| Chapitre 4 1 Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona 2 (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany), 3 dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray. 4 Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy. 5 Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany. 6 Ary teo ilay fantsakan*'i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana* Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina. [*Gr. loharano; sahala amin'ny teny ao amin'ny and. 14] 7 Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko. 8 (Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina) 9 Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.) 10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona. 11 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany? 12 Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto? 13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; 14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. 15 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony. 16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ . 17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho; 18 fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany. 19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. 25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. 26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy. 27 Ary tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao? 28 Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe: 29 Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy? 30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesosy. 31 Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô. 32 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. 33 Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re? 34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. 35 Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. 36 Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37 Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja, 38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany. 39 Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko. 40 Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy. 41 Ary maro koa no nino noho ny teniny 42 ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. 43 Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia. 44 Fa ny tenan'i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin'ny taniny. 45 Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin'ny andro firavoravoana. 46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy. 47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy. 48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. 49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako. 50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. 51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. 52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy. 53 Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra. 54 Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
| | Chapitre 4 4:1 Therefore when the Lord knew that the Pharisees had heard that Jesus was making and baptizing more disciples than John 4:2 (although Jesus himself didn’t baptize, but his disciples), 4:3 he left Judea, and departed into Galilee. 4:4 He needed to pass through Samaria. 4:5 So he came to a city of Samaria, called Sychar, near the parcel of ground that Jacob gave to his son, Joseph. 4:6 Jacob’s well was there. Jesus therefore, being tired from his journey, sat down by the well. It was about the sixth hour. 4:7 A woman of Samaria came to draw water. Jesus said to her, “Give me a drink.” 4:8 For his disciples had gone away into the city to buy food. 4:9 The Samaritan woman therefore said to him, “How is it that you, being a Jew, ask for a drink from me, a Samaritan woman?” (For Jews have no dealings with Samaritans.) 4:10 Jesus answered her, “If you knew the gift of God, and who it is who says to you, ‘Give me a drink,’ you would have asked him, and he would have given you living water.” 4:11 The woman said to him, “Sir, you have nothing to draw with, and the well is deep. From where then have you that living water? 4:12 Are you greater than our father, Jacob, who gave us the well, and drank of it himself, as did his children, and his livestock?” 4:13 Jesus answered her, “Everyone who drinks of this water will thirst again, 4:14 but whoever drinks of the water that I will give him will never thirst again; but the water that I will give him will become in him a well of water springing up to eternal life.” 4:15 The woman said to him, “Sir, give me this water, so that I don’t get thirsty, neither come all the way here to draw.” 4:16 Jesus said to her, “Go, call your husband, and come here.” 4:17 The woman answered, “I have no husband.” Jesus said to her, “You said well, ‘I have no husband,’ 4:18 for you have had five husbands; and he whom you now have is not your husband. This you have said truly.” 