T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 28

1 [Ny hitsarana an'i Samaria sy Jerosalema, sy fanoharana mahamarina ny fitondran'Andriamanitra] Lozan'ny satro-boninahitra, izay reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaky* ny fileon-divay.[Heb. matavy]

2 Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin'ny tany.

3 Dia hohitsahin'ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan'ny mpimamo any Efraima.

4 Ary ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka*, dia ho tahaka ny voan'aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany. [Heb. matavy]

5 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,

6 Ary ho fanahy fitsarana ho an'izay mipetraka eo amin'ny fitsarana, sy ho hery ho an'izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.

 

7 Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon'ny divay ary mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon'ny toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny toaka izy; Miraingiraingy amin'ny fahitana izy ary midoladola eo amin'ny fitsarana.

8 Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.

9 Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?

10 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;

11 Eny, amin'ny molotra miambakambaka sy amin'ny fiteny baiko no hitenenany amin'ity firenena ity,

12 Izay nilazany* hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo. [Na: Dia Izy Izay nilaza taminy]

13 Ary ny tenin'i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.

 

14 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.

15 Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin'ny fiainan-tsi-hita* ka na dia ho avy aza ny loza** manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, [Heb. Sheola][**Heb. kotopia]

16 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.

17 Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin'ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin'ny rano ny fierena.

18 Hofoanana ny fanekenareo amin'ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin'ny fiainan-tsi-hita* raha ho avy ny loza** manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.[*Heb. Sheola][**Heb. kotopia]

19 Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.

20 Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon'ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.

21 Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin'ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin'ny lohasahan'i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.

22 Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.

23 Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.

24 Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?

25 Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin'ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby* kosa eny an-tsisiny? [Na: spelta]

26 Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy. [Na: Samy ataony araka izay tandrifiny ho azy avy; Fa Andriamaniny no mampianatra azy]

27 Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian'ny sariety no akodiadia amin'ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin'ny fantàka, ary ny komina amin'ny tehina.

28 Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian'ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.

29 Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.

 

Chapitre 28

28:1 Woe to the crown of pride of the drunkards of Ephraim, and to the fading flower of his glorious beauty, which is on the head of the fertile valley of those who are overcome with wine! 28:2 Behold, the Lord has a mighty and strong one. Like a storm of hail, a destroying storm, and like a storm of mighty waters overflowing, he will cast them down to the earth with his hand. 28:3 The crown of pride of the drunkards of Ephraim will be trodden under foot. 28:4 The fading flower of his glorious beauty, which is on the head of the fertile valley, shall be like the first-ripe fig before the summer; which someone picks and eats as soon as he sees it. 28:5 In that day, Yahweh of Armies will become a crown of glory, and a diadem of beauty, to the residue of his people; 28:6 and a spirit of justice to him who sits in judgment, and strength to those who turn back the battle at the gate. 28:7 They also reel with wine, and stagger with strong drink. The priest and the prophet reel with strong drink. They are swallowed up by wine. They stagger with strong drink. They err in vision. They stumble in judgment. 28:8 For all tables are completely full of filthy vomit and filthiness. 28:9 Whom will he teach knowledge? To whom will he explain the message? Those who are weaned from the milk, and drawn from the breasts? 28:10 For it is precept on precept, precept on precept; line on line, line on line; here a little, there a little. 28:11 But he will speak to this nation with stammering lips and in another language; 28:12 to whom he said, “This is the resting place. Give rest to weary”; and “This is the refreshing”; yet they would not hear. 28:13 Therefore the word of Yahweh will be to them precept on precept, precept on precept; line on line, line on line; here a little, there a little; that they may go, fall backward, be broken, be snared, and be taken. 28:14 Therefore hear the word of Yahweh, you scoffers, that rule this people in Jerusalem: 28:15 “Because you have said, ‘We have made a covenant with death, and with Sheol are we in agreement. When the overflowing scourge passes through, it won’t come to us; for we have made lies our refuge, and we have hidden ourselves under falsehood.’” 28:16 Therefore thus says the Lord Yahweh, “Behold, I lay in Zion for a foundation a stone, a tried stone, a precious cornerstone of a sure foundation. He who believes shall not act hastily. 28:17 I will make justice the measuring line, and righteousness the plumb line. The hail will sweep away the refuge of lies, and the waters will overflow the hiding place. 28:18 Your covenant with death shall be annulled, and your agreement with Sheol shall not stand. When the overflowing scourge passes through, then you will be trampled down by it. 28:19 As often as it passes through, it will seize you; for morning by morning it will pass through, by day and by night; and it will be nothing but terror to understand the message.” 28:20 For the bed is too short to stretch out on, and the blanket is too narrow to wrap oneself in. 28:21 For Yahweh will rise up as on Mount Perazim. He will be angry as in the valley of Gibeon; that he may do his work, his unusual work, and bring to pass his act, his extraordinary act. 28:22 Now therefore don’t be scoffers, lest your bonds be made strong; for I have heard a decree of destruction from the Lord, Yahweh of Armies, on the whole earth.

