T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 [Ny amin'ny Isiraely. tanim-boalobok'i Jehovah, sy ny hanjo azy] Aoka aho hihira ny amin*'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;[Na: ho an']

2 Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.

3 Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin'ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.

4 Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?

5 Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;

6 Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona* tsy hampilatsaka ranonorana aminy. [Heb. rahona matevina]

7 Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà*; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.[Na: fampahoriana]

8 Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo!

9 Izao no ren'ny sofiko avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.

10 Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda*, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran'ny homera.[Zemeda dia anaram-pandrefesana, tokony ho antsasaky ny akera]

11 Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay!

12 Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.

13 Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta.

14 Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita* Hanao teli-moka an'i Jerosalema**; Ary any no hivarinan'ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay mifalifaly ao aminy;[*He. Sheola][**Heb. azy]

15 Ary ny zanak'olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason'ny miandranandrana dia haidina.

16 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no hisandratra amin'ny fitsarana, Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin'ny fahamarinana.

17 Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.

18 Lozan'izay mitari-keloka amin'ny kofehin'ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin'ny mahazakan-tsariety,

19 Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!

20 Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!

21 Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!

22 Lozan'izay fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto* nefa amin'ny fampiharoharoana toaka ihany! [Heb. mahery]

23 Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin'ny marina!

24 Koa toy ny fandevonan'ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan'ny fakany sy hijofoan'ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn'i Jehovah, Tompon'ny maro izy Sy nanamavo ny tenin'ny Iray Masin'ny Isiraely.

25 Koa izany no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin'ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

26 Ary hanangana faneva ho amin'ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran'ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo*; [Heb. mahery]

27 Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,

28 Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;

29 Ny fierony dia tahaka ny fieron'ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.

30 Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.

 

Chapitre 5
5:1 Let me sing for my well beloved a song of my beloved about his vineyard.
My beloved had a vineyard on a very fruitful hill.
5:2 He dug it up,
gathered out its stones,
planted it with the choicest vine,
built a tower in its midst,
and also cut out a winepress therein.
He looked for it to yield grapes,
but it yielded wild grapes.
5:3 “Now, inhabitants of Jerusalem and men of Judah,
please judge between me and my vineyard.
5:4 What could have been done more to my vineyard, that I have not done in it?
Why, when I looked for it to yield grapes, did it yield wild grapes?
5:5 Now I will tell you what I will do to my vineyard.
I will take away its hedge, and it will be eaten up.
I will break down its wall of it, and it will be trampled down.
5:6 I will lay it a wasteland.
It won’t be pruned nor hoed,
but it will grow briers and thorns.
I will also command the clouds that they rain no rain on it.”
5:7 For the vineyard of Yahweh of Armies is the house of Israel,
and the men of Judah his pleasant plant:
and he looked for justice, but, behold, oppression;
for righteousness, but, behold, a cry of distress.
5:8 Woe to those who join house to house,
who lay field to field, until there is no room,
and you are made to dwell alone in the midst of the land!
5:9 In my ears, Yahweh of Armies says: “Surely many houses will be desolate,
even great and beautiful, unoccupied.
5:10 For ten acres of vineyard shall yield one bath,
and a homer of seed shall yield an ephah.”
5:11 Woe to those who rise up early in the morning, that they may follow strong drink;
who stay late into the night, until wine inflames them!
5:12 The harp, lyre, tambourine, and flute, with wine, are at their feasts;
but they don’t respect the work of Yahweh,
neither have they considered the operation of his hands.
5:13 Therefore my people go into captivity for lack of knowledge.
Their honorable men are famished,
and their multitudes are parched with thirst.
5:14 Therefore Sheol has enlarged its desire,
and opened its mouth without measure;
and their glory, their multitude, their pomp, and he who rejoices among them, descend into it.
5:15 So man is brought low,
mankind is humbled,
and the eyes of the arrogant ones are humbled;
5:16 but Yahweh of Armies is exalted in justice,
and God the Holy One is sanctified in righteousness.
5:17 Then the lambs will graze as in their pasture,
and strangers will eat the ruins of the rich.
5:18 Woe to those who draw iniquity with cords of falsehood,
and wickedness as with cart rope;
5:19 Who say, “Let him make speed, let him hasten his work, that we may see it;
and let the counsel of the Holy One of Israel draw near and come,
that we may know it!”
5:20 Woe to those who call evil good, and good evil;
who put darkness for light,
and light for darkness;
who put bitter for sweet,
and sweet for bitter!
5:21 Woe to those who are wise in their own eyes,
and prudent in their own sight!
5:22 Woe to those who are mighty to drink wine,
and champions at mixing strong drink;
5:23 who acquit the guilty for a bribe,
but deny justice for the innocent!
5:24 Therefore as the tongue of fire devours the stubble,
and as the dry grass sinks down in the flame,
so their root shall be as rottenness,
and their blossom shall go up as dust;
because they have rejected the law of Yahweh of Armies,
and despised the word of the Holy One of Israel.
5:25 Therefore Yahweh’s anger burns against his people,
and he has stretched out his hand against them, and has struck them.
The mountains tremble,
and their dead bodies are as refuse in the midst of the streets.
For all this, his anger is not turned away,
but his hand is still stretched out.
5:26 He will lift up a banner to the nations from far,
and he will whistle for them from the end of the earth.
Behold, they will come speedily and swiftly.
5:27 None shall be weary nor stumble among them;
none shall slumber nor sleep;
neither shall the belt of their waist be untied,
nor the latchet of their shoes be broken:
5:28 whose arrows are sharp,
and all their bows bent.
Their horses’ hoofs will be like flint,
and their wheels like a whirlwind.
5:29 Their roaring will be like a lioness.
They will roar like young lions.
Yes, they shall roar,
and seize their prey and carry it off,
and there will be no one to deliver.
5:30 They will roar against them in that day like the roaring of the sea.
If one looks to the land behold, darkness and distress.
The light is darkened in its clouds.

