T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 31

1 [Ny hampijaliana ny Isiraely noho ny niankinany tamin'i Egypta sy ny hiarovan'Andriamanitra izay mibebaka, ary ny hanendreny mpanjaka izay hitondra azy amin'ny fahamarinana] Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.

2 Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin'ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.

3 Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr'i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.

4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra* Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny tendrombohitra]

5 Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka. [Heb. handalo; izahao Eks. xii.13]

6 Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely ô.

7 Fa amin'izany andro izany dia harian'ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny* sy ny andriamani-bolamenany*, izay fahotana nataon'ny tananareo. [Heb. andriamani-tsi-izy]

8 Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,

9 Ary ny mpanjakany* ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]

 

Chapitre 31

31:1 Woe to those who go down to Egypt for help,
and rely on horses,
and trust in chariots because they are many,
and in horsemen because they are very strong,
but they don’t look to the Holy One of Israel,
and they don’t seek Yahweh!
31:2 Yet he also is wise, and will bring disaster,
and will not call back his words, but will arise against the house of the evildoers,
and against the help of those who work iniquity.
31:3 Now the Egyptians are men, and not God;
and their horses flesh, and not spirit.
When Yahweh stretches out his hand, both he who helps shall stumble,
and he who is helped shall fall,
and they all shall be consumed together.
31:4 For thus says Yahweh to me,
“As the lion and the young lion growling over his prey,
if a multitude of shepherds is called together against him,
will not be dismayed at their voice,
nor abase himself for their noise,
so Yahweh of Armies will come down to fight on Mount Zion and on its heights.
31:5 As birds hovering, so Yahweh of Armies will protect Jerusalem.
He will protect and deliver it.
He will pass over and preserve it.”
31:6
Return to him from whom you have deeply revolted, children of Israel. 31:7 For in that day everyone shall cast away his idols of silver and his idols of gold—sin which your own hands have made for you.
31:8

“The Assyrian will fall by the sword, not of man;
and the sword, not of mankind, shall devour him.
He will flee from the sword,
and his young men will become subject to forced labor.
31:9 His rock will pass away by reason of terror,
and his princes will be afraid of the banner,”
says Yahweh, whose fire is in Zion,
and his furnace in Jerusalem.

 

Chapitre 31

1 Malheur à ceux qui descendent en Égypte pour avoir du secours, Qui s'appuient sur des chevaux, Et se fient à la multitude des chars et à la force des cavaliers, Mais qui ne regardent pas vers le Saint d'Israël, Et ne recherchent pas l'Éternel! 2 Lui aussi, cependant, il est sage, il fait venir le malheur, Et ne retire point ses paroles; Il s'élève contre la maison des méchants, Et contre le secours de ceux qui commettent l'iniquité. 3 L'Égyptien est homme et non dieu; Ses chevaux sont chair et non esprit. Quand l'Éternel étendra sa main, Le protecteur chancellera, le protégé tombera, Et tous ensemble ils périront. 4 Car ainsi m'a parlé l'Éternel: Comme le lion, comme le lionceau rugit sur sa proie, Et, malgré tous les bergers rassemblés contre lui, Ne se laisse ni effrayer par leur voix, Ni intimider par leur nombre; De même l'Éternel des armées descendra Pour combattre sur la montagne de Sion et sur sa colline. 5 Comme des oiseaux déploient les ailes sur leur couvée, Ainsi l'Éternel des armées étendra sa protection sur Jérusalem; Il protégera et délivrera, Il épargnera et sauvera. 6 Revenez à celui dont on s'est profondément détourné, Enfants d'Israël! 7 En ce jour, chacun rejettera ses idoles d'argent et ses idoles d'or, Que vous vous êtes fabriquées de vos mains criminelles. 8 Et l'Assyrien tombera sous un glaive qui n'est pas celui d'un homme, Et un glaive qui n'est pas celui d'un homme le dévorera; Il s'enfuira devant le glaive, Et ses jeunes guerriers seront asservis. 9 Son rocher s'enfuira d'épouvante, Et ses chefs trembleront devant la bannière, Dit l'Éternel, qui a son feu dans Sion Et sa fournaise dans Jérusalem.