T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 40

1 [Teny mahafaly, fampiononana ny Isiraely] Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;

2 Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny*, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany]

3 Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.

4 Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;

5 Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.

6 Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;

7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.

8 Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.

9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô*, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô*, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [*Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][**Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema]

10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.

11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.

12 Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata*, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana? [Heb. ampahatelon'ny efaha]

13 Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?

14 Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ?

15 Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra*. [Na: tahaka ny vovoka madinika paohin'ny rivotra]

16 Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.

17 Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.

18 Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?

19 Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.

20 Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.

21 Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?

22 Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;

23 Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.

24 Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.

25 Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.

26 Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.

27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?

28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.

29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.

30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;

31 Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.

 

40:1 “Comfort, comfort my people,” says your God. 40:2 “Speak comfortably to Jerusalem; and call out to her that her warfare is accomplished, that her iniquity is pardoned, that she has received of Yahweh’s hand double for all her sins.”

40:3 The voice of one who calls out,
“Prepare the way of Yahweh in the wilderness!
Make a level highway in the desert for our God.
40:4 Every valley shall be exalted,
and every mountain and hill shall be made low.
The uneven shall be made level,
and the rough places a plain.
40:5 The glory of Yahweh shall be revealed,
and all flesh shall see it together;
for the mouth of Yahweh has spoken it.” 40:6 The voice of one saying, “Cry!”
One said, “What shall I cry?”
“All flesh is like grass,
and all its glory is like the flower of the field.
40:7 The grass withers,
the flower fades,
because Yahweh’s breath blows on it.
Surely the people are like grass.
40:8 The grass withers,
the flower fades;
but the word of our God stands forever.”
40:9 You who tell good news to Zion, go up on a high mountain.
You who tell good news to Jerusalem, lift up your voice with strength.
Lift it up. Don’t be afraid.
Say to the cities of Judah, “Behold, your God!”
40:10 Behold, the Lord Yahweh will come as a mighty one,
and his arm will rule for him.
Behold, his reward is with him,
and his recompense before him.
40:11 He will feed his flock like a shepherd.
He will gather the lambs in his arm,
and carry them in his bosom.
He will gently lead those who have their young.
40:12 Who has measured the waters in the hollow of his hand,
and marked off the sky with his span,
and calculated the dust of the earth in a measure,
and weighed the mountains in scales,
and the hills in a balance?
40:13 Who has directed the Spirit of Yahweh,
or has taught him as his counselor?
40:14 Who did he take counsel with,
and who instructed him,
and taught him in the path of justice,
and taught him knowledge,
and showed him the way of understanding?
40:15 Behold, the nations are like a drop in a bucket,
and are regarded as a speck of dust on a balance.
Behold, he lifts up the islands like a very little thing.
40:16 Lebanon is not sufficient to burn,
nor its animals sufficient for a burnt offering.
40:17 All the nations are like nothing before him.
They are regarded by him as less than nothing, and vanity.
40:18 To whom then will you liken God?
Or what likeness will you compare to him?
40:19 A workman has cast an image,
and the goldsmith overlays it with gold,
and casts silver chains for it.
40:20 He who is too impoverished for such an offering chooses a tree that will not rot.
He seeks a skillful workman to set up an engraved image for him that will not be moved.
40:21 Haven’t you known?
Haven’t you heard, yet?
Haven’t you been told from the beginning?
Haven’t you understood from the foundations of the earth?
40:22 It is he who sits above the circle of the earth,
and its inhabitants are like grasshoppers;
who stretches out the heavens like a curtain,
and spreads them out like a tent to dwell in;
40:23 who brings princes to nothing;
who makes the judges of the earth like meaningless.
40:24 They are planted scarcely.
They are sown scarcely.
Their stock has scarcely taken root in the ground.
He merely blows on them, and they wither,
and the whirlwind takes them away as stubble.
40:25 “To whom then will you liken me?
Who is my equal?” says the Holy One.
40:26 Lift up your eyes on high,
and see who has created these,
who brings out their army by number.
He calls them all by name.
by the greatness of his might,
and because he is strong in power,
Not one is lacking.
40:27 Why do you say, Jacob,
and speak, Israel,
“My way is hidden from Yahweh,
and the justice due me is disregarded by my God?”
40:28 Haven’t you known?
Haven’t you heard?
The everlasting God, Yahweh,
The Creator of the ends of the earth, doesn’t faint.
He isn’t weary.
His understanding is unsearchable.
40:29 He gives power to the weak.
He increases the strength of him who has no might.
40:30 Even the youths faint and get weary,
and the young men utterly fall;
40:31 But those who wait for Yahweh will renew their strength.
They will mount up with wings like eagles.
They will run, and not be weary.
They will walk, and not faint.

