T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 32

1 Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.

2 Ary hisy lehilahy* ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. [Na: Ary samy]

3 Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.

4 Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.

5 Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be*. [Heb. mpanankarena]

6 Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy* sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina. [Na: ratsy]

7 Ary ratsy ny hafetsen*'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan']

8 Fa ny mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.

9 [Anatra mafy tamin'ny vehivavy tao Jerosalema] Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.

10 Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo

11 Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.

12 Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.

13 Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny, na dia ny ao amin'ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;

14 Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela* sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy, [Na: Ny havoana]

15 Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.

16 Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra.

17 Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;

18 Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;

19 Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.

20 Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.

Chapitre 32

32:1
Behold, a king shall reign in righteousness,
and princes shall rule in justice.
32:2 A man shall be as a hiding place from the wind,
and a covert from the storm,
as streams of water in a dry place,
as the shade of a large rock in a weary land.
32:3 The eyes of those who see will not be dim,
and the ears of those who hear will listen.
32:4 The heart of the rash will understand knowledge,
and the tongue of the stammerers will be ready to speak plainly.
32:5 The fool will no longer be called noble,
nor the scoundrel be highly respected.
32:6 For the fool will speak folly,
and his heart will work iniquity,
to practice profanity,
and to utter error against Yahweh,
To make empty the soul of the hungry,
and to cause the drink of the thirsty to fail.
32:7 The ways of the scoundrel are evil.
He devises wicked devices to destroy the humble with lying words,
even when the needy speaks right.
32:8 But the noble devises noble things;
and he will continue in noble things.
32:9 Rise up, you women who are at ease! Hear my voice!
You careless daughters, give ear to my speech!
32:10 For days beyond a year you will be troubled, you careless women;
for the vintage shall fail.
The harvest won’t come.
32:11 Tremble, you women who are at ease!
Be troubled, you careless ones!
Strip yourselves, make yourselves naked,
and put sackcloth on your waist.
32:12 Beat your breasts for the pleasant fields,
for the fruitful vine.
32:13 Thorns and briars will come up on my people’s land;
yes, on all the houses of joy in the joyous city.
32:14 For the palace will be forsaken.
The populous city will be deserted.
The hill and the watchtower will be for dens forever,
a delight for wild donkeys,
a pasture of flocks;
32:15 Until the Spirit is poured on us from on high,
and the wilderness becomes a fruitful field,
and the fruitful field is considered a forest.
32:16 Then justice will dwell in the wilderness;
and righteousness will remain in the fruitful field.
32:17 The work of righteousness will be peace;
and the effect of righteousness, quietness and confidence forever.
32:18 My people will live in a peaceful habitation,
in safe dwellings,
and in quiet resting places.
32:19 Though hail flattens the forest,
and the city is leveled completely.
32:20 Blessed are you who sow beside all waters,
who send out the feet of the ox and the donkey.

 

Chapitre 32
1 Alors le roi régnera selon la justice, Et les princes gouverneront avec droiture. 2 Chacun sera comme un abri contre le vent, Et un refuge contre la tempête, Comme des courants d'eau dans un lieu desséché, Comme l'ombre d'un grand rocher dans une terre altérée. 3 Les yeux de ceux qui voient ne seront plus bouchés, Et les oreilles de ceux qui entendent seront attentives. 4 Le coeur des hommes légers sera intelligent pour comprendre, Et la langue de ceux qui balbutient parlera vite et nettement. 5 On ne donnera plus à l'insensé le nom de noble, Ni au fourbe celui de magnanime. 6 Car l'insensé profère des folies, Et son coeur s'adonne au mal, Pour commettre l'impiété, Et dire des faussetés contre l'Éternel, Pour laisser à vide l'âme de celui qui a faim, Et enlever le breuvage de celui qui a soif. 7 Les armes du fourbe sont pernicieuses; Il forme de coupables desseins, Pour perdre les malheureux par des paroles mensongères, Même quand la cause du pauvre est juste. 8 Mais celui qui est noble forme de nobles desseins, Et il persévère dans ses nobles desseins. 9 Femmes insouciantes, Levez-vous, écoutez ma voix! Filles indolentes, Prêtez l'oreille à ma parole! 10 Dans un an et quelques jours, Vous tremblerez, indolentes; Car c'en est fait de la vendange, La récolte n'arrivera pas. 11 Soyez dans l'effroi, insouciantes! Tremblez, indolentes! Déshabillez-vous, mettez-vous à nu Et ceignez vos reins! 12 On se frappe le sein, Au souvenir de la beauté des champs Et de la fécondité des vignes. 13 Sur la terre de mon peuple Croissent les épines et les ronces, Même dans toutes les maisons de plaisance De la cité joyeuse. 14 Le palais est abandonné, La ville bruyante est délaissée; La colline et la tour serviront à jamais de cavernes; Les ânes sauvages y joueront, les troupeaux y paîtront, 15 Jusqu'à ce que l'esprit soit répandu d'en haut sur nous, Et que le désert se change en verger, Et que le verger soit considéré comme une forêt. 16 Alors la droiture habitera dans le désert, Et la justice aura sa demeure dans le verger. 17 L'oeuvre de la justice sera la paix, Et le fruit de la justice le repos et la sécurité pour toujours. 18 Mon peuple demeurera dans le séjour de la paix, Dans des habitations sûres, Dans des asiles tranquilles. 19 Mais la forêt sera précipitée sous la grêle, Et la ville profondément abaissée. 20 Heureux vous qui partout semez le long des eaux, Et qui laissez sans entraves le pied du boeuf et de l'âne!