28:23 Give ear, and hear my voice! Listen, and hear my speech! 28:24 Does he who plows to sow plow continually? Does he keep turning the soil and breaking the clods? 28:25 When he has leveled its surface, doesn’t he plant the dill, and scatter the cumin seed, and put in the wheat in rows, the barley in the appointed place, and the spelt in its place? 28:26 For his God instructs him in right judgment, and teaches him. 28:27 For the dill are not threshed with a sharp instrument, neither is a cart wheel turned over the cumin; but the dill is beaten out with a stick, and the cumin with a rod. 28:28 Bread flour must be ground; so he will not always be threshing it. Although he drives the wheel of his threshing cart over it, his horses don’t grind it. 28:29 This also comes forth from Yahweh of Armies, who is wonderful in counsel, and excellent in wisdom.

 

Chapitre 28
1 Malheur à la couronne superbe des ivrognes d'Éphraïm, A la fleur fanée, qui fait l'éclat de sa parure, Sur la cime de la fertile vallée de ceux qui s'enivrent! 2 Voici venir, de la part du Seigneur, un homme fort et puissant, Comme un orage de grêle, un ouragan destructeur, Comme une tempête qui précipite des torrents d'eaux: Il la fait tomber en terre avec violence. 3 Elle sera foulée aux pieds, La couronne superbe des ivrognes d'Éphraïm; 4 Et la fleur fanée, qui fait l'éclat de sa parure, Sur la cime de la fertile vallée, Sera comme une figue hâtive qu'on aperçoit avant la récolte, Et qui, à peine dans la main, est aussitôt avalée. 5 En ce jour, l'Éternel des armées sera Une couronne éclatante et une parure magnifique Pour le reste de son peuple, 6 Un esprit de justice pour celui qui est assis au siège de la justice, Et une force pour ceux qui repoussent l'ennemi jusqu'à ses portes. 7 Mais eux aussi, ils chancellent dans le vin, Et les boissons fortes leur donnent des vertiges; Sacrificateurs et prophètes chancellent dans les boissons fortes, Ils sont absorbés par le vin, Ils ont des vertiges à cause des boissons fortes; Ils chancellent en prophétisant, Ils vacillent en rendant la justice. 8 Toutes les tables sont pleines de vomissements, d'ordures; Il n'y a plus de place. - 9 A qui veut-on enseigner la sagesse? A qui veut-on donner des leçons? Est-ce à des enfants qui viennent d'être sevrés, Qui viennent de quitter la mamelle? 10 Car c'est précepte sur précepte, précepte sur précepte, Règle sur règle, règle sur règle, Un peu ici, un peu là. - 11 Hé bien! c'est par des hommes aux lèvres balbutiantes Et au langage barbare Que l'Éternel parlera à ce peuple. 12 Il lui disait: Voici le repos, Laissez reposer celui qui est fatigué; Voici le lieu du repos! Mais ils n'ont point voulu écouter. 13 Et pour eux la parole de l'Éternel sera Précepte sur précepte, précepte sur précepte, Règle sur règle, règle sur règle, Un peu ici, un peu là, Afin qu'en marchant ils tombent à la renverse et se brisent, Afin qu'ils soient enlacés et pris. 14 Écoutez donc la parole de l'Éternel, moqueurs, Vous qui dominez sur ce peuple de Jérusalem! 15 Vous dites: Nous avons fait une alliance avec la mort, Nous avons fait un pacte avec le séjour des morts; Quand le fléau débordé passera, il ne nous atteindra pas, Car nous avons la fausseté pour refuge et le mensonge pour abri. 16 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'ai mis pour fondement en Sion une pierre, Une pierre éprouvée, une pierre angulaire de prix, solidement posée; Celui qui la prendra pour appui n'aura point hâte de fuir. 17 Je ferai de la droiture une règle, Et de la justice un niveau; Et la grêle emportera le refuge de la fausseté, Et les eaux inonderont l'abri du mensonge. 18 Votre alliance avec la mort sera détruite, Votre pacte avec le séjour des morts ne subsistera pas; Quand le fléau débordé passera, Vous serez par lui foulés aux pieds. 19 Chaque fois qu'il passera, il vous saisira; Car il passera tous les matins, le jour et la nuit, Et son bruit seul donnera l'épouvante. 20 Le lit sera trop court pour s'y étendre, Et la couverture trop étroite pour s'en envelopper. 21 Car l'Éternel se lèvera comme à la montagne de Peratsim, Il s'irritera comme dans la vallée de Gabaon, Pour faire son oeuvre, son oeuvre étrange, Pour exécuter son travail, son travail inouï. 22 Maintenant, ne vous livrez point à la moquerie, De peur que vos liens ne soient resserrés; Car la destruction de tout le pays est résolue; Je l'ai appris du Seigneur, de l'Éternel des armées. 23 Prêtez l'oreille, et écoutez ma voix! Soyez attentifs, et écoutez ma parole! 24 Celui qui laboure pour semer laboure-t-il toujours? Ouvre-t-il et brise-t-il toujours son terrain? 25 N'est-ce pas après en avoir aplani la surface Qu'il répand de la nielle et sème du cumin; Qu'il met le froment par rangées, L'orge à une place marquée, Et l'épeautre sur les bords? 26 Son Dieu lui a enseigné la marche à suivre, Il lui a donné ses instructions. 27 On ne foule pas la nielle avec le traîneau, Et la roue du chariot ne passe pas sur le cumin; Mais on bat la nielle avec le bâton, Et le cumin avec la verge. 28 On bat le blé, Mais on ne le bat pas toujours; On y pousse la roue du chariot et les chevaux, Mais on ne l'écrase pas. 29 Cela aussi vient de l'Éternel des armées; Admirable est son conseil, et grande est sa sagesse.