5:46 For if you believed Moses, you would believe me; for he wrote about me. 5:47 But if you don’t believe his writings, how will you believe my words?”
| | Chapitre 5 1 Après cela, il y eut une fête des Juifs, et Jésus monta à Jérusalem. 2 Or, à Jérusalem, près de la porte des brebis, il y a une piscine qui s'appelle en hébreu Béthesda, et qui a cinq portiques. 3 Sous ces portiques étaient couchés en grand nombre des malades, des aveugles, des boiteux, des paralytiques, qui attendaient le mouvement de l'eau; 4 car un ange descendait de temps en temps dans la piscine, et agitait l'eau; et celui qui y descendait le premier après que l'eau avait été agitée était guéri, quelle que fût sa maladie. 5 Là se trouvait un homme malade depuis trente-huit ans. 6 Jésus, l'ayant vu couché, et sachant qu'il était malade depuis longtemps, lui dit: Veux-tu être guéri? 7 Le malade lui répondit: Seigneur, je n'ai personne pour me jeter dans la piscine quand l'eau est agitée, et, pendant que j'y vais, un autre descend avant moi. 8 Lève-toi, lui dit Jésus, prends ton lit, et marche. 9 Aussitôt cet homme fut guéri; il prit son lit, et marcha. (5:10) C'était un jour de sabbat. 10 Les Juifs dirent donc à celui qui avait été guéri: C'est le sabbat; il ne t'est pas permis d'emporter ton lit. 11 Il leur répondit: Celui qui m'a guéri m'a dit: Prends ton lit, et marche. 12 Ils lui demandèrent: Qui est l'homme qui t'a dit: Prends ton lit, et marche? 13 Mais celui qui avait été guéri ne savait pas qui c'était; car Jésus avait disparu de la foule qui était en ce lieu. 14 Depuis, Jésus le trouva dans le temple, et lui dit: Voici, tu as été guéri; ne pèche plus, de peur qu'il ne t'arrive quelque chose de pire. 15 Cet homme s'en alla, et annonça aux Juifs que c'était Jésus qui l'avait guéri. 16 C'est pourquoi les Juifs poursuivaient Jésus, parce qu'il faisait ces choses le jour du sabbat. 17 Mais Jésus leur répondit: Mon Père agit jusqu'à présent; moi aussi, j'agis. 18 A cause de cela, les Juifs cherchaient encore plus à le faire mourir, non seulement parce qu'il violait le sabbat, mais parce qu'il appelait Dieu son propre Père, se faisant lui-même égal à Dieu. 19 Jésus reprit donc la parole, et leur dit: En vérité, en vérité, je vous le dis, le Fils ne peut rien faire de lui-même, il ne fait que ce qu'il voit faire au Père; et tout ce que le Père fait, le Fils aussi le fait pareillement. 20 Car le Père aime le Fils, et lui montre tout ce qu'il fait; et il lui montrera des oeuvres plus grandes que celles-ci, afin que vous soyez dans l'étonnement. 21 Car, comme le Père ressuscite les morts et donne la vie, ainsi le Fils donne la vie à qui il veut. 22 Le Père ne juge personne, mais il a remis tout jugement au Fils, 23 afin que tous honorent le Fils comme ils honorent le Père. Celui qui n'honore pas le Fils n'honore pas le Père qui l'a envoyé. 24 En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui écoute ma parole, et qui croit à celui qui m'a envoyé, a la vie éternelle et ne vient point en jugement, mais il est passé de la mort à la vie. 25 En vérité, en vérité, je vous le dis, l'heure vient, et elle est déjà venue, où les morts entendront la voix du Fils de Dieu; et ceux qui l'auront entendue vivront. 26 Car, comme le Père a la vie en lui-même, ainsi il a donné au Fils d'avoir la vie en lui-même. 27 Et il lui a donné le pouvoir de juger, parce qu'il est Fils de l'homme. 28 Ne vous étonnez pas de cela; car l'heure vient où tous ceux qui sont dans les sépulcres entendront sa voix, 29 (5:28) et en sortiront. (5:29) Ceux qui auront fait le bien ressusciteront pour la vie, mais ceux qui auront fait le mal ressusciteront pour le jugement. 30 Je ne puis rien faire de moi-même: selon que j'entends, je juge; et mon jugement est juste, parce que je ne cherche pas ma volonté, mais la volonté de celui qui m'a envoyé. 31 Si c'est moi qui rends témoignage de moi-même, mon témoignage n'est pas vrai. 32 Il y en a un autre qui rend témoignage de moi, et je sais que le témoignage qu'il rend de moi est vrai. 33 Vous avez envoyé vers Jean, et il a rendu témoignage à la vérité. 34 Pour moi ce n'est pas d'un homme que je reçois le témoignage; mais je dis ceci, afin que vous soyez sauvés. 35 Jean était la lampe qui brûle et qui luit, et vous avez voulu vous réjouir une heure à sa lumière. 36 Moi, j'ai un témoignage plus grand que celui de Jean; car les oeuvres que le Père m'a donné d'accomplir, ces oeuvres mêmes que je fais, témoignent de moi que c'est le Père qui m'a envoyé. 37 Et le Père qui m'a envoyé a rendu lui-même témoignage de moi. Vous n'avez jamais entendu sa voix, vous n'avez point vu sa face, 38 et sa parole ne demeure point en vous, parce que vous ne croyez pas à celui qu'il a envoyé. 39 Vous sondez les Écritures, parce que vous pensez avoir en elles la vie éternelle: ce sont elles qui rendent témoignage de moi. 40 Et vous ne voulez pas venir à moi pour avoir la vie! 41 Je ne tire pas ma gloire des hommes. 42 Mais je sais que vous n'avez point en vous l'amour de Dieu. 43 Je suis venu au nom de mon Père, et vous ne me recevez pas; si un autre vient en son propre nom, vous le recevrez. 44 Comment pouvez-vous croire, vous qui tirez votre gloire les uns des autres, et qui ne cherchez point la gloire qui vient de Dieu seul? 45 Ne pensez pas que moi je vous accuserai devant le Père; celui qui vous accuse, c'est Moïse, en qui vous avez mis votre espérance. 46 Car si vous croyiez Moïse, vous me croiriez aussi, parce qu'il a écrit de moi. 47 Mais si vous ne croyez pas à ses écrits, comment croirez-vous à mes paroles? | |