T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 [Ny amin'ny hahaterahan'Imanoela, sy ny amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima] Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.

2 Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra.

3 Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba* zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina]

4 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.

5 Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe:

6 Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,

7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;

8 Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),

9 Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.

10 Ary Jehovah mbola niteny tamin'i Ahaza ihany ka nanao hoe:

11 Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony.

12 Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah

13 Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?

14 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]

15 Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.

16 Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

17 Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria);

18 Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria;

19 Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin'ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana rehetra.

20 Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.[Eofrata]

21 Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;

22 Ary noho ny haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany.

23 Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.

24 Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.

25 Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho* ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']

 

Chapitre 7
7:1 It happened in the days of Ahaz the son of Jotham, the son of Uzziah, king of Judah, that Rezin the king of Syria, and Pekah the son of Remaliah, king of Israel, went up to Jerusalem to war against it, but could not prevail against it. 7:2 It was told the house of David, saying, “Syria is allied with Ephraim.” His heart trembled, and the heart of his people, as the trees of the forest tremble with the wind. 7:3 Then Yahweh said to Isaiah, “Go out now to meet Ahaz, you, and Shearjashub your son, at the end of the conduit of the upper pool, on the highway of the fuller’s field. 7:4 Tell him, ‘Be careful, and keep calm. Don’t be afraid, neither let your heart be faint because of these two tails of smoking torches, for the fierce anger of Rezin and Syria, and of the son of Remaliah. 7:5 Because Syria, Ephraim, and the son of Remaliah, have plotted evil against you, saying, 7:6 “Let’s go up against Judah, and tear it apart, and let’s divide it among ourselves, and set up a king in its midst, even the son of Tabeel.” 7:7 This is what the Lord Yahweh says: “It shall not stand, neither shall it happen.” 7:8 For the head of Syria is Damascus, and the head of Damascus is Rezin; and within sixty-five years Ephraim shall be broken in pieces, so that it shall not be a people; 7:9 and the head of Ephraim is Samaria, and the head of Samaria is Remaliah’s son. If you will not believe, surely you shall not be established.’”

7:10 Yahweh spoke again to Ahaz, saying, 7:11 “Ask a sign of Yahweh your God; ask it either in the depth, or in the height above.”

7:12 But Ahaz said, “I will not ask, neither will I tempt Yahweh.”

7:13 He said, “Listen now, house of David. Is it not enough for you to try the patience of men, that you will try the patience of my God also? 7:14 Therefore the Lord himself will give you a sign. Behold, the virgin will conceive, and bear a son, and shall call his name Immanuel. 7:15 He shall eat butter and honey when he knows to refuse the evil, and choose the good. 7:16 For before the child knows to refuse the evil, and choose the good, the land whose two kings you abhor shall be forsaken. 7:17 Yahweh will bring on you, on your people, and on your father’s house, days that have not come, from the day that Ephraim departed from Judah; even the king of Assyria. 7:18 It will happen in that day that Yahweh will whistle for the fly that is in the uttermost part of the rivers of Egypt, and for the bee that is in the land of Assyria. 7:19 They shall come, and shall all rest in the desolate valleys, in the clefts of the rocks, on all thorn hedges, and on all pastures. 7:20 In that day the Lord will shave with a razor that is hired in the parts beyond the River, even with the king of Assyria, the head and the hair of the feet; and it shall also consume the beard. 7:21 It shall happen in that day that a man shall keep alive a young cow, and two sheep; 7:22 and it shall happen, that because of the abundance of milk which they shall give he shall eat butter: for everyone will eat butter and honey that is left in the midst of the land. 7:23 It will happen in that day that every place where there were a thousand vines at a thousand silver shekels, shall be for briers and thorns. 7:24 People will go there with arrows and with bow, because all the land will be briers and thorns. 7:25 All the hills that were cultivated with the hoe, you shall not come there for fear of briers and thorns; but it shall be for the sending forth of oxen, and for the treading of sheep.”

