T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 34

1 [Ny hampijaliana ny fahavalon'ny Isiraely, indrindra fa Edoma, sy ny fahasambaran'ny navotan'i Jehovah] Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.

2 Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana* ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao herema]

3 Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.

4 Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.

5 Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana*, mba ho fitsarana azy. [Heb. hatao herema]

6 Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.

7 Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.

8 Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona.

9 Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.

10 Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.

11 Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.

12 Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka*, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. [Heb. hiantso ny fanjakana]

13 Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia* sy fitoeran'ny ostritsa izy. [Heb.jakala]

14 Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary*; ary ny osilahy** hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina*** hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.[*Na: jakala][**Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7][***Heb. lilita]

15 Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.

16 Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah* no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.[Heb. vavako]

17 Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.

 

Chapitre 34

34:1 Come near, you nations, to hear!
Listen, you peoples.
Let the earth and all it contains hear;
the world, and everything that comes from it.
34:2 For Yahweh is enraged against all the nations,
and angry with all their armies.
He has utterly destroyed them.
He has given them over for slaughter.
34:3 Their slain will also be cast out,
and the stench of their dead bodies will come up;
and the mountains will melt in their blood.
34:4 All of the army of the sky will be dissolved.
The sky will be rolled up like a scroll,
and all its armies will fade away,
as a leaf fades from off a vine or a fig tree.
34:5 For my sword has drunk its fill in the sky.
Behold, it will come down on Edom,
and on the people of my curse, for judgment.
34:6 Yahweh’s sword is filled with blood.
It is covered with fat, with the blood of lambs and goats,
with the fat of the kidneys of rams;
for Yahweh has a sacrifice in Bozrah,
And a great slaughter in the land of Edom.
34:7 The wild oxen will come down with them,
and the young bulls with the mighty bulls;
and their land will be drunken with blood,
and their dust made greasy with fat.
34:8 For Yahweh has a day of vengeance,
a year of recompense for the cause of Zion.
34:9 Its streams will be turned into pitch,
its dust into sulfur,
And its land will become burning pitch.
34:10 It won’t be quenched night nor day.
Its smoke will go up forever.
From generation to generation, it will lie waste.
No one will pass through it forever and ever.
34:11 But the pelican and the porcupine will possess it.
The owl and the raven will dwell in it.
He will stretch the line of confusion over it,
and the plumb line of emptiness.
34:12 They shall call its nobles to the kingdom, but none shall be there;
and all its princes shall be nothing.
34:13 Thorns will come up in its palaces,
nettles and thistles in its fortresses;
and it will be a habitation of jackals,
a court for ostriches.
34:14 The wild animals of the desert will meet with the wolves,
and the wild goat will cry to his fellow.
Yes, the night creature shall settle there,
and shall find herself a place of rest.
34:15 The arrow snake will make her nest there,
and lay, hatch, and gather under her shade.
Yes, the kites will be gathered there, every one with her mate.
34:16 Search in the book of Yahweh, and read:
not one of these will be missing.
none will lack her mate.
For my mouth has commanded,
and his Spirit has gathered them.
34:17 He has cast the lot for them,
and his hand has divided it to them with a measuring line.
They shall possess it forever.
From generation to generation they will dwell in it.

 

Chapitre 34
1 Approchez, nations, pour entendre! Peuples, soyez attentifs! Que la terre écoute, elle et ce qui la remplit, Le monde et tout ce qu'il produit! 2 Car la colère de l'Éternel va fondre sur toutes les nations, Et sa fureur sur toute leur armée: Il les voue à l'extermination, Il les livre au carnage. 3 Leurs morts sont jetés, Leurs cadavres exhalent la puanteur, Et les montagnes se fondent dans leur sang. 4 Toute l'armée des cieux se dissout; Les cieux sont roulés comme un livre, Et toute leur armée tombe, Comme tombe la feuille de la vigne, Comme tombe celle du figuier. 5 Mon épée s'est enivrée dans les cieux; Voici, elle va descendre sur Édom, Sur le peuple que j'ai voué à l'extermination, pour le châtier. 6 L'épée de l'Éternel est pleine de sang, couverte de graisse, Du sang des agneaux et des boucs, De la graisse des reins des béliers; Car il y a des victimes de l'Éternel à Botsra, Et un grand carnage dans le pays d'Édom, 7 Les buffles tombent avec eux, Et les boeufs avec les taureaux; La terre s'abreuve de sang, Et le sol est imprégné de graisse. 8 Car c'est un jour de vengeance pour l'Éternel, Une année de représailles pour la cause de Sion. 9 Les torrents d'Édom seront changés en poix, Et sa poussière en soufre; Et sa terre sera comme de la poix qui brûle. 10 Elle ne s'éteindra ni jour ni nuit, La fumée s'en élèvera éternellement; D'âge en âge elle sera désolée, A tout jamais personne n'y passera. 11 Le pélican et le hérisson la posséderont, La chouette et le corbeau l'habiteront. On y étendra le cordeau de la désolation, Et le niveau de la destruction. 12 Il n'y aura plus de grands pour proclamer un roi, Tous ses princes seront anéantis. 13 Les épines croîtront dans ses palais, Les ronces et les chardons dans ses forteresses. Ce sera la demeure des chacals, Le repaire des autruches; 14 Les animaux du désert y rencontreront les chiens sauvages, Et les boucs s'y appelleront les uns les autres; Là le spectre de la nuit aura sa demeure, Et trouvera son lieu de repos; 15 Là le serpent fera son nid, déposera ses oeufs, Les couvera, et recueillera ses petits à son ombre; Là se rassembleront tous les vautours. 16 Consultez le livre de l'Éternel, et lisez! Aucun d'eux ne fera défaut, Ni l'un ni l'autre ne manqueront; Car sa bouche l'a ordonné. C'est son esprit qui les rassemblera. 17 Il a jeté pour eux le sort, Et sa main leur a partagé cette terre au cordeau, Ils la posséderont toujours, Ils l'habiteront d'âge en âge.