T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 [Ny amin'ny hahaterahan'ny zanaky ny mpaminanivavy, sy ny handresen'i Asyria ny Joda, ary ny toky ho azon'ny tena Isiraely noho ny nahaterahan'ny Zaza Mahagaga] Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an*'i Mahera-salala-hasi-baza**." [*Na: amin'][**Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]

2 Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin'i Jeberekia.

3 Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]

4 Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.

5 Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:

6 Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak'i Remalia,

7 Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata]

8 Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa* dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany]

9 Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.

10 Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra*. [Heb. Imanoela; izahao and. 8]

11 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin'ny falehan'ity firenena ity aho:

12 Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain'ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.

13 Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.

14 Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin'ny firenena roa amin'ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin'ny mponina any Jerosalema.

15 Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.

16 Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro.

17 Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.

18 Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.

19 Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?

20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina*.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina]

21 Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona* ny mpanjakany sy Andriamaniny**, ary dia hiandrandra;[*Na: hanozona amin'ny anaran'][**Na: ny andriamaniny]

22 Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy.

23 Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.

 

Chapitre 8

8:1 Yahweh said to me, “Take a large tablet, and write on it with a man’s pen, ‘For Maher Shalal Hash Baz;’ 8:2 and I will take for myself faithful witnesses to testify: Uriah the priest, and Zechariah the son of Jeberechiah.”

8:3 I went to the prophetess, and she conceived, and bore a son. Then Yahweh said to me, “Call his name ‘Maher Shalal Hash Baz.’ 8:4 For before the child knows how to say, ‘My father,’ and, ‘My mother,’ the riches of Damascus and the spoil of Samaria will be carried away by the king of Assyria.”

8:5 Yahweh spoke to me yet again, saying, 8:6 “Because this people have refused the waters of Shiloah that go softly, and rejoice in Rezin and Remaliah’s son; 8:7 now therefore, behold, the Lord brings upon them the mighty flood waters of the River: the king of Assyria and all his glory. It will come up over all its channels, and go over all its banks. 8:8 It will sweep onward into Judah. It will overflow and pass through; it will reach even to the neck; and the stretching out of its wings will fill the breadth of your land, Immanuel. 8:9 Make an uproar, you peoples, and be broken in pieces! Listen, all you from far countries: dress for battle, and be shattered! Dress for battle, and be shattered! 8:10 Take counsel together, and it will be brought to nothing; speak the word, and it will not stand: for God is with us.” 8:11 For Yahweh spoke thus to me with a strong hand, and instructed me not to walk in the way of this people, saying, 8:12 “Don’t say, ‘A conspiracy!’ concerning all about which this people say, ‘A conspiracy!’ neither fear their threats, nor be terrorized. 8:13 Yahweh of Armies is who you must respect as holy. He is the one you must fear. He is the one you must dread. 8:14 He will be a sanctuary, but for both houses of Israel, he will be a trap and a snare for the inhabitants of Jerusalem. 8:15 Many will stumble over it, fall, be broken, be snared, and be captured.” 8:16 Wrap up the testimony. Seal the law among my disciples. 8:17 I will wait for Yahweh, who hides his face from the house of Jacob, and I will look for him. 8:18 Behold, I and the children whom Yahweh has given me are for signs and for wonders in Israel from Yahweh of Armies, who dwells in Mount Zion.

8:19 When they tell you, “Consult with those who have familiar spirits and with the wizards, who chirp and who mutter:” shouldn’t a people consult with their God? Should they consult the dead on behalf of the living? 8:20 Turn to the law and to the testimony! If they don’t speak according to this word, surely there is no morning for them. 8:21 They will pass through it, very distressed and hungry; and it will happen that when they are hungry, they will worry, and curse by their king and by their God. They will turn their faces upward, 8:22 and look to the earth, and see distress, darkness, and the gloom of anguish. They will be driven into thick darkness.

 

Chapitre 8
1 L'Éternel me dit: Prends une grande table, et écris dessus, d'une manière intelligible: Qu'on se hâte de piller, qu'on se précipite sur le butin. 2 Je pris avec moi des témoins dignes de foi, le sacrificateur Urie, et Zacharie, fils de Bérékia. 3 Je m'étais approché de la prophétesse; elle conçut, et elle enfanta un fils. L'Éternel me dit: Donne-lui pour nom Maher-Schalal-Chasch-Baz. 4 Car, avant que l'enfant sache dire: Mon père! ma mère! on emportera devant le roi d'Assyrie les richesses de Damas et le butin de Samarie. 5 L'Éternel me parla encore, et me dit: 6 Parce que ce peuple a méprisé les eaux de Siloé qui coulent doucement Et qu'il s'est réjoui au sujet de Retsin et du fils de Remalia, 7 Voici, le Seigneur va faire monter contre eux Les puissantes et grandes eaux du fleuve (Le roi d'Assyrie et toute sa gloire); Il s'élèvera partout au-dessus de son lit, Et il se répandra sur toutes ses rives; 8 Il pénétrera dans Juda, il débordera et inondera, Il atteindra jusqu'au cou. Le déploiement de ses ailes Remplira l'étendue de ton pays, ô Emmanuel! 9 Poussez des cris de guerre, peuples! et vous serez brisés; Prêtez l'oreille, vous tous qui habitez au loin! Préparez-vous au combat, et vous serez brisés; Préparez-vous au combat, et vous serez brisés. 10 Formez des projets, et ils seront anéantis; Donnez des ordres, et ils seront sans effet: Car Dieu est avec nous. 11 Ainsi m'a parlé l'Éternel, quand sa main me saisit, Et qu'il m'avertit de ne pas marcher dans la voie de ce peuple: 12 N'appelez pas conjuration tout ce que ce peuple appelle conjuration; Ne craignez pas ce qu'il craint, et ne soyez pas effrayés. 13 C'est l'Éternel des armées que vous devez sanctifier, C'est lui que vous devez craindre et redouter. 14 Et il sera un sanctuaire, Mais aussi une pierre d'achoppement, Un rocher de scandale pour les deux maisons d'Israël, Un filet et un piège Pour les habitants de Jérusalem. 15 Plusieurs trébucheront; Ils tomberont et se briseront, Ils seront enlacés et pris. 16 Enveloppe cet oracle, Scelle cette révélation, parmi mes disciples. - 17 J'espère en l'Éternel, Qui cache sa face à la maison de Jacob; Je place en lui ma confiance. 18 Voici, moi et les enfants que l'Éternel m'a donnés, Nous sommes des signes et des présages en Israël, De la part de l'Éternel des armées, Qui habite sur la montagne de Sion. 19 Si l'on vous dit: Consultez ceux qui évoquent les morts et ceux qui prédisent l'avenir, Qui poussent des sifflements et des soupirs, Répondez: Un peuple ne consultera-t-il pas son Dieu? S'adressera-t-il aux morts en faveur des vivants? 20 A la loi et au témoignage! Si l'on ne parle pas ainsi, Il n'y aura point d'aurore pour le peuple. 21 Il sera errant dans le pays, accablé et affamé; Et, quand il aura faim, il s'irritera, Maudira son roi et son Dieu, Et tournera les yeux en haut; 22 Puis il regardera vers la terre, Et voici, il n'y aura que détresse, obscurité et de sombres angoisses: Il sera repoussé dans d'épaisses ténèbres.