T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 22

1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Jerosalema] Faminaniana ny amin'ny lohasahan'ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo*, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo**, [*Heb. anao][**Heb. ianao]

2 Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an'ady.

3 Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza. [Na: Nafatotry ny mpandefa zana-tsipìka]

4 Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy

5 Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra

6 Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon'ampinga

7 Izay tsara indrindra amin'ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady

8 Dia alana ny fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin'izany andro izany.

9 Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan'i Davida; Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory ambany ianareo.

10 Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.

11 Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.

12 Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.

13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.

14 Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

15 [Ny amin'ny nanonganana an'i Sebna sy ny nanendrena an'i Eliakima ho solony] Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:

16 Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao* etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao* etỳ amin'ny harambato? [Heb. ho azy]

17 Indro, Jehovah hanipy mafy* anao, eny, hofiazany mafy ianao,[Na: hosaronany]

18 Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.

19 Ary horoahiko hiala amin'ny fitoeranao ianao sy haongako* hiala amin'ny raharahanao [Heb. haongany]

20 Ary amin'izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak'i Hilkia;

21 Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin'ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain'ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak'i Joda izy.

22 Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin'ny tranon'i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.

23 Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin'ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an'ny mpianakavin-drainy.

24 Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.

25 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny

 

Chapitre 22

22:1 The burden of the valley of vision. What ails you now, that you have all gone up to the housetops? 22:2 You that are full of shouting, a tumultuous city, a joyous town; your slain are not slain with the sword, neither are they dead in battle. 22:3 All your rulers fled away together. They were bound by the archers. All who were found by you were bound together. They fled far away. 22:4 Therefore I said, “Look away from me. I will weep bitterly. Don’t labor to comfort me for the destruction of the daughter of my people. 22:5 For it is a day of confusion, and of treading down, and of perplexity, from the Lord, Yahweh of Armies, in the valley of vision; a breaking down of the walls, and a crying to the mountains.” 22:6 Elam carried his quiver, with chariots of men and horsemen; and Kir uncovered the shield. 22:7 It happened that your choicest valleys were full of chariots, and the horsemen set themselves in array at the gate. 22:8 He took away the covering of Judah; and you looked in that day to the armor in the house of the forest. 22:9 You saw the breaches of the city of David, that they were many; and you gathered together the waters of the lower pool. 22:10 You numbered the houses of Jerusalem, and you broke down the houses to fortify the wall. 22:11 You also made a reservoir between the two walls for the water of the old pool. But you didn’t look to him who had done this, neither did you have respect for him who purposed it long ago. 22:12 In that day, the Lord, Yahweh of Armies, called to weeping, and to mourning, and to baldness, and to dressing in sackcloth: 22:13 and behold, joy and gladness, killing cattle and killing sheep, eating flesh and drinking wine: “Let us eat and drink, for tomorrow we will die.” 22:14 Yahweh of Armies revealed himself in my ears, “Surely this iniquity will not be forgiven you until you die,” says the Lord, Yahweh of Armies.

22:15 Thus says the Lord, Yahweh of Armies, “Go, get yourself to this treasurer, even to Shebna, who is over the house, and say, 22:16 ‘What are you doing here? Who has you here, that you have dug out a tomb here?’ Cutting himself out a tomb on high, chiseling a habitation for himself in the rock!” 22:17 Behold, Yahweh will overcome you and hurl you away violently. Yes, he will grasp you firmly. 22:18 He will surely wind you around and around, and throw you like a ball into a large country. There you will die, and there the chariots of your glory will be, you shame of your lord’s house. 22:19 I will thrust you from your office. You will be pulled down from your station.

22:20 It will happen in that day that I will call my servant Eliakim the son of Hilkiah, 22:21 and I will clothe him with your robe, and strengthen him with your belt. I will commit your government into his hand; and he will be a father to the inhabitants of Jerusalem, and to the house of Judah. 22:22 I will lay the key of the house of David on his shoulder. He will open, and no one will shut. He will shut, and no one will open. 22:23 I will fasten him like a nail in a sure place. He will be for a throne of glory to his father’s house. 22:24 They will hang on him all the glory of his father’s house, the offspring and the issue, every small vessel, from the cups even to all the pitchers. 22:25 “In that day,” says Yahweh of Armies, “the nail that was fastened in a sure place will give way. It will be cut down, and fall. The burden that was on it will be cut off, for Yahweh has spoken it.”

