T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 36

1 [Ny nanafihan'i Sankeriba an'i Joda, sy ny teny nampitondrainy ho any amin'i Hezekia, ary ny fitarainan'i Hezekia sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazain'Isaia taminy] Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.

2 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.

3 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.

4 Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona moa izato itokianao?

5 Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?

6 Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.

7 Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara ity no hiankohofanareo?

8 Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.

9 Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?

10 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho amin'izany tany izany, ka ravao izy.

11 Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana* no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda. [Heb. Aramiana]

12 Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany* sy hisotroany izay tsy fisotrony** miaraka aminareo? [*Heb. ny tainy][**Heb. ny amaniny]

13 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria.

14 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory.

15 Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.

16 Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,

17 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka.

18 Aza mety homen'i Hezekia vohony ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?

19 Aiza moa ny andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr'i Sefarvaima? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?

20 Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?

21 Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.

22 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.

 

Chapitre 36
36:1 Now it happened in the fourteenth year of king Hezekiah, that Sennacherib king of Assyria attacked all of the fortified cities of Judah, and captured them. 36:2 The king of Assyria sent Rabshakeh from Lachish to Jerusalem to king Hezekiah with a large army. He stood by the aqueduct from the upper pool in the fuller’s field highway. 36:3 Then Eliakim the son of Hilkiah, who was over the household, and Shebna the scribe, and Joah, the son of Asaph, the recorder came out to him. 36:4 Rabshakeh said to them, “Now tell Hezekiah, ‘Thus says the great king, the king of Assyria, “What confidence is this in which you trust? 36:5 I say that your counsel and strength for the war are only vain words. Now in whom do you trust, that you have rebelled against me? 36:6 Behold, you trust in the staff of this bruised reed, even in Egypt, which if a man leans on it, it will go into his hand and pierce it. So is Pharaoh king of Egypt to all who trust in him. 36:7 But if you tell me, ‘We trust in Yahweh our God,’ isn’t that he whose high places and whose altars Hezekiah has taken away, and has said to Judah and to Jerusalem, ‘You shall worship before this altar?’” 36:8 Now therefore, please make a pledge to my master the king of Assyria, and I will give you two thousand horses, if you are able on your part to set riders on them. 36:9 How then can you turn away the face of one captain of the least of my master’s servants, and put your trust on Egypt for chariots and for horsemen? 36:10 Have I come up now without Yahweh against this land to destroy it? Yahweh said to me, “Go up against this land, and destroy it.”’”

36:11 Then Eliakim, Shebna and Joah said to Rabshakeh, “Please speak to your servants in Aramaic, for we understand it; and don’t speak to us in the Jews’ language in the hearing of the people who are on the wall.”

36:12 But Rabshakeh said, “Has my master sent me only to your master and to you, to speak these words, and not to the men who sit on the wall, who will eat their own dung and drink their own urine with you?” 36:13 Then Rabshakeh stood, and called out with a loud voice in the Jews’ language, and said, “Hear the words of the great king, the king of Assyria! 36:14 Thus says the king, ‘Don’t let Hezekiah deceive you; for he will not be able to deliver you. 36:15 Don’t let Hezekiah make you trust in Yahweh, saying, “Yahweh will surely deliver us. This city won’t be given into the hand of the king of Assyria.”’ 36:16 Don’t listen to Hezekiah, for thus says the king of Assyria, ‘Make your peace with me, and come out to me; and each of you eat from his vine, and each one from his fig tree, and each one of you drink the waters of his own cistern; 36:17 until I come and take you away to a land like your own land, a land of grain and new wine, a land of bread and vineyards. 36:18 Beware lest Hezekiah persuade you, saying, “Yahweh will deliver us.” Have any of the gods of the nations delivered their lands from the hand of the king of Assyria? 36:19 Where are the gods of Hamath and Arpad? Where are the gods of Sepharvaim? Have they delivered Samaria from my hand? 36:20 Who are they among all the gods of these countries that have delivered their country out of my hand, that Yahweh should deliver Jerusalem out of my hand?’”

36:21 But they remained silent, and said nothing in reply, for the king’s commandment was, “Don’t answer him.”

36:22 Then Eliakim the son of Hilkiah, who was over the household, and Shebna the scribe, and Joah, the son of Asaph, the recorder, came to Hezekiah with their clothes torn, and told him the words of Rabshakeh.