4:19 The woman said to him, “Sir, I perceive that you are a prophet. 4:20 Our fathers worshiped in this mountain, and you Jews say that in Jerusalem is the place where people ought to worship.” 4:21 Jesus said to her, “Woman, believe me, the hour comes, when neither in this mountain, nor in Jerusalem, will you worship the Father. 4:22 You worship that which you don’t know. We worship that which we know; for salvation is from the Jews. 4:23 But the hour comes, and now is, when the true worshippers will worship the Father in spirit and truth, for the Father seeks such to be his worshippers. 4:24 God is spirit, and those who worship him must worship in spirit and truth.” 4:25 The woman said to him, “I know that Messiah comes,” (he who is called Christ). “When he has come, he will declare to us all things.” 4:26 Jesus said to her, “I am he, the one who speaks to you.” 4:27 At this, his disciples came. They marveled that he was speaking with a woman; yet no one said, “What are you looking for?” or, “Why do you speak with her?” 4:28 So the woman left her water pot, and went away into the city, and said to the people, 4:29 “Come, see a man who told me everything that I did. Can this be the Christ?” 4:30 They went out of the city, and were coming to him. 4:31 In the meanwhile, the disciples urged him, saying, “Rabbi, eat.” 4:32 But he said to them, “I have food to eat that you don’t know about.” 4:33 The disciples therefore said one to another, “Has anyone brought him something to eat?” 4:34 Jesus said to them, “My food is to do the will of him who sent me, and to accomplish his work. 4:35 Don’t you say, ‘There are yet four months until the harvest?’ Behold, I tell you, lift up your eyes, and look at the fields, that they are white for harvest already. 4:36 He who reaps receives wages, and gathers fruit to eternal life; that both he who sows and he who reaps may rejoice together. 4:37 For in this the saying is true, ‘One sows, and another reaps.’ 4:38 I sent you to reap that for which you haven’t labored. Others have labored, and you have entered into their labor.” 4:39 From that city many of the Samaritans believed in him because of the word of the woman, who testified, “He told me everything that I did.” 4:40 So when the Samaritans came to him, they begged him to stay with them. He stayed there two days. 4:41 Many more believed because of his word. 4:42 They said to the woman, “Now we believe, not because of your speaking; for we have heard for ourselves, and know that this is indeed the Christ, the Savior of the world.” 4:43 After the two days he went out from there and went into Galilee. 4:44 For Jesus himself testified that a prophet has no honor in his own country. 4:45 So when he came into Galilee, the Galileans received him, having seen all the things that he did in Jerusalem at the feast, for they also went to the feast. 4:46 Jesus came therefore again to Cana of Galilee, where he made the water into wine. There was a certain nobleman whose son was sick at Capernaum. 4:47 When he heard that Jesus had come out of Judea into Galilee, he went to him, and begged him that he would come down and heal his son, for he was at the point of death. 4:48 Jesus therefore said to him, “Unless you see signs and wonders, you will in no way believe.” 4:49 The nobleman said to him, “Sir, come down before my child dies.” 4:50 Jesus said to him, “Go your way. Your son lives.” The man believed the word that Jesus spoke to him, and he went his way. 4:51 As he was now going down, his servants met him and reported, saying “Your child lives!” 4:52 So he inquired of them the hour when he began to get better. They said therefore to him, “Yesterday at the seventh hour, the fever left him.” 4:53 So the father knew that it was at that hour in which Jesus said to him, “Your son lives.” He believed, as did his whole house. 4:54 This is again the second sign that Jesus did, having come out of Judea into Galilee.
| | Chapitre 4 1 Le Seigneur sut que les pharisiens avaient appris qu'il faisait et baptisait plus de disciples que Jean. 2 Toutefois Jésus ne baptisait pas lui-même, mais c'étaient ses disciples. 3 Alors il quitta la Judée, et retourna en Galilée. 4 Comme il fallait qu'il passât par la Samarie, 5 il arriva dans une ville de Samarie, nommée Sychar, près du champ que Jacob avait donné à Joseph, son fils. 6 Là se trouvait le puits de Jacob. Jésus, fatigué du voyage, était assis au bord du puits. C'était environ la sixième heure. 7 Une femme de Samarie vint puiser de l'eau. Jésus lui dit: Donne-moi à boire. 8 Car ses disciples étaient allés à la ville pour acheter des vivres. 