| Chapitre 3 1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy. 2 Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy. 3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] 4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? 5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. 6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. 7 aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony] 8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. 9 Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany? 10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany? 11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo. 12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona, Izay any an-danitra. 14 Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, 15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. 16 Fa <1063> toy izao <3779> no nitiavan'<25> (5656) Andriamanitra <2316> izao tontolo izao <2889>: nomeny <1325> (5656) ny Zanani-lahy <5207> <846> Tokana <3439>, mba <2443> tsy <3361> ho very <622> (5643) izay rehetra <3956> mino <4100> (5723) Azy <846>, fa <235> hanana <2192> (5725) fiainana <2222> mandrakizay <166>. 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara] 18 Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] 19 Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara] 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. 21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany. 22 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. 23 Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. 24 Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona. 25 Ary nisy nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy anankiray ny amin'ny fanadiovana; 26 ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy. 27 Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. 28 Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho. 29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany. 30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena. 31 Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; 32 koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. 33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. 34 Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. 35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany. 36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. | | Chapitre 3 3:1 Now there was a man of the Pharisees named Nicodemus, a ruler of the Jews. 3:2 The same came to him by night, and said to him, “Rabbi, we know that you are a teacher come from God, for no one can do these signs that you do, unless God is with him.” 3:3 Jesus answered him, “Most certainly, I tell you, unless one is born anew, he can’t see the Kingdom of God.” 3:4 Nicodemus said to him, “How can a man be born when he is old? Can he enter a second time into his mother’s womb, and be born?” 3:5 Jesus answered, “Most certainly I tell you, unless one is born of water and spirit, he can’t enter into the Kingdom of God! 3:6 That which is born of the flesh is flesh. That which is born of the Spirit is spirit. 3:7 Don’t marvel that I said to you, ‘You must be born anew.’ 3:8 The wind blows where it wants to, and you hear its sound, but don’t know where it comes from and where it is going. So is everyone who is born of the Spirit.” 3:9 Nicodemus answered him, “How can these things be?” 3:10 Jesus answered him, “Are you the teacher of Israel, and don’t understand these things? 3:11 Most certainly I tell you, we speak that which we know, and testify of that which we have seen, and you don’t receive our witness. 3:12 If I told you earthly things and you don’t believe, how will you believe if I tell you heavenly things? 3:13 No one has ascended into heaven, but he who descended out of heaven, the Son of Man, who is in heaven. 3:14 As Moses lifted up the serpent in the wilderness, even so must the Son of Man be lifted up, 3:15 that whoever believes in him should not perish, but have eternal life. 3:16 For God so loved the world, that he gave his one and only Son, that whoever believes in him should not perish, but have eternal life. 3:17 For God didn’t send his Son into the world to judge the world, but that the world should be saved through him. 3:18 He who believes in him is not judged. He who doesn’t believe has been judged already, because he has not believed in the name of the one and only Son of God. 3:19 This is the judgment, that the light has come into the world, and men loved the darkness rather than the light; for their works were evil. 3:20 For everyone who does evil hates the light, and doesn’t come to the light, lest his works would be exposed. 3:21 But he who does the truth comes to the light, that his works may be revealed, that they have been done in God.” 3:22 After these things, Jesus came with his disciples into the land of Judea. He stayed there with them, and baptized. 3:23 John also was baptizing in Enon near Salim, because there was much water there. They came, and were baptized. 3:24 For John was not yet thrown into prison. 3:25 There arose therefore a questioning on the part of John’s disciples with some Jews about purification. 3:26 They came to John, and said to him, “Rabbi, he who was with you beyond the Jordan, to whom you have testified, behold, the same baptizes, and everyone is coming to him.” 3:27 John answered, “A man can receive nothing, unless it has been given him from heaven. 3:28 You yourselves testify that I said, ‘I am not the Christ,’ but, ‘I have been sent before him.’ 3:29 He who has the bride is the bridegroom; but the friend of the bridegroom, who stands and hears him, rejoices greatly because of the bridegroom’s voice. This, my joy, therefore is made full. 3:30 He must increase, but I must decrease. 3:31 He who comes from above is above all. He who is from the earth belongs to the earth, and speaks of the earth. He who comes from heaven is above all. 3:32 What he has seen and heard, of that he testifies; and no one receives his witness. 3:33 He who has received his witness has set his seal to this, that God is true. 3:34 For he whom God has sent speaks the words of God; for God gives the Spirit without measure. 3:35 The Father loves the Son, and has given all things into his hand. 3:36 One who believes in the Son has eternal life, but one who disobeys the Son won’t see life, but the wrath of God remains on him.”