 

Chapitre 5
1 Je chanterai à mon bien-aimé Le cantique de mon bien-aimé sur sa vigne. Mon bien-aimé avait une vigne, Sur un coteau fertile. 2 Il en remua le sol, ôta les pierres, et y mit un plant délicieux; Il bâtit une tour au milieu d'elle, Et il y creusa aussi une cuve. Puis il espéra qu'elle produirait de bons raisins, Mais elle en a produit de mauvais. 3 Maintenant donc, habitants de Jérusalem et hommes de Juda, Soyez juges entre moi et ma vigne! 4 Qu'y avait-il encore à faire à ma vigne, Que je n'aie pas fait pour elle? Pourquoi, quand j'ai espéré qu'elle produirait de bons raisins, En a-t-elle produit de mauvais? 5 Je vous dirai maintenant Ce que je vais faire à ma vigne. J'en arracherai la haie, pour qu'elle soit broutée; J'en abattrai la clôture, pour qu'elle soit foulée aux pieds. 6 Je la réduirai en ruine; elle ne sera plus taillée, ni cultivée; Les ronces et les épines y croîtront; Et je donnerai mes ordres aux nuées, Afin qu'elles ne laissent plus tomber la pluie sur elle. 7 La vigne de l'Éternel des armées, c'est la maison d'Israël, Et les hommes de Juda, c'est le plant qu'il chérissait. Il avait espéré de la droiture, et voici du sang versé! De la justice, et voici des cris de détresse! 8 Malheur à ceux qui ajoutent maison à maison, Et qui joignent champ à champ, Jusqu'à ce qu'il n'y ait plus d'espace, Et qu'ils habitent seuls au milieu du pays! 9 Voici ce que m'a révélé l'Éternel des armées: Certainement, ces maisons nombreuses seront dévastées, Ces grandes et belles maisons n'auront plus d'habitants. 10 Même dix arpents de vigne ne produiront qu'un bath, Et un homer de semence ne produira qu'un épha. 11 Malheur à ceux qui de bon matin Courent après les boissons enivrantes, Et qui bien avant dans la nuit Sont échauffés par le vin! 12 La harpe et le luth, le tambourin, la flûte et le vin, animent leurs festins; Mais ils ne prennent point garde à l'oeuvre de l'Éternel, Et ils ne voient point le travail de ses mains. 13 C'est pourquoi mon peuple sera soudain emmené captif; Sa noblesse mourra de faim, Et sa multitude sera desséchée par la soif. 14 C'est pourquoi le séjour des morts ouvre sa bouche, Élargit sa gueule outre mesure; Alors descendent la magnificence et la richesse de Sion, Et sa foule bruyante et joyeuse. 15 Les petits seront abattus, les grands seront humiliés, Et les regards des hautains seront abaissés. 16 L'Éternel des armées sera élevé par le jugement, Et le Dieu saint sera sanctifié par la justice. 17 Des brebis paîtront comme sur leur pâturage, Et des étrangers dévoreront les possessions ruinées des riches. 18 Malheur à ceux qui tirent l'iniquité avec les cordes du vice, Et le péché comme avec les traits d'un char, 19 Et qui disent: Qu'il hâte, qu'il accélère son oeuvre, Afin que nous la voyions! Que le décret du Saint d'Israël arrive et s'exécute, Afin que nous le connaissions! 20 Malheur à ceux qui appellent le mal bien, et le bien mal, Qui changent les ténèbres en lumière, et la lumière en ténèbres, Qui changent l'amertume en douceur, et la douceur en amertume! 21 Malheur à ceux qui sont sages à leurs yeux, Et qui se croient intelligents! 22 Malheur à ceux qui ont de la bravoure pour boire du vin, Et de la vaillance pour mêler des liqueurs fortes; 23 Qui justifient le coupable pour un présent, Et enlèvent aux innocents leurs droits! 24 C'est pourquoi, comme une langue de feu dévore le chaume, Et comme la flamme consume l'herbe sèche, Ainsi leur racine sera comme de la pourriture, Et leur fleur se dissipera comme de la poussière; Car ils ont dédaigné la loi de l'Éternel des armées, Et ils ont méprisé la parole du Saint d'Israël. 25 C'est pourquoi la colère de l'Éternel s'enflamme contre son peuple, Il étend sa main sur lui, et il le frappe; Les montagnes s'ébranlent; Et les cadavres sont comme des balayures au milieu des rues. Malgré tout cela, sa colère ne s'apaise point, Et sa main est encore étendue. 26 Il élève une bannière pour les peuples lointains, Et il en siffle un des extrémités de la terre: Et voici, il arrive avec promptitude et légèreté. 27 Nul n'est fatigué, nul ne chancelle de lassitude, Personne ne sommeille, ni ne dort; Aucun n'a la ceinture de ses reins détachée, Ni la courroie de ses souliers rompue. 28 Ses flèches sont aiguës, Et tous ses arcs tendus; Les sabots de ses chevaux ressemblent à des cailloux, Et les roues de ses chars à un tourbillon. 29 Son rugissement est comme celui d'une lionne; Il rugit comme des lionceaux, il gronde, et saisit la proie, Il l'emporte, et personne ne vient au secours. 30 En ce jour, il y aura près de lui un mugissement, Comme celui d'une tempête sur mer; En regardant la terre, on ne verra que ténèbres, Avec des alternatives d'angoisse et d'espérance; Au ciel, l'obscurité régnera.