9 La femme samaritaine lui dit: Comment toi, qui es Juif, me demandes-tu à boire, à moi qui suis une femme samaritaine? -Les Juifs, en effet, n'ont pas de relations avec les Samaritains. - 10 Jésus lui répondit: Si tu connaissais le don de Dieu et qui est celui qui te dit: Donne-moi à boire! tu lui aurais toi-même demandé à boire, et il t'aurait donné de l'eau vive. 11 Seigneur, lui dit la femme, tu n'as rien pour puiser, et le puits est profond; d'où aurais-tu donc cette eau vive? 12 Es-tu plus grand que notre père Jacob, qui nous a donné ce puits, et qui en a bu lui-même, ainsi que ses fils et ses troupeaux? 13 Jésus lui répondit: Quiconque boit de cette eau aura encore soif; 14 mais celui qui boira de l'eau que je lui donnerai n'aura jamais soif, et l'eau que je lui donnerai deviendra en lui une source d'eau qui jaillira jusque dans la vie éternelle. 15 La femme lui dit: Seigneur, donne-moi cette eau, afin que je n'aie plus soif, et que je ne vienne plus puiser ici. 16 Va, lui dit Jésus, appelle ton mari, et viens ici. 17 La femme répondit: Je n'ai point de mari. Jésus lui dit: Tu as eu raison de dire: Je n'ai point de mari. 18 Car tu as eu cinq maris, et celui que tu as maintenant n'est pas ton mari. En cela tu as dit vrai. 19 Seigneur, lui dit la femme, je vois que tu es prophète. 20 Nos pères ont adoré sur cette montagne; et vous dites, vous, que le lieu où il faut adorer est à Jérusalem. 21 Femme, lui dit Jésus, crois-moi, l'heure vient où ce ne sera ni sur cette montagne ni à Jérusalem que vous adorerez le Père. 22 Vous adorez ce que vous ne connaissez pas; nous, nous adorons ce que nous connaissons, car le salut vient des Juifs. 23 Mais l'heure vient, et elle est déjà venue, où les vrais adorateurs adoreront le Père en esprit et en vérité; car ce sont là les adorateurs que le Père demande. 24 Dieu est Esprit, et il faut que ceux qui l'adorent l'adorent en esprit et en vérité. 25 La femme lui dit: Je sais que le Messie doit venir (celui qu'on appelle Christ); quand il sera venu, il nous annoncera toutes choses. 26 Jésus lui dit: Je le suis, moi qui te parle. 27 Là-dessus arrivèrent ses disciples, qui furent étonnés de ce qu'il parlait avec une femme. Toutefois aucun ne dit: Que demandes-tu? ou: De quoi parles-tu avec elle? 28 Alors la femme, ayant laissé sa cruche, s'en alla dans la ville, et dit aux gens: 29 Venez voir un homme qui m'a dit tout ce que j'ai fait; ne serait-ce point le Christ? 30 Ils sortirent de la ville, et ils vinrent vers lui. 31 Pendant ce temps, les disciples le pressaient de manger, disant: Rabbi, mange. 32 Mais il leur dit: J'ai à manger une nourriture que vous ne connaissez pas. 33 Les disciples se disaient donc les uns aux autres: Quelqu'un lui aurait-il apporté à manger? 34 Jésus leur dit: Ma nourriture est de faire la volonté de celui qui m'a envoyé, et d'accomplir son oeuvre. 35 Ne dites-vous pas qu'il y a encore quatre mois jusqu'à la moisson? Voici, je vous le dis, levez les yeux, et regardez les champs qui déjà blanchissent pour la moisson. 36 Celui qui moissonne reçoit un salaire, et amasse des fruits pour la vie éternelle, afin que celui qui sème et celui qui moissonne se réjouissent ensemble. 37 Car en ceci ce qu'on dit est vrai: Autre est celui qui sème, et autre celui qui moissonne. 38 Je vous ai envoyés moissonner ce que vous n'avez pas travaillé; d'autres ont travaillé, et vous êtes entrés dans leur travail. 39 Plusieurs Samaritains de cette ville crurent en Jésus à cause de cette déclaration formelle de la femme: Il m'a dit tout ce que j'ai fait. 40 Aussi, quand les Samaritains vinrent le trouver, ils le prièrent de rester auprès d'eux. Et il resta là deux jours. 41 Un beaucoup plus grand nombre crurent à cause de sa parole; 42 et ils disaient à la femme: Ce n'est plus à cause de ce que tu as dit que nous croyons; car nous l'avons entendu nous-mêmes, et nous savons qu'il est vraiment le Sauveur du monde. 43 Après ces deux jours, Jésus partit de là, pour se rendre en Galilée; 44 car il avait déclaré lui-même qu'un prophète n'est pas honoré dans sa propre patrie. 45 Lorsqu'il arriva en Galilée, il fut bien reçu des Galiléens, qui avaient vu tout ce qu'il avait fait à Jérusalem pendant la fête; car eux aussi étaient allés à la fête. 46 Il retourna donc à Cana en Galilée, où il avait changé l'eau en vin. Il y avait à Capernaüm un officier du roi, dont le fils était malade. 47 Ayant appris que Jésus était venu de Judée en Galilée, il alla vers lui, et le pria de descendre et de guérir son fils, qui était près de mourir. 48 Jésus lui dit: Si vous ne voyez des miracles et des prodiges, vous ne croyez point. 49 L'officier du roi lui dit: Seigneur, descends avant que mon enfant meure. 50 Va, lui dit Jésus, ton fils vit. Et cet homme crut à la parole que Jésus lui avait dite, et il s'en alla. 51 Comme déjà il descendait, ses serviteurs venant à sa rencontre, lui apportèrent cette nouvelle: Ton enfant vit. 52 Il leur demanda à quelle heure il s'était trouvé mieux; et ils lui dirent: Hier, à la septième heure, la fièvre l'a quitté. 53 Le père reconnut que c'était à cette heure-là que Jésus lui avait dit: Ton fils vit. Et il crut, lui et toute sa maison. 54 Jésus fit encore ce second miracle lorsqu'il fut venu de Judée en Galilée. | |