| Chapitre 1 1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy] 6 Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. 7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny. 8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy. 9 Tao ny tena Mazava* Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao**. [*Na: Izy no tena Mazava] [**Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin'izao tontolo izao] 10 Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. 11 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. 12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana] 13 dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra. 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day] 15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy 16 Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana. 17 Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy]. 19 Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao? 20 Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy. 21 Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia. 22 Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao? 23 Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany. 24 Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo. 25 Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany? 26 Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo, 27 dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. 28 Izany zavatra izany dia natao tany Betania* any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa. [*Na: Betabara] 29 Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan'izao tontolo izao! [*Na: mitondra] 30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. 31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano. 32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny. 33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. 34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra. 35 Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy; 36 ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra! 37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy. 38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra? 39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay. 40 Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy. 41 Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy). 42 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera*) [*Petera = vato] 43 Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy. 44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera. 45 Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta. 46 Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha. 47 Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka. 48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy* ianao. [*aviavimbazaha] 49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely. 50 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao. 51 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.
| | Chapitre 1 1:1 In the beginning was the Word, and the Word was with God, and the Word was God. 1:2 The same was in the beginning with God. 1:3 All things were made through him. Without him was not anything made that has been made. 1:4 In him was life, and the life was the light of men. 1:5 The light shines in the darkness, and the darkness hasn’t overcome it. 1:6 There came a man, sent from God, whose name was John. 1:7 The same came as a witness, that he might testify about the light, that all might believe through him. 1:8 He was not the light, but was sent that he might testify about the light. 1:9 The true light that enlightens everyone was coming into the world. 1:10 He was in the world, and the world was made through him, and the world didn’t recognize him. 1:11 He came to his own, and those who were his own didn’t receive him. 1:12 But as many as received him, to them he gave the right to become God’s children, to those who believe in his name: 1:13 who were born not of blood, nor of the will of the flesh, nor of the will of man, but of God. 1:14 The Word became flesh, and lived among us. We saw his glory, such glory as of the one and only Son of the Father, full of grace and truth. 1:15 John testified about him. He cried out, saying, “This was he of whom I said, ‘He who comes after me has surpassed me, for he was before me.’” 1:16 From his fullness we all received grace upon grace. 1:17 For the law was given through Moses. Grace and truth were realized through Jesus Christ. 