 

Chapitre 7

1 Il arriva, du temps d'Achaz, fils de Jotham, fils d'Ozias, roi de Juda, que Retsin, roi de Syrie, monta avec Pékach, fils de Remalia, roi d'Israël, contre Jérusalem, pour l'assiéger; mais il ne put l'assiéger. 2 On vint dire à la maison de David: Les Syriens sont campés en Éphraïm. Et le coeur d'Achaz et le coeur de son peuple furent agités, comme les arbres de la forêt sont agités par le vent. 3 Alors l'Éternel dit à Ésaïe: Va à la rencontre d'Achaz, toi et Schear-Jaschub, ton fils, vers l'extrémité de l'aqueduc de l'étang supérieur, sur la route du champ du foulon. 4 Et dis-lui: Sois tranquille, ne crains rien, Et que ton coeur ne s'alarme pas, Devant ces deux bouts de tisons fumants, Devant la colère de Retsin et de la Syrie, et du fils de Remalia, 5 De ce que la Syrie médite du mal contre toi, De ce qu'Éphraïm et le fils de Remalia disent: 6 Montons contre Juda, assiégeons la ville, Et battons-la en brèche, Et proclamons-y pour roi le fils de Tabeel. 7 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Cela n'arrivera pas, cela n'aura pas lieu. 8 Car Damas est la tête de la Syrie, Et Retsin est la tête de Damas. (Encore soixante-cinq ans, Éphraïm ne sera plus un peuple.) 9 La Samarie est la tête d'Éphraïm, Et le fils de Remalia est la tête de la Samarie. Si vous ne croyez pas, Vous ne subsisterez pas. 10 L'Éternel parla de nouveau à Achaz, et lui dit: 11 Demande en ta faveur un signe à l'Éternel, ton Dieu; demande-le, soit dans les lieux bas, soit dans les lieux élevés. 12 Achaz répondit: Je ne demanderai rien, je ne tenterai pas l'Éternel. 13 Ésaïe dit alors: Écoutez donc, maison de David! Est-ce trop peu pour vous de lasser la patience des hommes, Que vous lassiez encore celle de mon Dieu? 14 C'est pourquoi le Seigneur lui-même vous donnera un signe, Voici, la jeune fille deviendra enceinte, elle enfantera un fils, Et elle lui donnera le nom d'Emmanuel. 15 Il mangera de la crème et du miel, Jusqu'à ce qu'il sache rejeter le mal et choisir le bien. 16 Mais avant que l'enfant sache rejeter le mal et choisir le bien, Le pays dont tu crains les deux rois sera abandonné. 17 L'Éternel fera venir sur toi, Sur ton peuple et sur la maison de ton père, Des jours tels qu'il n'y en a point eu Depuis le jour où Éphraïm s'est séparé de Juda (Le roi d'Assyrie.) 18 En ce jour-là, l'Éternel sifflera les mouches Qui sont à l'extrémité des canaux de l'Égypte, Et les abeilles qui sont au pays d'Assyrie; 19 Elles viendront, et se poseront toutes dans les vallons désolés, Et dans les fentes des rochers, Sur tous les buissons, Et sur tous les pâturages. 20 En ce jour-là, le Seigneur rasera, avec un rasoir pris à louage Au delà du fleuve, Avec le roi d'Assyrie, La tête et le poil des pieds; Il enlèvera aussi la barbe. 21 En ce jour-là, Chacun entretiendra une jeune vache et deux brebis; 22 Et il y aura une telle abondance de lait Qu'on mangera de la crème, Car c'est de crème et de miel que se nourriront Tous ceux qui seront restés dans le pays. 23 En ce jour-là, Tout lieu qui contiendra mille ceps de vigne, Valant mille sicles d'argent, Sera livré aux ronces et aux épines: 24 On y entrera avec les flèches et avec l'arc, Car tout le pays ne sera que ronces et épines. 25 Et toutes les montagnes que l'on cultivait avec la bêche Ne seront plus fréquentées, par crainte des ronces et des épines: On y lâchera le boeuf, et la brebis en foulera le sol.