T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 43

1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.

2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;

3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.

4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao.

5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;

6 Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany,

7 Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.

8 Ento mivoaka* ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina. [Na: Entiko mivoaka]

9 Aoka hiangona* ny firenena rehetra, Ary aoka hivory** ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany. [*Na: Miangona][**Na: mivory]

10 Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.

11 Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.

12 Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.

13 Eny, hatramin'izary andro izany* Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? [Na: Hatrizay nisian'ny andro]

14 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, sy ny hampodiany azy avy amin'ny fahababoana, ary ny hampidinany ny Fanahiny] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin*'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.[Na: dia]

15 Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.

 

16 Izao no lazain'i Jehovah, Izay manao lalana eny amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny rano manonja,

17 Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:

18 Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.

19 Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony;

20 Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia* ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. [Na: jakala]

21 Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.

22 Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao*, ry Isiraely. [Na: Na nisasaranao akory]

23 Tsy nitondranao ny zanak'ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra* anao tamin'ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. nampanompo]

24 Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny fanatitrao; Fa nampahavesatra* Ahy tamin'ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao. [Heb. nampanompo]

25 Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.

26 Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.

27 Ny razambenao* voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko, [Heb. rainao]

28 Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana* ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]

 

Chapitre 43

43:1 But now thus says Yahweh who created you, Jacob,
and he who formed you, Israel:
“Don’t be afraid, for I have redeemed you.
I have called you by your name.
You are mine.
43:2 When you pass through the waters, I will be with you;
and through the rivers, they will not overflow you.
When you walk through the fire, you will not be burned,
and flame will not scorch you.
43:3 For I am Yahweh your God,
the Holy One of Israel,
your Savior.
I have given Egypt as your ransom,
Ethiopia and Seba in your place.
43:4 Since you have been precious and honored in my sight,
and I have loved you;
therefore I will give people in your place,
and nations instead of your life.
43:5 Don’t be afraid; for I am with you.
I will bring your seed from the east,
and gather you from the west.
43:6 I will tell the north, ‘Give them up!’
and tell the south, ‘Don’t hold them back!
Bring my sons from far,
and my daughters from the ends of the earth—
43:7 everyone who is called by my name,
and whom I have created for my glory,
whom I have formed,
yes, whom I have made.’”
43:8 Bring out the blind people who have eyes,
and the deaf who have ears.
43:9 Let all the nations be gathered together,
and let the peoples be assembled.
Who among them can declare this,
and show us former things?
Let them bring their witnesses, that they may be justified;
or let them hear, and say, “That is true.”
43:10 “You are my witnesses,” says Yahweh,
“With my servant whom I have chosen;
that you may know and believe me,
and understand that I am he.
Before me there was no God formed,
neither will there be after me.
43:11 I myself am Yahweh;
and besides me there is no savior.
43:12 I have declared, I have saved, and I have shown;
and there was no strange god among you.
Therefore you are my witnesses,”
says Yahweh, “and I am God.
43:13 Yes, since the day was I am he;
and there is no one who can deliver out of my hand.
I will work, and who can hinder it?”
43:14 Thus says Yahweh, your Redeemer, the Holy One of Israel: “For your sake, I have sent to Babylon, and I will bring all of them down as fugitives, even the Chaldeans, in the ships of their rejoicing. 43:15 I am Yahweh, your Holy One, the Creator of Israel, your King.”

43:16

Thus says Yahweh, who makes a way in the sea,
and a path in the mighty waters;
43:17 who brings forth the chariot and horse,
the army and the mighty man
(they lie down together, they shall not rise;
they are extinct, they are quenched like a wick):
43:18 “Don’t remember the former things,
and don’t consider the things of old.
43:19 Behold, I will do a new thing.
It springs forth now.
Don’t you know it?
I will even make a way in the wilderness,
and rivers in the desert.
43:20 The animals of the field shall honor me,
the jackals and the ostriches;
because I give water in the wilderness and rivers in the desert,
to give drink to my people, my chosen,
43:21 the people which I formed for myself,
that they might set forth my praise.
43:22 Yet you have not called on me, Jacob;
but you have been weary of me, Israel.
43:23 You have not brought me of your sheep for burnt offerings;
neither have you honored me with your sacrifices.
I have not burdened you with offerings,
nor wearied you with frankincense.
43:24 You have bought me no sweet cane with money,
nor have you filled me with the fat of your sacrifices;
but you have burdened me with your sins.
You have wearied me with your iniquities.
43:25 I, even I, am he who blots out your transgressions for my own sake;
and I will not remember your sins.
43:26 Put me in remembrance.
Let us plead together.
Set forth your case,
that you may be justified.
43:27 Your first father sinned,
and your teachers have transgressed against me.
43:28 Therefore I will profane the princes of the sanctuary;
and I will make Jacob a curse,
and Israel an insult.”