1:18 No one has seen God at any time. The one and only Son, who is in the bosom of the Father, he has declared him. 1:19 This is John’s testimony, when the Jews sent priests and Levites from Jerusalem to ask him, “Who are you?” 1:20 He declared, and didn’t deny, but he declared, “I am not the Christ.” 1:21 They asked him, “What then? Are you Elijah?” He said, “I am not.” “Are you the prophet?” He answered, “No.” 1:22 They said therefore to him, “Who are you? Give us an answer to take back to those who sent us. What do you say about yourself?” 1:23 He said, “I am the voice of one crying in the wilderness, ‘Make straight the way of the Lord,’* as Isaiah the prophet said.” 1:24 The ones who had been sent were from the Pharisees. 1:25 They asked him, “Why then do you baptize, if you are not the Christ, nor Elijah, nor the prophet?” 1:26 John answered them, “I baptize in water, but among you stands one whom you don’t know. 1:27 He is the one who comes after me, who is preferred before me, whose sandal strap I’m not worthy to loosen.” 1:28 These things were done in Bethany beyond the Jordan, where John was baptizing. 1:29 The next day, he saw Jesus coming to him, and said, “Behold, the Lamb of God, who takes away the sin of the world! 1:30 This is he of whom I said, ‘After me comes a man who is preferred before me, for he was before me.’ 1:31 I didn’t know him, but for this reason I came baptizing in water: that he would be revealed to Israel.” 1:32 John testified, saying, “I have seen the Spirit descending like a dove out of heaven, and it remained on him. 1:33 I didn’t recognize him, but he who sent me to baptize in water, he said to me, ‘On whomever you will see the Spirit descending, and remaining on him, the same is he who baptizes in the Holy Spirit.’ 1:34 I have seen, and have testified that this is the Son of God.” 1:35 Again, the next day, John was standing with two of his disciples, 1:36 and he looked at Jesus as he walked, and said, “Behold, the Lamb of God!” 1:37 The two disciples heard him speak, and they followed Jesus. 1:38 Jesus turned, and saw them following, and said to them, “What are you looking for?” They said to him, “Rabbi” (which is to say, being interpreted, Teacher), “where are you staying?” 1:39 He said to them, “Come, and see.” They came and saw where he was staying, and they stayed with him that day. It was about the tenth hour. 1:40 One of the two who heard John, and followed him, was Andrew, Simon Peter’s brother. 1:41 He first found his own brother, Simon, and said to him, “We have found the Messiah!” (which is, being interpreted, Christ). 1:42 He brought him to Jesus. Jesus looked at him, and said, “You are Simon the son of Jonah. You shall be called Cephas” (which is by interpretation, Peter). 1:43 On the next day, he was determined to go out into Galilee, and he found Philip. Jesus said to him, “Follow me.” 1:44 Now Philip was from Bethsaida, of the city of Andrew and Peter. 1:45 Philip found Nathanael, and said to him, “We have found him, of whom Moses in the law, and the prophets, wrote: Jesus of Nazareth, the son of Joseph.” 1:46 Nathanael said to him, “Can any good thing come out of Nazareth?” Philip said to him, “Come and see.” 1:47 Jesus saw Nathanael coming to him, and said about him, “Behold, an Israelite indeed, in whom is no deceit!” 1:48 Nathanael said to him, “How do you know me?” Jesus answered him, “Before Philip called you, when you were under the fig tree, I saw you.” 1:49 Nathanael answered him, “Rabbi, you are the Son of God! You are King of Israel!” 1:50 Jesus answered him, “Because I told you, ‘I saw you underneath the fig tree,’ do you believe? You will see greater things than these!” 1:51 He said to him, “Most certainly, I tell you, hereafter you will see heaven opened, and the angels of God ascending and descending on the Son of Man.”
| | Chapitre 1 1 Au commencement était la Parole, et la Parole était avec Dieu, et la Parole était Dieu. 2 Elle était au commencement avec Dieu. 3 Toutes choses ont été faites par elle, et rien de ce qui a été fait n'a été fait sans elle. 4 En elle était la vie, et la vie était la lumière des hommes. 5 La lumière luit dans les ténèbres, et les ténèbres ne l'ont point reçue. 6 Il y eut un homme envoyé de Dieu: son nom était Jean. 7 Il vint pour servir de témoin, pour rendre témoignage à la lumière, afin que tous crussent par lui. 8 Il n'était pas la lumière, mais il parut pour rendre témoignage à la lumière. 9 Cette lumière était la véritable lumière, qui, en venant dans le monde, éclaire tout homme. 10 Elle était dans le monde, et le monde a été fait par elle, et le monde ne l'a point connue. 