Chapitre 36
1 La quatorzième année du roi Ézéchias, Sanchérib, roi d'Assyrie, monta contre toutes les villes fortes de Juda et s'en empara. 2 Et le roi d'Assyrie envoya de Lakis à Jérusalem, vers le roi Ézéchias, Rabschaké avec une puissante armée. Rabschaké s'arrêta à l'aqueduc de l'étang supérieur, sur le chemin du champ du foulon. 3 Alors Éliakim, fils de Hilkija, chef de la maison du roi, se rendit auprès de lui, avec Schebna, le secrétaire, et Joach, fils d'Asaph, l'archiviste. 4 Rabschaké leur dit: Dites à Ézéchias: Ainsi parle le grand roi, le roi d'Assyrie: Quelle est cette confiance, sur laquelle tu t'appuies? 5 Je te le dis, ce ne sont que des paroles en l'air: il faut pour la guerre de la prudence et de la force. En qui donc as-tu placé ta confiance, pour t'être révolté contre moi? 6 Voici, tu l'as placée dans l'Égypte, tu as pris pour soutien ce roseau cassé, qui pénètre et perce la main de quiconque s'appuie dessus: tel est Pharaon, roi d'Égypte, pour tous ceux qui se confient en lui. 7 Peut-être me diras-tu: C'est en l'Éternel, notre Dieu, que nous nous confions. Mais n'est-ce pas lui dont Ézéchias a fait disparaître les hauts lieux et les autels, en disant à Juda et à Jérusalem: Vous vous prosternerez devant cet autel? 8 Maintenant, fais une convention avec mon maître, le roi d'Assyrie, et je te donnerai deux mille chevaux, si tu peux fournir des cavaliers pour les monter. 9 Comment repousserais-tu un seul chef d'entre les moindres serviteurs de mon maître? Tu mets ta confiance dans l'Égypte pour les chars et pour les cavaliers. 10 D'ailleurs, est-ce sans la volonté de l'Éternel que je suis monté contre ce pays pour le détruire? L'Éternel m'a dit: Monte contre ce pays, et détruis-le. 11 Éliakim, Schebna et Joach dirent à Rabschaké: Parle à tes serviteurs en araméen, car nous le comprenons; et ne nous parle pas en langue judaïque aux oreilles du peuple qui est sur la muraille. 12 Rabschaké répondit: Est-ce à ton maître et à toi que mon maître m'a envoyé dire ces paroles? N'est-ce pas à ces hommes assis sur la muraille pour manger leurs excréments et pour boire leur urine avec vous? 13 Puis Rabschaké s'avança et cria de toute sa force en langue judaïque: Écoutez les paroles du grand roi, du roi d'Assyrie! 14 Ainsi parle le roi: Qu'Ézéchias ne vous abuse point, car il ne pourra vous délivrer. 15 Qu'Ézéchias ne vous amène point à vous confier en l'Éternel, en disant: L'Éternel nous délivrera, cette ville ne sera pas livrée entre les mains du roi d'Assyrie. 16 N'écoutez point Ézéchias; car ainsi parle le roi d'Assyrie: Faites la paix avec moi, rendez-vous à moi, et chacun de vous mangera de sa vigne et de son figuier, et chacun boira de l'eau de sa citerne, 17 jusqu'à ce que je vienne, et que je vous emmène dans un pays comme le vôtre, dans un pays de blé et de vin, un pays de pain et de vignes. 18 Qu'Ézéchias ne vous séduise point, en disant: L'Éternel nous délivrera. Les dieux des nations ont-ils délivré chacun son pays de la main du roi d'Assyrie? 19 Où sont les dieux de Hamath et d'Arpad? Où sont les dieux de Sepharvaïm? Ont-ils délivré Samarie de ma main? 20 Parmi tous les dieux de ces pays, quels sont ceux qui ont délivré leur pays de ma main, pour que l'Éternel délivre Jérusalem de ma main? 21 Mais ils se turent, et ne lui répondirent pas un mot; car le roi avait donné cet ordre: Vous ne lui répondrez pas. 22 Et Éliakim, fils de Hilkija, chef de la maison du roi, Schebna, le secrétaire, et Joach, fils d'Asaph, l'archiviste, vinrent auprès d'Ézéchias, les vêtements déchirés, et lui rapportèrent les paroles de Rabschaké.A