T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Ny voninahitra marina voatendry ho an'ny Isiraely, sy ny hanafoanana ny voninahiny tsy izy] Ny teny izay hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny Joda sy Jerosalema.

2 Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.

3 Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.

4 Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony

5 Ry taranak'i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Jehovah.

6 Fa efa nanary ny taranak'i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be* zana-bahiny.[Na sady efa nanao fanekena tamin'ny]

7 Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;

8 Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon'ny rantsan-tanany;

9 Koa ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!

10 Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.

11 Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.

12 Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,

13 Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana

14 Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina

15 Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra

16 Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;

17 Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.

18 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.

19 Ary hiditra ao amin'ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

20 Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany

21 Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

22 Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?

 

Chapitre 2
2:1 This is what Isaiah the son of Amoz saw concerning Judah and Jerusalem.

2:2 It shall happen in the latter days, that the mountain of Yahweh’s house shall be established on the top of the mountains,
and shall be raised above the hills;
and all nations shall flow to it.
2:3 Many peoples shall go and say,
“Come, let’s go up to the mountain of Yahweh,
to the house of the God of Jacob;
and he will teach us of his ways,
and we will walk in his paths.”
For out of Zion the law shall go forth,
and the word of Yahweh from Jerusalem.
2:4 He will judge between the nations,
and will decide concerning many peoples;
and they shall beat their swords into plowshares,
and their spears into pruning hooks.
Nation shall not lift up sword against nation,
neither shall they learn war any more.
2:5 House of Jacob, come, and let us walk in the light of Yahweh.
2:6 For you have forsaken your people, the house of Jacob,
because they are filled from the east,
with those who practice divination like the Philistines,
and they clasp hands with the children of foreigners.
2:7 Their land is full of silver and gold,
neither is there any end of their treasures.
Their land also is full of horses,
neither is there any end of their chariots.
2:8 Their land also is full of idols.
They worship the work of their own hands,
that which their own fingers have made.
2:9 Man is brought low,
and mankind is humbled;
therefore don’t forgive them.
2:10 Enter into the rock,
and hide in the dust,
from before the terror of Yahweh,
and from the glory of his majesty.
2:11 The lofty looks of man will be brought low,
the haughtiness of men will be bowed down,
and Yahweh alone will be exalted in that day.
2:12 For there will be a day of Yahweh of Armies for all that is proud and haughty,
and for all that is lifted up;
and it shall be brought low:
2:13 For all the cedars of Lebanon, that are high and lifted up,
for all the oaks of Bashan,
2:14 For all the high mountains,
for all the hills that are lifted up,
2:15 For every lofty tower,
for every fortified wall,
2:16 For all the ships of Tarshish,
and for all pleasant imagery.
2:17 The loftiness of man shall be bowed down,
and the haughtiness of men shall be brought low;
and Yahweh alone shall be exalted in that day.
2:18 The idols shall utterly pass away.
2:19 Men shall go into the caves of the rocks,
and into the holes of the earth,
from before the terror of Yahweh,
and from the glory of his majesty,
when he arises to shake the earth mightily.
2:20 In that day, men shall cast away their idols of silver,
and their idols of gold,
which have been made for themselves to worship,
to the moles and to the bats;
2:21 To go into the caverns of the rocks,
and into the clefts of the ragged rocks,
from before the terror of Yahweh,
and from the glory of his majesty,
when he arises to shake the earth mightily.
2:22 Stop trusting in man, whose breath is in his nostrils;
for of what account is he?

 

Chapitre 2
1 Prophétie d'Ésaïe, fils d'Amots, sur Juda et Jérusalem. 2 Il arrivera, dans la suite des temps, Que la montagne de la maison de l'Éternel Sera fondée sur le sommet des montagnes, Qu'elle s'élèvera par-dessus les collines, Et que toutes les nations y afflueront. 3 Des peuples s'y rendront en foule, et diront: Venez, et montons à la montagne de l'Éternel, A la maison du Dieu de Jacob, Afin qu'il nous enseigne ses voies, Et que nous marchions dans ses sentiers. Car de Sion sortira la loi, Et de Jérusalem la parole de l'Éternel. 4 Il sera le juge des nations, L'arbitre d'un grand nombre de peuples. De leurs glaives ils forgeront des hoyaux, Et de leurs lances des serpes: Une nation ne tirera plus l'épée contre une autre, Et l'on n'apprendra plus la guerre. 5 Maison de Jacob, Venez, et marchons à la lumière de l'Éternel! 6 Car tu as abandonné ton peuple, la maison de Jacob, Parce qu'ils sont pleins de l'Orient, Et adonnés à la magie comme les Philistins, Et parce qu'ils s'allient aux fils des étrangers. 7 Le pays est rempli d'argent et d'or, Et il y a des trésors sans fin; Le pays est rempli de chevaux, Et il y a des chars sans nombre. 8 Le pays est rempli d'idoles; Ils se prosternent devant l'ouvrage de leurs mains, Devant ce que leurs doigts ont fabriqué. 9 Les petits seront abattus, et les grands seront abaissés: Tu ne leur pardonneras point. 10 Entre dans les rochers, Et cache-toi dans la poussière, Pour éviter la terreur de l'Éternel Et l'éclat de sa majesté. 11 L'homme au regard hautain sera abaissé, Et l'orgueilleux sera humilié: L'Éternel seul sera élevé ce jour-là. 12 Car il y a un jour pour l'Éternel des armées Contre tout homme orgueilleux et hautain, Contre quiconque s'élève, afin qu'il soit abaissé; 13 Contre tous les cèdres du Liban, hauts et élevés, Et contre tous les chênes de Basan; 14 Contre toutes les hautes montagnes, Et contre toutes les collines élevées; 15 Contre toutes les hautes tours, Et contre toutes les murailles fortifiées; 16 Contre tous les navires de Tarsis, Et contre tout ce qui plaît à la vue. 17 L'homme orgueilleux sera humilié, Et le hautain sera abaissé: L'Éternel seul sera élevé ce jour-là. 18 Toutes les idoles disparaîtront. 19 On entrera dans les cavernes des rochers Et dans les profondeurs de la poussière, Pour éviter la terreur de l'Éternel et l'éclat de sa majesté, Quand il se lèvera pour effrayer la terre. 20 En ce jour, les hommes jetteront Leurs idoles d'argent et leurs idoles d'or, Qu'ils s'étaient faites pour les adorer, Aux rats et aux chauves-souris; 21 Et ils entreront dans les fentes des rochers Et dans les creux des pierres, Pour éviter la terreur de l'Éternel et l'éclat de sa majesté, Quand il se lèvera pour effrayer la terre. 22 Cessez de vous confier en l'homme, Dans les narines duquel il n'y a qu'un souffle: Car de quelle valeur est-il?