T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 38

1 [Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanalavan'Andriamanitra ny androny, ary ny fiderana nataony amin'izany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.

2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin'i Jehovah

3 hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.

4 Dia tonga tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

5 Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao,

6 sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.

7 Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin'i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:

8 Indro, hampiverina ny aloka hàdiny* folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin*' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny* folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. [Heb. ambaratonga]

9 Ny teny nosoratan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:

10 Hoy izaho: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*; nesorina tamiko ny androko sisa. [Heb. Sheola]

11 Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]

12 Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.

13 Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.

14 Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.

15 Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra noho* ny fangidian'ny aiko. [Na: rehefa afaka]

16 Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.

17 Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.

18 Fa ny fiainan-tsi-hita* tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb. Sheola]

19 Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.

20 Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon'i Jehovah izahay Amin'ny andro rehetra iainanay.

21 Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy, ary apetaho amin'ny vay izany, mba ho sitrana izy.

22 Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?

 

Chapitre 38

38:1 In those days was Hezekiah sick and near death. Isaiah the prophet, the son of Amoz, came to him, and said to him, “Thus says Yahweh, ‘Set your house in order, for you will die, and not live.’”

38:2 Then Hezekiah turned his face to the wall and prayed to Yahweh, 38:3 and said, “Remember now, Yahweh, I beg you, how I have walked before you in truth and with a perfect heart, and have done that which is good in your sight.” Hezekiah wept bitterly.

38:4 Then the word of Yahweh came to Isaiah, saying, 38:5 “Go, and tell Hezekiah, ‘Thus says Yahweh, the God of David your father, “I have heard your prayer. I have seen your tears. Behold, I will add fifteen years to your life. 38:6 I will deliver you and this city out of the hand of the king of Assyria, and I will defend this city. 38:7 This shall be the sign to you from Yahweh, that Yahweh will do this thing that he has spoken. 38:8 Behold, I will cause the shadow on the sundial, which has gone down on the sundial of Ahaz with the sun, to return backward ten steps. So the sun returned ten steps on the sundial on which it had gone down.”’”

38:9 The writing of Hezekiah king of Judah, when he had been sick, and had recovered of his sickness.

38:10

I said, “In the middle of my life I go into the gates of Sheol.
I am deprived of the residue of my years.”
38:11 I said, “I won’t see Yah,
Yah in the land of the living.
I will see man no more with the inhabitants of the world.
38:12 My dwelling is removed,
and is carried away from me like a shepherd’s tent.
I have rolled up, like a weaver, my life.
He will cut me off from the loom.
From day even to night you will make an end of me.
38:13 I waited patiently until morning.
He breaks all my bones like a lion.
From day even to night you will make an end of me.
38:14 I chattered like a swallow or a crane.
I moaned like a dove.
My eyes weaken looking upward.
Lord, I am oppressed.
Be my security.”
38:15 What will I say?
He has both spoken to me, and himself has done it.
I will walk carefully all my years because of the anguish of my soul.
38:16 Lord, men live by these things;
and my spirit finds life in all of them:
you restore me, and cause me to live.
38:17 Behold, for peace I had great anguish,
but you have in love for my soul delivered it from the pit of corruption;
for you have cast all my sins behind your back.
38:18 For Sheol can’t praise you.
Death can’t celebrate you.
Those who go down into the pit can’t hope for your truth.
38:19 The living, the living, he shall praise you, as I do this day.
The father shall make known your truth to the children.
38:20 Yahweh will save me.
Therefore we will sing my songs with stringed instruments all the days of our life in the house of Yahweh.
38:21 Now Isaiah had said, “Let them take a cake of figs, and lay it for a poultice on the boil, and he shall recover.” 38:22 Hezekiah also had said, “What is the sign that I will go up to the house of Yahweh?”

 

Chapitre 38
1 En ce temps-là, Ézéchias fut malade à la mort. Le prophète Ésaïe, fils d'Amots, vint auprès de lui, et lui dit: Ainsi parle l'Éternel: Donne tes ordres à ta maison, car tu vas mourir, et tu ne vivras plus. 2 Ézéchias tourna son visage contre le mur, et fit cette prière à l'Éternel: 3 O Éternel! souviens-toi que j'ai marché devant ta face avec fidélité et intégrité de coeur, et que j'ai fait ce qui est bien à tes yeux! Et Ézéchias répandit d'abondantes larmes. 4 Puis la parole de l'Éternel fut adressée à Ésaïe, en ces mots: 5 Va, et dis à Ézéchias: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu de David, ton père: J'ai entendu ta prière, j'ai vu tes larmes. Voici, j'ajouterai à tes jours quinze années. 6 Je te délivrerai, toi et cette ville, de la main du roi d'Assyrie; je protégerai cette ville. 7 Et voici, de la part de l'Éternel, le signe auquel tu connaîtras que l'Éternel accomplira la parole qu'il a prononcée. 8 Je ferai reculer de dix degrés en arrière avec le soleil l'ombre des degrés qui est descendue sur les degrés d'Achaz. Et le soleil recula de dix degrés sur les degrés où il était descendu. 9 Cantique d'Ézéchias, roi de Juda, sur sa maladie et sur son rétablissement. 10 Je disais: Quand mes jours sont en repos, je dois m'en aller Aux portes du séjour des morts. Je suis privé du reste de mes années! 11 Je disais: Je ne verrai plus l'Éternel, L'Éternel, sur la terre des vivants; Je ne verrai plus aucun homme Parmi les habitants du monde! 12 Ma demeure est enlevée et transportée loin de moi, Comme une tente de berger; Je sens le fil de ma vie coupé comme par un tisserand Qui me retrancherait de sa trame. Du jour à la nuit tu m'auras achevé! 13 Je me suis contenu jusqu'au matin; Comme un lion, il brisait tous mes os, Du jour à la nuit tu m'auras achevé! 14 Je poussais des cris comme une hirondelle en voltigeant, Je gémissais comme la colombe; Mes yeux s'élevaient languissants vers le ciel: O Éternel! je suis dans l'angoisse, secours-moi! 15 Que dirai-je? Il m'a répondu, et il m'a exaucé. Je marcherai humblement jusqu'au terme de mes années, Après avoir été ainsi affligé. 16 Seigneur, c'est par tes bontés qu'on jouit de la vie, C'est par elles que je respire encore; Tu me rétablis, tu me rends à la vie. 17 Voici, mes souffrances mêmes sont devenues mon salut; Tu as pris plaisir à retirer mon âme de la fosse du néant, Car tu as jeté derrière toi tous mes péchés. 18 Ce n'est pas le séjour des morts qui te loue, Ce n'est pas la mort qui te célèbre; Ceux qui sont descendus dans la fosse n'espèrent plus en ta fidélité. 19 Le vivant, le vivant, c'est celui-là qui te loue, Comme moi aujourd'hui; Le père fait connaître à ses enfants ta fidélité. 20 L'Éternel m'a sauvé! Nous ferons résonner les cordes de nos instruments, Tous les jours de notre vie, Dans la maison de l'Éternel. 21 Ésaïe avait dit: Qu'on apporte une masse de figues, et qu'on les étende sur l'ulcère; et Ézéchias vivra. 22 Et Ézéchias avait dit: A quel signe connaîtrai-je que je monterai à la maison de l'Éternel?