 

Chapitre 22
1 Oracle sur la vallée des visions. Qu'as-tu donc, que tout ton peuple monte sur les toits? 2 Ville bruyante, pleine de tumulte, Cité joyeuse! Tes morts ne périront pas par l'épée, Ils ne mourront pas en combattant. 3 Tous tes chefs fuient ensemble, Ils sont faits prisonniers par les archers; Tous tes habitants deviennent à la fois captifs, Tandis qu'ils prennent au loin la fuite. 4 C'est pourquoi je dis: Détournez de moi les regards, Laissez-moi pleurer amèrement; N'insistez pas pour me consoler Du désastre de la fille de mon peuple. 5 Car c'est un jour de trouble, d'écrasement et de confusion, Envoyé par le Seigneur, l'Éternel des armées, Dans la vallée des visions. On démolit les murailles, Et les cris de détresse retentissent vers la montagne. 6 Élam porte le carquois; Des chars de combattants, des cavaliers, s'avancent; Kir met à nu le bouclier. 7 Tes plus belles vallées sont remplies de chars, Et les cavaliers se rangent en bataille à tes portes. 8 Les derniers retranchements de Juda sont forcés, Et en ce jour tu visites les armures de la maison de la forêt. 9 Vous regardez les brèches nombreuses faites à la ville de David, Et vous retenez les eaux de l'étang inférieur. 10 Vous comptez les maisons de Jérusalem, Et vous les abattez, pour fortifier la muraille. 11 Vous faites un réservoir entre les deux murs, Pour les eaux de l'ancien étang. Mais vous ne regardez pas vers celui qui a voulu ces choses, Vous ne voyez pas celui qui les a préparées de loin. 12 Le Seigneur, l'Éternel des armées, vous appelle en ce jour A pleurer et à vous frapper la poitrine, A vous raser la tête et à ceindre le sac. 13 Et voici de la gaîté et de la joie! On égorge des boeufs et l'on tue des brebis, On mange de la viande et l'on boit du vin: Mangeons et buvons, car demain nous mourrons! - 14 L'Éternel des armées me l'a révélé: Non, ce crime ne vous sera point pardonné que vous ne soyez morts, Dit le Seigneur, l'Éternel des armées. 15 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel des armées: Va vers ce courtisan, Vers Schebna, gouverneur du palais: 16 Qu'y a-t-il à toi ici, et qui as-tu ici, Que tu creuses ici un sépulcre? Il se creuse un sépulcre sur la hauteur, Il se taille une demeure dans le roc! 17 Voici, l'Éternel te lancera d'un jet vigoureux; Il t'enveloppera comme une pelote, 18 Il te fera rouler, rouler comme une balle, Sur une terre spacieuse; Là tu mourras, là seront tes chars magnifiques, O toi, l'opprobre de la maison de ton maître! 19 Je te chasserai de ton poste, L'Éternel t'arrachera de ta place. 20 En ce jour-là, J'appellerai mon serviteur Éliakim, fils de Hilkija; 21 Je le revêtirai de ta tunique, je le ceindrai de ta ceinture, Et je remettrai ton pouvoir entre ses mains; Il sera un père pour les habitants de Jérusalem Et pour la maison de Juda. 22 Je mettrai sur son épaule la clé de la maison de David: Quand il ouvrira, nul ne fermera; Quand il fermera, nul n'ouvrira. 23 Je l'enfoncerai comme un clou dans un lieu sûr, Et il sera un siège de gloire pour la maison de son père. 24 Il sera le soutien de toute la gloire de la maison de son père, Des rejetons nobles et ignobles, De tous les petits ustensiles, Des bassins comme des vases. 25 En ce jour, dit l'Éternel des armées, Le clou enfoncé dans un lieu sûr sera enlevé, Il sera abattu et tombera, Et le fardeau qui était sur lui sera détruit, Car l'Éternel a parlé.