T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 9

1 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.

2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo.

3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana.

4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany.

5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]

6 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.

7 [Ny amin'ny aninjiran'i Jehovah ny tànany hampijaly ny olona noho ny ratsy nataony] Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany.

8 Ary ho fantatr'izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavonany sy ny fireharehan'ny fony manao hoe:

9 Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.

10 Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,

11 Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.

12 Fa ny olona tsy miverina amin'Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, tsy mba tadiaviny.

13 Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia* sy ny zozoro [palma]

14 (Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);

15 Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.

16 Ary noho izany dia tsy mahafaly an'i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy* sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: ratsy fanahy]

17 Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.

18 Noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia efa maintin'ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin'ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny

19 Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,

20 Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

 

Chapitre 9

9:1 But there shall be no more gloom for her who was in anguish. In the former time, he brought into contempt the land of Zebulun and the land of Naphtali; but in the latter time he has made it glorious, by the way of the sea, beyond the Jordan, Galilee of the nations.
9:2 The people who walked in darkness have seen a great light.
Those who lived in the land of the shadow of death, on them the light has shined.
9:3 You have multiplied the nation.
You have increased their joy.
They rejoice before you according to the joy in harvest, as men rejoice when they divide the spoil. 9:4 For the yoke of his burden, and the staff of his shoulder, the rod of his oppressor, you have broken as in the day of Midian. 9:5 For all the armor of the armed man in the noisy battle, and the garments rolled in blood, will be for burning, fuel for the fire. 9:6 For to us a child is born. To us a son is given; and the government will be on his shoulders. His name will be called Wonderful, Counselor, Mighty God, Everlasting Father, Prince of Peace. 9:7 Of the increase of his government and of peace there shall be no end, on the throne of David, and on his kingdom, to establish it, and to uphold it with justice and with righteousness from that time on, even forever. The zeal of Yahweh of Armies will perform this.

9:8 The Lord sent a word into Jacob,
and it falls on Israel.
9:9 All the people will know,
including Ephraim and the inhabitants of Samaria, who say in pride and in arrogance of heart,
9:10 “The bricks have fallen,
but we will build with cut stone.
The sycamore fig trees have been cut down,
but we will put cedars in their place.”
9:11 Therefore Yahweh will set up on high against him the adversaries of Rezin,
and will stir up his enemies,
9:12 The Syrians in front,
and the Philistines behind;
and they will devour Israel with open mouth.
For all this, his anger is not turned away,
but his hand is stretched out still.
9:13 Yet the people have not turned to him who struck them,
neither have they sought Yahweh of Armies.
9:14 Therefore Yahweh will cut off from Israel head and tail,
palm branch and reed, in one day.
9:15 The elder and the honorable man is the head,
and the prophet who teaches lies is the tail.
9:16 For those who lead this people lead them astray;
and those who are led by them are destroyed.
9:17 Therefore the Lord will not rejoice over their young men,
neither will he have compassion on their fatherless and widows;
for everyone is profane and an evildoer,
and every mouth speaks folly.
For all this his anger is not turned away,
but his hand is stretched out still.
9:18 For wickedness burns like a fire.
It devours the briers and thorns;
yes, it kindles in the thickets of the forest,
and they roll upward in a column of smoke.
9:19 Through the wrath of Yahweh of Armies, the land is burnt up;
and the people are the fuel for the fire.
No one spares his brother.
9:20 One will devour on the right hand, and be hungry;
and he will eat on the left hand, and they will not be satisfied.
Everyone will eat the flesh of his own arm:
9:21 Manasseh, Ephraim; and Ephraim, Manasseh; and they together shall be against Judah.
For all this his anger is not turned away,
but his hand is stretched out still.

 

Chapitre 9
1 (8:23) Mais les ténèbres ne régneront pas toujours Sur la terre où il y a maintenant des angoisses: Si les temps passés ont couvert d'opprobre Le pays de Zabulon et le pays de Nephthali, Les temps à venir couvriront de gloire La contrée voisine de la mer, au delà du Jourdain, Le territoire des Gentils. 2 (9:1) Le peuple qui marchait dans les ténèbres Voit une grande lumière; Sur ceux qui habitaient le pays de l'ombre de la mort Une lumière resplendit. 3 (9:2) Tu rends le peuple nombreux, Tu lui accordes de grandes joies; Il se réjouit devant toi, comme on se réjouit à la moisson, Comme on pousse des cris d'allégresse au partage du butin. 4 (9:3) Car le joug qui pesait sur lui, Le bâton qui frappait son dos, La verge de celui qui l'opprimait, Tu les brises, comme à la journée de Madian. 5 (9:4) Car toute chaussure qu'on porte dans la mêlée, Et tout vêtement guerrier roulé dans le sang, Seront livrés aux flammes, Pour être dévorés par le feu. 6 (9:5) Car un enfant nous est né, un fils nous est donné, Et la domination reposera sur son épaule; On l'appellera Admirable, Conseiller, Dieu puissant, Père éternel, Prince de la paix. 7 (9:6) Donner à l'empire de l'accroissement, Et une paix sans fin au trône de David et à son royaume, L'affermir et le soutenir par le droit et par la justice, Dès maintenant et à toujours: Voilà ce que fera le zèle de l'Éternel des armées. 8 (9:7) Le Seigneur envoie une parole à Jacob: Elle tombe sur Israël. 9 (9:8) Tout le peuple en aura connaissance, Éphraïm et les habitants de Samarie, Qui disent avec orgueil et fierté: 10 (9:9) Des briques sont tombées, Nous bâtirons en pierres de taille; Des sycomores ont été coupés, Nous les remplacerons par des cèdres. 11 (9:10) L'Éternel élèvera contre eux les ennemis de Retsin, Et il armera leurs ennemis, 12 (9:11) Les Syriens à l'orient, les Philistins à l'occident; Et ils dévoreront Israël à pleine bouche. Malgré tout cela, sa colère ne s'apaise point, Et sa main est encore étendue. 13 (9:12) Le peuple ne revient pas à celui qui le frappe, Et il ne cherche pas l'Éternel des armées. 14 (9:13) Aussi l'Éternel arrachera d'Israël la tête et la queue, La branche de palmier et le roseau, En un seul jour. 15 (9:14) (L'ancien et le magistrat, c'est la tête, Et le prophète qui enseigne le mensonge, c'est la queue.) 16 (9:15) Ceux qui conduisent ce peuple l'égarent, Et ceux qui se laissent conduire se perdent. 17 (9:16) C'est pourquoi le Seigneur ne saurait se réjouir de leurs jeunes hommes, Ni avoir pitié de leurs orphelins et de leurs veuves; Car tous sont des impies et des méchants, Et toutes les bouches profèrent des infamies. Malgré tout cela, sa colère ne s'apaise point, Et sa main est encore étendue. 18 (9:17) Car la méchanceté consume comme un feu, Qui dévore ronces et épines; Il embrase l'épaisseur de la forêt, D'où s'élèvent des colonnes de fumée. 19 (9:18) Par la colère de l'Éternel des armées le pays est embrasé, Et le peuple est comme la proie du feu; Nul n'épargne son frère. 20 (9:19) On pille à droite, et l'on a faim; On dévore à gauche, et l'on n'est pas rassasié; Chacun dévore la chair de son bras. 21 (9:20) Manassé dévore Éphraïm, Éphraïm Manassé, Et ensemble ils fondent sur Juda. Malgré tout cela, sa colère ne s'apaise point, Et sa main est encore étendue.