| Chapitre 5 1 [Fanamelohana ny mpanankarena ratsy fanahy] He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo. 2 Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao. 3 Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin'ny andro farany ianareo. 4 Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro. 5 Efa velona tamin'ny fy tetỳ ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo. 6 Efa nanameloka namono ny marina* ianareo; fa tsy manohitra anareo izy. [* Na. Ilay marina . . . Izy] 7 [Toky ho an'ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. 8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo. 9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana. 10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana. 11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po. 12 Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo. 13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana. 14 Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon*'ny fiangonana**; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [* Gr. presbytera] [** Gr. eklesia] 15 ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony. 16 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. 17 Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. 18 Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany. 19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, 20 aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
| | Chapitre 5 5:1 Come now, you rich, weep and howl for your miseries that are coming on you. 5:2 Your riches are corrupted and your garments are moth-eaten. 5:3 Your gold and your silver are corroded, and their corrosion will be for a testimony against you, and will eat your flesh like fire. You have laid up your treasure in the last days. 5:4 Behold, the wages of the laborers who mowed your fields, which you have kept back by fraud, cry out, and the cries of those who reaped have entered into the ears of the Lord of Armies. 5:5 You have lived delicately on the earth, and taken your pleasure. You have nourished your hearts as in a day of slaughter. 5:6 You have condemned, you have murdered the righteous one. He doesn’t resist you. 5:7 Be patient therefore, brothers, until the coming of the Lord. Behold, the farmer waits for the precious fruit of the earth, being patient over it, until it receives the early and late rain. 5:8 You also be patient. Establish your hearts, for the coming of the Lord is at hand. 5:9 Don’t grumble, brothers, against one another, so that you won’t be judged. Behold, the judge stands at the door. 5:10 Take, brothers, for an example of suffering and of patience, the prophets who spoke in the name of the Lord. 5:11 Behold, we call them blessed who endured. You have heard of the patience of Job, and have seen the Lord in the outcome, and how the Lord is full of compassion and mercy. 5:12 But above all things, my brothers, don’t swear, neither by heaven, nor by the earth, nor by any other oath; but let your “yes” be “yes,” and your “no,” “no”; so that you don’t fall into hypocrisy. 5:13 Is any among you suffering? Let him pray. Is any cheerful? Let him sing praises. 5:14 Is any among you sick? Let him call for the elders of the assembly, and let them pray over him, anointing him with oil in the name of the Lord, 5:15 and the prayer of faith will heal him who is sick, and the Lord will raise him up. If he has committed sins, he will be forgiven. 5:16 Confess your offenses to one another, and pray for one another, that you may be healed. The insistent prayer of a righteous person is powerfully effective. 5:17 Elijah was a man with a nature like ours, and he prayed earnestly that it might not rain, and it didn’t rain on the earth for three years and six months. 5:18 He prayed again, and the sky gave rain, and the earth brought forth its fruit. 5:19 Brothers, if any among you wanders from the truth, and someone turns him back, 5:20 let him know that he who turns a sinner from the error of his way will save a soul from death, and will cover a multitude of sins.
| | Chapitre 5 1 A vous maintenant, riches! Pleurez et gémissez, à cause des malheurs qui viendront sur vous. 2 Vos richesses sont pourries, et vos vêtements sont rongés par les teignes. 3 Votre or et votre argent sont rouillés; et leur rouille s'élèvera en témoignage contre vous, et dévorera vos chairs comme un feu. Vous avez amassé des trésors dans les derniers jours! 4 Voici, le salaire des ouvriers qui ont moissonné vos champs, et dont vous les avez frustrés, crie, et les cris des moissonneurs sont parvenus jusqu'aux oreilles du Seigneur des armées. 5 Vous avez vécu sur la terre dans les voluptés et dans les délices, vous avez rassasié vos coeurs au jour du carnage. 6 Vous avez condamné, vous avez tué le juste, qui ne vous a pas résisté. 7 Soyez donc patients, frères jusqu'à l'avènement du Seigneur. Voici, le laboureur attend le précieux fruit de la terre, prenant patience à son égard, jusqu'à ce qu'il ait reçu les pluies de la première et de l'arrière-saison. 8 Vous aussi, soyez patients, affermissez vos coeurs, car l'avènement du Seigneur est proche. 9 Ne vous plaignez pas les uns des autres, frères, afin que vous ne soyez pas jugés: voici, le juge est à la porte. 10 Prenez, mes frères, pour modèles de souffrance et de patience les prophètes qui ont parlé au nom du Seigneur. 11 Voici, nous disons bienheureux ceux qui ont souffert patiemment. Vous avez entendu parler de la patience de Job, et vous avez vu la fin que le Seigneur lui accorda, car le Seigneur est plein de miséricorde et de compassion. 12 Avant toutes choses, mes frères, ne jurez ni par le ciel, ni par la terre, ni par aucun autre serment. Mais que votre oui soit oui, et que votre non soit non, afin que vous ne tombiez pas sous le jugement. 13 Quelqu'un parmi vous est-il dans la souffrance? Qu'il prie. Quelqu'un est-il dans la joie? Qu'il chante des cantiques. 14 Quelqu'un parmi vous est-il malade? Qu'il appelle les anciens de l'Église, et que les anciens prient pour lui, en l'oignant d'huile au nom du Seigneur; 15 la prière de la foi sauvera le malade, et le Seigneur le relèvera; et s'il a commis des péchés, il lui sera pardonné. 16 Confessez donc vos péchés les uns aux autres, et priez les uns pour les autres, afin que vous soyez guéris. La prière fervente du juste a une grande efficace. 17 Élie était un homme de la même nature que nous: il pria avec instance pour qu'il ne plût point, et il ne tomba point de pluie sur la terre pendant trois ans et six mois. 18 Puis il pria de nouveau, et le ciel donna de la pluie, et la terre produisit son fruit. 19 Mes frères, si quelqu'un parmi vous s'est égaré loin de la vérité, et qu'un autre l'y ramène, 20 qu'il sache que celui qui ramènera un pécheur de la voie où il s'était égaré sauvera une âme de la mort et couvrira une multitude de péchés.
| |