 

Chapitre 43

1 Ainsi parle maintenant l'Éternel, qui t'a créé, ô Jacob! Celui qui t'a formé, ô Israël! Ne crains rien, car je te rachète, Je t'appelle par ton nom: tu es à moi! 2 Si tu traverses les eaux, je serai avec toi; Et les fleuves, ils ne te submergeront point; Si tu marches dans le feu, tu ne te brûleras pas, Et la flamme ne t'embrasera pas. 3 Car je suis l'Éternel, ton Dieu, Le Saint d'Israël, ton sauveur; Je donne l'Égypte pour ta rançon, L'Éthiopie et Saba à ta place. 4 Parce que tu as du prix à mes yeux, Parce que tu es honoré et que je t'aime, Je donne des hommes à ta place, Et des peuples pour ta vie. 5 Ne crains rien, car je suis avec toi; Je ramènerai de l'orient ta race, Et je te rassemblerai de l'occident. 6 Je dirai au septentrion: Donne! Et au midi: Ne retiens point! Fais venir mes fils des pays lointains, Et mes filles de l'extrémité de la terre, 7 Tous ceux qui s'appellent de mon nom, Et que j'ai créés pour ma gloire, Que j'ai formés et que j'ai faits. 8 Qu'on fasse sortir le peuple aveugle, qui a des yeux, Et les sourds, qui ont des oreilles. 9 Que toutes les nations se rassemblent, Et que les peuples se réunissent. Qui d'entre eux a annoncé ces choses? Lesquels nous ont fait entendre les premières prédictions? Qu'ils produisent leurs témoins et établissent leur droit; Qu'on écoute et qu'on dise: C'est vrai! 10 Vous êtes mes témoins, dit l'Éternel, Vous, et mon serviteur que j'ai choisi, Afin que vous le sachiez, Que vous me croyiez et compreniez que c'est moi: Avant moi il n'a point été formé de Dieu, Et après moi il n'y en aura point. 11 C'est moi, moi qui suis l'Éternel, Et hors moi il n'y a point de sauveur. 12 C'est moi qui ai annoncé, sauvé, prédit, Ce n'est point parmi vous un dieu étranger; Vous êtes mes témoins, dit l'Éternel, C'est moi qui suis Dieu. 13 Je le suis dès le commencement, Et nul ne délivre de ma main; J'agirai: qui s'y opposera? 14 Ainsi parle l'Éternel, Votre rédempteur, le Saint d'Israël: A cause de vous, j'envoie l'ennemi contre Babylone, Et je fais descendre tous les fuyards, Même les Chaldéens, sur les navires dont ils tiraient gloire. 15 Je suis l'Éternel, votre Saint, Le créateur d'Israël, votre roi. 16 Ainsi parle l'Éternel, Qui fraya dans la mer un chemin, Et dans les eaux puissantes un sentier, 17 Qui mit en campagne des chars et des chevaux, Une armée et de vaillants guerriers, Soudain couchés ensemble, pour ne plus se relever, Anéantis, éteints comme une mèche: 18 Ne pensez plus aux événements passés, Et ne considérez plus ce qui est ancien. 19 Voici, je vais faire une chose nouvelle, sur le point d'arriver: Ne la connaîtrez-vous pas? Je mettrai un chemin dans le désert, Et des fleuves dans la solitude. 20 Les bêtes des champs me glorifieront, Les chacals et les autruches, Parce que j'aurai mis des eaux dans le désert, Des fleuves dans la solitude, Pour abreuver mon peuple, mon élu. 21 Le peuple que je me suis formé Publiera mes louanges. 22 Et tu ne m'as pas invoqué, ô Jacob! Car tu t'es lassé de moi, ô Israël! 23 Tu ne m'as pas offert tes brebis en holocauste, Et tu ne m'as pas honoré par tes sacrifices; Je ne t'ai point tourmenté pour des offrandes, Et je ne t'ai point fatigué pour de l'encens. 24 Tu n'as pas à prix d'argent acheté pour moi des aromates, Et tu ne m'as pas rassasié de la graisse de tes sacrifices; Mais tu m'as tourmenté par tes péchés, Tu m'as fatigué par tes iniquités. 25 C'est moi, moi qui efface tes transgressions pour l'amour de moi, Et je ne me souviendrai plus de tes péchés. 26 Réveille ma mémoire, plaidons ensemble, Parle toi-même, pour te justifier. 27 Ton premier père a péché, Et tes interprètes se sont rebellés contre moi. 28 C'est pourquoi j'ai traité en profanes les chefs du sanctuaire, J'ai livré Jacob à la destruction, Et Israël aux outrages.