T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 19

1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Egypta] Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany*, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]

 

2 Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin'ny rahalahiny avy sy amin'ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.

3 Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.

4 Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

5 Ny rano amin'ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;

6 Ho maimbo ny sampantsampan'ny ony; Ary ny lahin-dranon'i Egypta* hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; [Heb. Mazora]

7 Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.

8 Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka* harato amin'ny rano.[Heb; mpamelatra]

9 Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.

10 Ny andrin*'ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.[Na: fanorenan']

11 Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak'izay hendry indrindra amin'ny mpanolotsain'i Farao; Ahoana no ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry aho sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?

12 Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amin'i Egypta.

13 Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa*; Ary efa nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny fireneny. [Heb. Nofa]

14 Jehovah efa nampidina* fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo]

15 Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia* na ny zozoro. [palma]

16 Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.

17 Ary ny tanin'ny Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay kasainy ny amin'ny hamelezana azy.

18 Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa*. [Ira-haresa = Tanàna haringana, na Tanànan'ny masoandro]

19 Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.

20 Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina* amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]

21 Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.

22 Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.

23 Amin'izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka*. [Heb. hiara-manompo]

24 Amin'izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin'i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin'ny tany;

25 Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.

 

Chapitre 19

19:1 The burden of Egypt: “Behold, Yahweh rides on a swift cloud, and comes to Egypt. The idols of Egypt will tremble at his presence; and the heart of Egypt will melt in its midst. 19:2 I will stir up the Egyptians against the Egyptians, and they will fight everyone against his brother, and everyone against his neighbor; city against city, and kingdom against kingdom. 19:3 The spirit of Egypt will fail in its midst. I will destroy its counsel. They will seek the idols, the charmers, those who have familiar spirits, and the wizards. 19:4 I will give over the Egyptians into the hand of a cruel lord. A fierce king will rule over them,” says the Lord, Yahweh of Armies. 19:5 The waters will fail from the sea, and the river will be wasted and become dry. 19:6 The rivers will become foul. The streams of Egypt will be diminished and dried up. The reeds and flags will wither away. 19:7 The meadows by the Nile, by the brink of the Nile, and all the sown fields of the Nile, will become dry, be driven away, and be no more. 19:8 The fishermen will lament, and all those who fish in the Nile will mourn, and those who spread nets on the waters will languish. 19:9 Moreover those who work in combed flax, and those who weave white cloth, will be confounded. 19:10 The pillars will be broken in pieces. All those who work for hire will be grieved in soul. 19:11 The princes of Zoan are utterly foolish. The counsel of the wisest counselors of Pharaoh has become stupid. How do you say to Pharaoh, “I am the son of the wise, the son of ancient kings?” 19:12 Where then are your wise men? Let them tell you now; and let them know what Yahweh of Armies has purposed concerning Egypt. 19:13 The princes of Zoan have become fools. The princes of Memphis are deceived. They have caused Egypt to go astray, who are the cornerstone of her tribes. 19:14 Yahweh has mixed a spirit of perverseness in the midst of her; and they have caused Egypt to go astray in all of its works, like a drunken man staggers in his vomit. 19:15 Neither shall there be any work for Egypt, which head or tail, palm branch or rush, may do. 19:16 In that day the Egyptians will be like women. They will tremble and fear because of the shaking of the hand of Yahweh of Armies, which he shakes over them. 19:17 The land of Judah will become a terror to Egypt. Everyone to whom mention is made of it will be afraid, because of the plans of Yahweh of Armies, which he determines against it. 19:18 In that day, there will be five cities in the land of Egypt that speak the language of Canaan, and swear to Yahweh of Armies. One will be called “The city of destruction.” 19:19 In that day, there will be an altar to Yahweh in the midst of the land of Egypt, and a pillar to Yahweh at its border. 19:20 It will be for a sign and for a witness to Yahweh of Armies in the land of Egypt; for they will cry to Yahweh because of oppressors, and he will send them a savior and a defender, and he will deliver them. 19:21 Yahweh will be known to Egypt, and the Egyptians will know Yahweh in that day. Yes, they will worship with sacrifice and offering, and will vow a vow to Yahweh, and will perform it. 19:22 Yahweh will strike Egypt, striking and healing. They will return to Yahweh, and he will be entreated by them, and will heal them. 19:23 In that day there will be a highway out of Egypt to Assyria, and the Assyrian shall come into Egypt, and the Egyptian into Assyria; and the Egyptians will worship with the Assyrians. 19:24 In that day, Israel will be the third with Egypt and with Assyria, a blessing in the midst of the earth; 19:25 because Yahweh of Armies has blessed them, saying, “Blessed be Egypt my people, Assyria the work of my hands, and Israel my inheritance.”