| | Chapitre 3 1 Mais il y eut un homme d'entre les pharisiens, nommé Nicodème, un chef des Juifs, 2 qui vint, lui, auprès de Jésus, de nuit, et lui dit: Rabbi, nous savons que tu es un docteur venu de Dieu; car personne ne peut faire ces miracles que tu fais, si Dieu n'est avec lui. 3 Jésus lui répondit: En vérité, en vérité, je te le dis, si un homme ne naît de nouveau, il ne peut voir le royaume de Dieu. 4 Nicodème lui dit: Comment un homme peut-il naître quand il est vieux? Peut-il rentrer dans le sein de sa mère et naître? 5 Jésus répondit: En vérité, en vérité, je te le dis, si un homme ne naît d'eau et d'Esprit, il ne peut entrer dans le royaume de Dieu. 6 Ce qui est né de la chair est chair, et ce qui est né de l'Esprit est esprit. 7 Ne t'étonne pas que je t'aie dit: Il faut que vous naissiez de nouveau. 8 Le vent souffle où il veut, et tu en entends le bruit; mais tu ne sais d'où il vient, ni où il va. Il en est ainsi de tout homme qui est né de l'Esprit. 9 Nicodème lui dit: Comment cela peut-il se faire? 10 Jésus lui répondit: Tu es le docteur d'Israël, et tu ne sais pas ces choses! 11 En vérité, en vérité, je te le dis, nous disons ce que nous savons, et nous rendons témoignage de ce que nous avons vu; et vous ne recevez pas notre témoignage. 12 Si vous ne croyez pas quand je vous ai parlé des choses terrestres, comment croirez-vous quand je vous parlerai des choses célestes? 13 Personne n'est monté au ciel, si ce n'est celui qui est descendu du ciel, le Fils de l'homme qui est dans le ciel. 14 Et comme Moïse éleva le serpent dans le désert, il faut de même que le Fils de l'homme soit élevé, 15 afin que quiconque croit en lui ait la vie éternelle. 16 Car Dieu a tant aimé le monde qu'il a donné son Fils unique, afin que quiconque croit en lui ne périsse point, mais qu'il ait la vie éternelle. 17 Dieu, en effet, n'a pas envoyé son Fils dans le monde pour qu'il juge le monde, mais pour que le monde soit sauvé par lui. 18 Celui qui croit en lui n'est point jugé; mais celui qui ne croit pas est déjà jugé, parce qu'il n'a pas cru au nom du Fils unique de Dieu. 19 Et ce jugement c'est que, la lumière étant venue dans le monde, les hommes ont préféré les ténèbres à la lumière, parce que leurs oeuvres étaient mauvaises. 20 Car quiconque fait le mal hait la lumière, et ne vient point à la lumière, de peur que ses oeuvres ne soient dévoilées; 21 mais celui qui agit selon la vérité vient à la lumière, afin que ses oeuvres soient manifestées, parce qu'elles sont faites en Dieu. 22 Après cela, Jésus, accompagné de ses disciples, se rendit dans la terre de Judée; et là il demeurait avec eux, et il baptisait. 23 Jean aussi baptisait à Énon, près de Salim, parce qu'il y avait là beaucoup d'eau; et on y venait pour être baptisé. 24 Car Jean n'avait pas encore été mis en prison. 25 Or, il s'éleva de la part des disciples de Jean une dispute avec un Juif touchant la purification. 26 Ils vinrent trouver Jean, et lui dirent: Rabbi, celui qui était avec toi au delà du Jourdain, et à qui tu as rendu témoignage, voici, il baptise, et tous vont à lui. 27 Jean répondit: Un homme ne peut recevoir que ce qui lui a été donné du ciel. 28 Vous-mêmes m'êtes témoins que j'ai dit: Je ne suis pas le Christ, mais j'ai été envoyé devant lui. 29 Celui à qui appartient l'épouse, c'est l'époux; mais l'ami de l'époux, qui se tient là et qui l'entend, éprouve une grande joie à cause de la voix de l'époux: aussi cette joie, qui est la mienne, est parfaite. 30 Il faut qu'il croisse, et que je diminue. 31 Celui qui vient d'en haut est au-dessus de tous; celui qui est de la terre est de la terre, et il parle comme étant de la terre. Celui qui vient du ciel est au-dessus de tous, 32 il rend témoignage de ce qu'il a vu et entendu, et personne ne reçoit son témoignage. 33 Celui qui a reçu son témoignage a certifié que Dieu est vrai; 34 car celui que Dieu a envoyé dit les paroles de Dieu, parce que Dieu ne lui donne pas l'Esprit avec mesure. 35 Le Père aime le Fils, et il a remis toutes choses entre ses mains. 36 Celui qui croit au Fils a la vie éternelle; celui qui ne croit pas au Fils ne verra point la vie, mais la colère de Dieu demeure sur lui. | |