T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 23

1 [Faminaniana ny amin'loza hanjo an'i Tyro] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.

2 Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena* anao.[Heb. nameno]

3 Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy.

4 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.

5 Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro.

6 Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.

7 Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo*, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? [Izao va no tanànanao miravoravo?]

8 Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony.

9 Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.

10 Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana* intsony.[Heb. fehin-kibo]

11 Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.

12 Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.

13 Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra*; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.[Na: Indro ny tanin'ny Kaldeana, Izay tsy mbola firenena fahiny, Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an'ny mponina any an-efitra]

14 Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.

15 Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe:

16 "Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."

17 Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.

18 Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika*. [Na: mateza]

 

Chapitre 23

23:1 The burden of Tyre. Howl, you ships of Tarshish! For it is laid waste, so that there is no house, no entering in. From the land of Kittim it is revealed to them. 23:2 Be still, you inhabitants of the coast, you whom the merchants of Sidon, that pass over the sea, have replenished. 23:3 On great waters, the seed of the Shihor, the harvest of the Nile, was her revenue. She was the market of nations. 23:4 Be ashamed, Sidon; for the sea has spoken, the stronghold of the sea, saying, “I have not travailed, nor brought forth, neither have I nourished young men, nor brought up virgins.” 23:5 When the report comes to Egypt, they will be in anguish at the report of Tyre. 23:6 Pass over to Tarshish! Wail, you inhabitants of the coast! 23:7 Is this your joyous city, whose antiquity is of ancient days, whose feet carried her far away to travel? 23:8 Who has planned this against Tyre, the giver of crowns, whose merchants are princes, whose traffickers are the honorable of the earth? 23:9 Yahweh of Armies has planned it, to stain the pride of all glory, to bring into contempt all the honorable of the earth. 23:10 Pass through your land like the Nile, daughter of Tarshish. There is no restraint any more. 23:11 He has stretched out his hand over the sea. He has shaken the kingdoms. Yahweh has ordered the destruction of Canaan’s strongholds. 23:12 He said, “You shall rejoice no more, you oppressed virgin daughter of Sidon. Arise, pass over to Kittim. Even there you will have no rest.”

23:13 Behold, the land of the Chaldeans. This people was not. The Assyrians founded it for those who dwell in the wilderness. They set up their towers. They overthrew its palaces. They made it a ruin. 23:14 Howl, you ships of Tarshish, for your stronghold is laid waste! 23:15 It will come to pass in that day that Tyre will be forgotten seventy years, according to the days of one king. After the end of seventy years it will be to Tyre like in the song of the prostitute. 23:16 Take a harp; go about the city, you prostitute that has been forgotten. Make sweet melody. Sing many songs, that you may be remembered. 23:17 It will happen after the end of seventy years that Yahweh will visit Tyre, and she shall return to her wages, and will play the prostitute with all the kingdoms of the world on the surface of the earth. 23:18 Her merchandise and her wages will be holiness to Yahweh. It will not be treasured nor laid up; for her merchandise will be for those who dwell before Yahweh, to eat sufficiently, and for durable clothing.

 

Chapitre 23
1 Oracle sur Tyr. Lamentez-vous, navires de Tarsis! Car elle est détruite: plus de maisons! plus d'entrée! C'est du pays de Kittim que la nouvelle leur en est venue. 2 Soyez muets d'effroi, habitants de la côte, Que remplissaient les marchands de Sidon, parcourant la mer! 3 A travers les vastes eaux, le blé du Nil, La moisson du fleuve, était pour elle un revenu; Elle était le marché des nations. 4 Sois confuse, Sidon! Car ainsi parle la mer, la forteresse de la mer: Je n'ai point eu de douleurs, je n'ai point enfanté, Je n'ai point nourri de jeunes gens, ni élevé de jeunes filles. 5 Quand les Égyptiens sauront la nouvelle, Ils trembleront en apprenant la chute de Tyr. 6 Passez à Tarsis, Lamentez-vous, habitants de la côte! 7 Est-ce là votre ville joyeuse? Elle avait une origine antique, Et ses pieds la mènent séjourner au loin. 8 Qui a pris cette résolution contre Tyr, la dispensatrice des couronnes, Elle dont les marchands étaient des princes, Dont les commerçants étaient les plus riches de la terre? 9 C'est l'Éternel des armées qui a pris cette résolution, Pour blesser l'orgueil de tout ce qui brille, Pour humilier tous les grands de la terre. 10 Parcours librement ton pays, pareille au Nil, Fille de Tarsis! Plus de joug! 11 L'Éternel a étendu sa main sur la mer; Il a fait trembler les royaumes; Il a ordonné la destruction des forteresses de Canaan. 12 Il a dit: Tu ne te livreras plus à la joie, Vierge déshonorée, fille de Sidon! Lève-toi, passe au pays de Kittim! Même là, il n'y aura pas de repos pour toi. 13 Vois les Chaldéens, qui n'étaient pas un peuple, Ces habitants du désert, pour qui l'Assyrien a fondé un pays; Ils élèvent des tours, ils renversent les palais de Tyr, Ils les mettent en ruines. 14 Lamentez-vous, navires de Tarsis! Car votre forteresse est détruite! 15 En ce temps-là, Tyr tombera dans l'oubli soixante-dix ans, Ce que dure la vie d'un roi. Au bout de soixante-dix ans, il en sera de Tyr Comme de la prostituée dont parle la chanson: - 16 Prends la harpe, parcours la ville, Prostituée qu'on oublie! Joue bien, répète tes chants, Pour qu'on se souvienne de toi! - 17 Au bout de soixante-dix ans, l'Éternel visitera Tyr, Et elle retournera à son salaire impur; Elle se prostituera à tous les royaumes de la terre, Sur la face du monde. 18 Mais son gain et son salaire impur seront consacrés à l'Éternel, Ils ne seront ni entassés ni conservés; Car son gain fournira pour ceux qui habitent devant l'Éternel Une nourriture abondante et des vêtements magnifiques.