11 Elle est venue chez les siens, et les siens ne l'ont point reçue. 12 Mais à tous ceux qui l'ont reçue, à ceux qui croient en son nom, elle a donné le pouvoir de devenir enfants de Dieu, 13 (1:12) lesquels sont nés, (1:13) non du sang, ni de la volonté de la chair, ni de la volonté de l'homme, mais de Dieu. 14 Et la parole a été faite chair, et elle a habité parmi nous, pleine de grâce et de vérité; et nous avons contemplé sa gloire, une gloire comme la gloire du Fils unique venu du Père. 15 Jean lui a rendu témoignage, et s'est écrié: C'est celui dont j'ai dit: Celui qui vient après moi m'a précédé, car il était avant moi. 16 Et nous avons tous reçu de sa plénitude, et grâce pour grâce; 17 car la loi a été donnée par Moïse, la grâce et la vérité sont venues par Jésus-Christ. 18 Personne n'a jamais vu Dieu; le Fils unique, qui est dans le sein du Père, est celui qui l'a fait connaître. 19 Voici le témoignage de Jean, lorsque les Juifs envoyèrent de Jérusalem des sacrificateurs et des Lévites, pour lui demander: Toi, qui es-tu? 20 Il déclara, et ne le nia point, il déclara qu'il n'était pas le Christ. 21 Et ils lui demandèrent: Quoi donc? es-tu Élie? Et il dit: Je ne le suis point. Es-tu le prophète? Et il répondit: Non. 22 Ils lui dirent alors: Qui es-tu? afin que nous donnions une réponse à ceux qui nous ont envoyés. Que dis-tu de toi-même? 23 Moi, dit-il, je suis la voix de celui qui crie dans le désert: Aplanissez le chemin du Seigneur, comme a dit Ésaïe, le prophète. 24 Ceux qui avaient été envoyés étaient des pharisiens. 25 Ils lui firent encore cette question: Pourquoi donc baptises-tu, si tu n'es pas le Christ, ni Élie, ni le prophète? 26 Jean leur répondit: Moi, je baptise d'eau, mais au milieu de vous il y a quelqu'un que vous ne connaissez pas, 27 (1:26) qui vient après moi; (1:27) je ne suis pas digne de délier la courroie de ses souliers. 28 Ces choses se passèrent à Béthanie, au delà du Jourdain, où Jean baptisait. 29 Le lendemain, il vit Jésus venant à lui, et il dit: Voici l'Agneau de Dieu, qui ôte le péché du monde. 30 C'est celui dont j'ai dit: Après moi vient un homme qui m'a précédé, car il était avant moi. 31 Je ne le connaissais pas, mais c'est afin qu'il fût manifesté à Israël que je suis venu baptiser d'eau. 32 Jean rendit ce témoignage: J'ai vu l'Esprit descendre du ciel comme une colombe et s'arrêter sur lui. 33 Je ne le connaissais pas, mais celui qui m'a envoyé baptiser d'eau, celui-là m'a dit: Celui sur qui tu verras l'Esprit descendre et s'arrêter, c'est celui qui baptise du Saint-Esprit. 34 Et j'ai vu, et j'ai rendu témoignage qu'il est le Fils de Dieu. 35 Le lendemain, Jean était encore là, avec deux de ses disciples; 36 et, ayant regardé Jésus qui passait, il dit: Voilà l'Agneau de Dieu. 37 Les deux disciples l'entendirent prononcer ces paroles, et ils suivirent Jésus. 38 Jésus se retourna, et voyant qu'ils le suivaient, il leur dit: Que cherchez-vous? Ils lui répondirent: Rabbi (ce qui signifie Maître), où demeures-tu? 39 Venez, leur dit-il, et voyez. Ils allèrent, et ils virent où il demeurait; et ils restèrent auprès de lui ce jour-là. C'était environ la dixième heure. 40 André, frère de Simon Pierre, était l'un des deux qui avaient entendu les paroles de Jean, et qui avaient suivi Jésus. 41 Ce fut lui qui rencontra le premier son frère Simon, et il lui dit: Nous avons trouvé le Messie (ce qui signifie Christ). 42 Et il le conduisit vers Jésus. Jésus, l'ayant regardé, dit: Tu es Simon, fils de Jonas; tu seras appelé Céphas (ce qui signifie Pierre). 43 Le lendemain, Jésus voulut se rendre en Galilée, et il rencontra Philippe. Il lui dit: Suis-moi. 44 Philippe était de Bethsaïda, de la ville d'André et de Pierre. 45 Philippe rencontra Nathanaël, et lui dit: Nous avons trouvé celui de qui Moïse a écrit dans la loi et dont les prophètes ont parlé, Jésus de Nazareth, fils de Joseph. 46 Nathanaël lui dit: Peut-il venir de Nazareth quelque chose de bon? Philippe lui répondit: Viens, et vois. 47 Jésus, voyant venir à lui Nathanaël, dit de lui: Voici vraiment un Israélite, dans lequel il n'y a point de fraude. 48 D'où me connais-tu? lui dit Nathanaël. Jésus lui répondit: Avant que Philippe t'appelât, quand tu étais sous le figuier, je t'ai vu. 49 Nathanaël répondit et lui dit: Rabbi, tu es le Fils de Dieu, tu es le roi d'Israël. 50 Jésus lui répondit: Parce que je t'ai dit que je t'ai vu sous le figuier, tu crois; tu verras de plus grandes choses que celles-ci. 51 Et il lui dit: En vérité, en vérité, vous verrez désormais le ciel ouvert et les anges de Dieu monter et descendre sur le Fils de l'homme. | |