 

Chapitre 40

1 Consolez, consolez mon peuple, Dit votre Dieu. 2 Parlez au coeur de Jérusalem, et criez lui Que sa servitude est finie, Que son iniquité est expiée, Qu'elle a reçu de la main de l'Éternel Au double de tous ses péchés. 3 Une voix crie: Préparez au désert le chemin de l'Éternel, Aplanissez dans les lieux arides Une route pour notre Dieu. 4 Que toute vallée soit exhaussée, Que toute montagne et toute colline soient abaissées! Que les coteaux se changent en plaines, Et les défilés étroits en vallons! 5 Alors la gloire de l'Éternel sera révélée, Et au même instant toute chair la verra; Car la bouche de l'Éternel a parlé. 6 Une voix dit: Crie! -Et il répond: Que crierai-je? Toute chair est comme l'herbe, Et tout son éclat comme la fleur des champs. 7 L'herbe sèche, la fleur tombe, Quand le vent de l'Éternel souffle dessus. -Certainement le peuple est comme l'herbe: 8 L'herbe sèche, la fleur tombe; Mais la parole de notre Dieu subsiste éternellement. 9 Monte sur une haute montagne, Sion, pour publier la bonne nouvelle; Élève avec force ta voix, Jérusalem, pour publier la bonne nouvelle; Élève ta voix, ne crains point, Dis aux villes de Juda: Voici votre Dieu! 10 Voici, le Seigneur, l'Éternel vient avec puissance, Et de son bras il commande; Voici, le salaire est avec lui, Et les rétributions le précèdent. 11 Comme un berger, il paîtra son troupeau, Il prendra les agneaux dans ses bras, Et les portera dans son sein; Il conduira les brebis qui allaitent. 12 Qui a mesuré les eaux dans le creux de sa main, Pris les dimensions des cieux avec la paume, Et ramassé la poussière de la terre dans un tiers de mesure? Qui a pesé les montagnes au crochet, Et les collines à la balance? 13 Qui a sondé l'esprit de l'Éternel, Et qui l'a éclairé de ses conseils? 14 Avec qui a-t-il délibéré pour en recevoir de l'instruction? Qui lui a appris le sentier de la justice? Qui lui a enseigné la sagesse, Et fait connaître le chemin de l'intelligence? 15 Voici, les nations sont comme une goutte d'un seau, Elles sont comme de la poussière sur une balance; Voici, les îles sont comme une fine poussière qui s'envole. 16 Le Liban ne suffit pas pour le feu, Et ses animaux ne suffisent pas pour l'holocauste. 17 Toutes les nations sont devant lui comme un rien, Elles ne sont pour lui que néant et vanité. 18 A qui voulez-vous comparer Dieu? Et quelle image ferez-vous son égale? 19 C'est un ouvrier qui fond l'idole, Et c'est un orfèvre qui la couvre d'or, Et y soude des chaînettes d'argent. 20 Celui que la pauvreté oblige à donner peu Choisit un bois qui résiste à la vermoulure; Il se procure un ouvrier capable, Pour faire une idole qui ne branle pas. 21 Ne le savez-vous pas? ne l'avez-vous pas appris? Ne vous l'a-t-on pas fait connaître dès le commencement? N'avez-vous jamais réfléchi à la fondation de la terre? 22 C'est lui qui est assis au-dessus du cercle de la terre, Et ceux qui l'habitent sont comme des sauterelles; Il étend les cieux comme une étoffe légère, Il les déploie comme une tente, pour en faire sa demeure. 23 C'est lui qui réduit les princes au néant, Et qui fait des juges de la terre une vanité; 24 Ils ne sont pas même plantés, pas même semés, Leur tronc n'a pas même de racine en terre: Il souffle sur eux, et ils se dessèchent, Et un tourbillon les emporte comme le chaume. 25 A qui me comparerez-vous, pour que je lui ressemble? Dit le Saint. 26 Levez vos yeux en haut, et regardez! Qui a créé ces choses? Qui fait marcher en ordre leur armée? Il les appelle toutes par leur nom; Par son grand pouvoir et par sa force puissante, Il n'en est pas une qui fasse défaut. 27 Pourquoi dis-tu, Jacob, Pourquoi dis-tu, Israël: Ma destinée est cachée devant l'Éternel, Mon droit passe inaperçu devant mon Dieu? 28 Ne le sais-tu pas? ne l'as-tu pas appris? C'est le Dieu d'éternité, l'Éternel, Qui a créé les extrémités de la terre; Il ne se fatigue point, il ne se lasse point; On ne peut sonder son intelligence. 29 Il donne de la force à celui qui est fatigué, Et il augmente la vigueur de celui qui tombe en défaillance. 30 Les adolescents se fatiguent et se lassent, Et les jeunes hommes chancellent; 31 Mais ceux qui se confient en l'Éternel renouvellent leur force. Ils prennent le vol comme les aigles; Ils courent, et ne se lassent point, Ils marchent, et ne se fatiguent point.