| Chapitre 3 1 [Anatra ny amin'izay mety hataon'ny mpampianatra, indrindra fa ny tsy hanotany amin'ny lelany, ary ny toetry ny fahendrena avy any ambony] Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra. 2 Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. 3 Ary raha asiantsika lamboridy amin'ny vavan'ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika. 4 Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia ahodin'ny familiana kely foana izy ho any amin'izay tian'ny mpitondra. 5 Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny antontan-kazo* arehitry ny afo kely! [* Na: ala] 6 Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo* izy; [* Gr. Gehena] 7 Fa folaka avokoa ny karazan*'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; [* Gr. fomban'] 8 fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty. 9 Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik'Andriamanitra. 10 Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. 11 Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany? 12 Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy. 13 Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena. 14 Fa raha misy fialonana mirehitra* sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. [* Gr. mangidy] 15 Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia. 16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra. 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana* na mihatsaravelatsihy. [* Na: miangatra] 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana*. [* Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana]
| | Chapitre 3 3:1 Let not many of you be teachers, my brothers, knowing that we will receive heavier judgment. 3:2 For in many things we all stumble. If anyone doesn’t stumble in word, the same is a perfect man, able to bridle the whole body also. 3:3 Indeed, we put bits into the horses’ mouths so that they may obey us, and we guide their whole body. 3:4 Behold, the ships also, though they are so big and are driven by fierce winds, are yet guided by a very small rudder, wherever the pilot desires. 3:5 So the tongue is also a little member, and boasts great things. See how a small fire can spread to a large forest! 3:6 And the tongue is a fire. The world of iniquity among our members is the tongue, which defiles the whole body, and sets on fire the course of nature, and is set on fire by Gehenna. 3:7 For every kind of animal, bird, creeping thing, and thing in the sea, is tamed, and has been tamed by mankind. 3:8 But nobody can tame the tongue. It is a restless evil, full of deadly poison. 3:9 With it we bless our God and Father, and with it we curse men, who are made in the image of God. 3:10 Out of the same mouth comes forth blessing and cursing. My brothers, these things ought not to be so. 3:11 Does a spring send out from the same opening fresh and bitter water? 3:12 Can a fig tree, my brothers, yield olives, or a vine figs? Thus no spring yields both salt water and fresh water. 3:13 Who is wise and understanding among you? Let him show by his good conduct that his deeds are done in gentleness of wisdom. 3:14 But if you have bitter jealousy and selfish ambition in your heart, don’t boast and don’t lie against the truth. 3:15 This wisdom is not that which comes down from above, but is earthly, sensual, and demonic. 3:16 For where jealousy and selfish ambition are, there is confusion and every evil deed. 3:17 But the wisdom that is from above is first pure, then peaceful, gentle, reasonable, full of mercy and good fruits, without partiality, and without hypocrisy. 3:18 Now the fruit of righteousness is sown in peace by those who make peace.
| | Chapitre 3 1 Mes frères, qu'il n'y ait pas parmi vous un grand nombre de personnes qui se mettent à enseigner, car vous savez que nous serons jugés plus sévèrement. 2 Nous bronchons tous de plusieurs manières. Si quelqu'un ne bronche point en paroles, c'est un homme parfait, capable de tenir tout son corps en bride. 3 Si nous mettons le mors dans la bouche des chevaux pour qu'ils nous obéissent, nous dirigeons aussi leur corps tout entier. 4 Voici, même les navires, qui sont si grands et que poussent des vents impétueux, sont dirigés par un très petit gouvernail, au gré du pilote. 5 De même, la langue est un petit membre, et elle se vante de grandes choses. Voici, comme un petit feu peut embraser une grande forêt! 6 La langue aussi est un feu; c'est le monde de l'iniquité. La langue est placée parmi nos membres, souillant tout le corps, et enflammant le cours de la vie, étant elle-même enflammée par la géhenne. 7 Toutes les espèces de bêtes et d'oiseaux, de reptiles et d'animaux marins, sont domptés et ont été domptés par la nature humaine; 8 mais la langue, aucun homme ne peut la dompter; c'est un mal qu'on ne peut réprimer; elle est pleine d'un venin mortel. 9 Par elle nous bénissons le Seigneur notre Père, et par elle nous maudissons les hommes faits à l'image de Dieu. 10 De la même bouche sortent la bénédiction et la malédiction. Il ne faut pas, mes frères, qu'il en soit ainsi. 11 La source fait-elle jaillir par la même ouverture l'eau douce et l'eau amère? 12 Un figuier, mes frères, peut-il produire des olives, ou une vigne des figues? De l'eau salée ne peut pas non plus produire de l'eau douce. 13 Lequel d'entre vous est sage et intelligent? Qu'il montre ses oeuvres par une bonne conduite avec la douceur de la sagesse. 14 Mais si vous avez dans votre coeur un zèle amer et un esprit de dispute, ne vous glorifiez pas et ne mentez pas contre la vérité. 15 Cette sagesse n'est point celle qui vient d'en haut; mais elle est terrestre, charnelle, diabolique. 16 Car là où il y a un zèle amer et un esprit de dispute, il y a du désordre et toutes sortes de mauvaises actions. 17 La sagesse d'en haut est premièrement pure, ensuite pacifique, modérée, conciliante, pleine de miséricorde et de bons fruits, exempte de duplicité, d'hypocrisie. 18 Le fruit de la justice est semé dans la paix par ceux qui recherchent la paix. | |