| Chapitre 1 1 [Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra] Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana. 2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na: fizahan-toetra] 3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. 4 Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona. 5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena*, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. [* Na: kely fahendrena] 6 Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. 7 Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany: 8 olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra. 9 Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany; 10 fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy. 11 Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany. 12 Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy. 13 Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy; 14 fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy. 15 Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana. 16 Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako. 17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana. 18 Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika. 19 Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; 20 fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra. 21 Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. 22 Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. 23 Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy; 24 fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny. 25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany. 26 Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany. 27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
| | Chapitre 1 1:1 James, a servant of God and of the Lord Jesus Christ, to the twelve tribes which are in the Dispersion: Greetings. 1:2 Count it all joy, my brothers, when you fall into various temptations, 1:3 knowing that the testing of your faith produces endurance. 1:4 Let endurance have its perfect work, that you may be perfect and complete, lacking in nothing. 1:5 But if any of you lacks wisdom, let him ask of God, who gives to all liberally and without reproach; and it will be given to him. 1:6 But let him ask in faith, without any doubting, for he who doubts is like a wave of the sea, driven by the wind and tossed. 1:7 For let that man not think that he will receive anything from the Lord. 1:8 He is a double-minded man, unstable in all his ways. 1:9 But let the brother in humble circumstances glory in his high position; 1:10 and the rich, in that he is made humble, because like the flower in the grass, he will pass away. 1:11 For the sun arises with the scorching wind, and withers the grass, and the flower in it falls, and the beauty of its appearance perishes. So also will the rich man fade away in his pursuits. 1:12 Blessed is the man who endures temptation, for when he has been approved, he will receive the crown of life, which the Lord promised to those who love him. 1:13 Let no man say when he is tempted, “I am tempted by God,” for God can’t be tempted by evil, and he himself tempts no one. 1:14 But each one is tempted, when he is drawn away by his own lust, and enticed. 1:15 Then the lust, when it has conceived, bears sin; and the sin, when it is full grown, brings forth death. 1:16 Don’t be deceived, my beloved brothers. 1:17 Every good gift and every perfect gift is from above, coming down from the Father of lights, with whom can be no variation, nor turning shadow. 1:18 Of his own will he brought us forth by the word of truth, that we should be a kind of first fruits of his creatures. 1:19 So, then, my beloved brothers, let every man be swift to hear, slow to speak, and slow to anger; 1:20 for the anger of man doesn’t produce the righteousness of God. 1:21 Therefore, putting away all filthiness and overflowing of wickedness, receive with humility the implanted word, which is able to save your souls. 1:22 But be doers of the word, and not only hearers, deluding your own selves. 1:23 For if anyone is a hearer of the word and not a doer, he is like a man looking at his natural face in a mirror; 1:24 for he sees himself, and goes away, and immediately forgets what kind of man he was. 1:25 But he who looks into the perfect law of freedom, and continues, not being a hearer who forgets, but a doer of the work, this man will be blessed in what he does. 1:26 If anyone among you thinks himself to be religious while he doesn’t bridle his tongue, but deceives his heart, this man’s religion is worthless. 1:27 Pure religion and undefiled before our God and Father is this: to visit the fatherless and widows in their affliction, and to keep oneself unstained by the world.
| | Chapitre 1 1 Jacques, serviteur de Dieu et du Seigneur Jésus-Christ, aux douze tribus qui sont dans la dispersion, salut! 2 Mes frères, regardez comme un sujet de joie complète les diverses épreuves auxquelles vous pouvez être exposés, 3 sachant que l'épreuve de votre foi produit la patience. 4 Mais il faut que la patience accomplisse parfaitement son oeuvre, afin que vous soyez parfaits et accomplis, sans faillir en rien. 5 Si quelqu'un d'entre vous manque de sagesse, qu'il la demande à Dieu, qui donne à tous simplement et sans reproche, et elle lui sera donnée. 6 Mais qu'il la demande avec foi, sans douter; car celui qui doute est semblable au flot de la mer, agité par le vent et poussé de côté et d'autre. 7 Qu'un tel homme ne s'imagine pas qu'il recevra quelque chose du Seigneur: 8 c'est un homme irrésolu, inconstant dans toutes ses voies. 9 Que le frère de condition humble se glorifie de son élévation. 10 Que le riche, au contraire, se glorifie de son humiliation; car il passera comme la fleur de l'herbe. 11 Le soleil s'est levé avec sa chaleur ardente, il a desséché l'herbe, sa fleur est tombée, et la beauté de son aspect a disparu: ainsi le riche se flétrira dans ses entreprises. 12 Heureux l'homme qui supporte patiemment la tentation; car, après avoir été éprouvé, il recevra la couronne de vie, que le Seigneur a promise à ceux qui l'aiment. 13 Que personne, lorsqu'il est tenté, ne dise: C'est Dieu qui me tente. Car Dieu ne peut être tenté par le mal, et il ne tente lui-même personne. 14 Mais chacun est tenté quand il est attiré et amorcé par sa propre convoitise. 15 Puis la convoitise, lorsqu'elle a conçu, enfante le péché; et le péché, étant consommé, produit la mort. 16 Ne vous y trompez pas, mes frères bien-aimés: 17 toute grâce excellente et tout don parfait descendent d'en haut, du Père des lumières, chez lequel il n'y a ni changement ni ombre de variation. 18 Il nous a engendrés selon sa volonté, par la parole de vérité, afin que nous soyons en quelque sorte les prémices de ses créatures. 19 Sachez-le, mes frères bien-aimés. Ainsi, que tout homme soit prompt à écouter, lent à parler, lent à se mettre en colère; 20 car la colère de l'homme n'accomplit pas la justice de Dieu. 21 C'est pourquoi, rejetant toute souillure et tout excès de malice, recevez avec douceur la parole qui a été plantée en vous, et qui peut sauver vos âmes. 22 Mettez en pratique la parole, et ne vous bornez pas à l'écouter, en vous trompant vous-mêmes par de faux raisonnements. 23 Car, si quelqu'un écoute la parole et ne la met pas en pratique, il est semblable à un homme qui regarde dans un miroir son visage naturel, 24 et qui, après s'être regardé, s'en va, et oublie aussitôt quel il était. 25 Mais celui qui aura plongé les regards dans la loi parfaite, la loi de la liberté, et qui aura persévéré, n'étant pas un auditeur oublieux, mais se mettant à l'oeuvre, celui-là sera heureux dans son activité. 26 Si quelqu'un croit être religieux, sans tenir sa langue en bride, mais en trompant son coeur, la religion de cet homme est vaine. 27 La religion pure et sans tache, devant Dieu notre Père, consiste à visiter les orphelins et les veuves dans leurs afflictions, et à se préserver des souillures du monde.
| |