 

Chapitre 19
1 Oracle sur l'Égypte. Voici, l'Éternel est monté sur une nuée rapide, il vient en Égypte; Et les idoles de l'Égypte tremblent devant lui, Et le coeur des Égyptiens tombe en défaillance. 2 J'armerai l'Égyptien contre l'Égyptien, Et l'on se battra frère contre frère, ami contre ami, Ville contre ville, royaume contre royaume. 3 L'esprit de l'Égypte disparaîtra du milieu d'elle, Et j'anéantirai son conseil; On consultera les idoles et les enchanteurs, Ceux qui évoquent les morts et ceux qui prédisent l'avenir. 4 Et je livrerai l'Égypte entre les mains d'un maître sévère; Un roi cruel dominera sur eux, Dit le Seigneur, l'Éternel des armées. 5 Les eaux de la mer tariront, Le fleuve deviendra sec et aride; 6 Les rivières seront infectes, Les canaux de l'Égypte seront bas et desséchés, Les joncs et les roseaux se flétriront. 7 Ce ne sera que nudité le long du fleuve, à l'embouchure du fleuve; Tout ce qui aura été semé près du fleuve se desséchera, Se réduira en poussière et périra. 8 Les pêcheurs gémiront, Tous ceux qui jettent l'hameçon dans le fleuve se lamenteront, Et ceux qui étendent des filets sur les eaux seront désolés. 9 Ceux qui travaillent le lin peigné Et qui tissent des étoffes blanches seront confus. 10 Les soutiens du pays seront dans l'abattement, Tous les mercenaires auront l'âme attristée. 11 Les princes de Tsoan ne sont que des insensés, Les sages conseillers de Pharaon forment un conseil stupide. Comment osez-vous dire à Pharaon: Je suis fils des sages, fils des anciens rois? 12 Où sont-ils donc tes sages? Qu'ils te fassent des révélations, Et qu'on apprenne ce que l'Éternel des armées a résolu contre l'Égypte. 13 Les princes de Tsoan sont fous, Les princes de Noph sont dans l'illusion, Les chefs des tribus égarent l'Égypte; 14 L'Éternel a répandu au milieu d'elle un esprit de vertige, Pour qu'ils fassent chanceler les Égyptiens dans tous leurs actes, Comme un homme ivre chancelle en vomissant. 15 Et l'Égypte sera hors d'état de faire Ce que font la tête et la queue, La branche de palmier et le roseau. 16 En ce jour, l'Égypte sera comme des femmes: Elle tremblera et aura peur, En voyant s'agiter la main de l'Éternel des armées, Quand il la lèvera contre elle. 17 Et le pays de Juda sera pour l'Égypte un objet d'effroi: Dès qu'on lui en parlera, elle sera dans l'épouvante, A cause de la résolution prise contre elle par l'Éternel des armées. 18 En ce temps-là, il y aura cinq villes au pays d'Égypte, Qui parleront la langue de Canaan, Et qui jureront par l'Éternel des armées: L'une d'elles sera appelée ville de la destruction. 19 En ce même temps, il y aura un autel à l'Éternel Au milieu du pays d'Égypte, Et sur la frontière un monument à l'Éternel. 20 Ce sera pour l'Éternel des armées un signe et un témoignage Dans le pays d'Égypte; Ils crieront à l'Éternel à cause des oppresseurs, Et il leur enverra un sauveur et un défenseur pour les délivrer. 21 Et l'Éternel sera connu des Égyptiens, Et les Égyptiens connaîtront l'Éternel en ce jour-là; Ils feront des sacrifices et des offrandes, Ils feront des voeux à l'Éternel et les accompliront. 22 Ainsi l'Éternel frappera les Égyptiens, Il les frappera, mais il les guérira; Et ils se convertiront à l'Éternel, Qui les exaucera et les guérira. 23 En ce même temps, il y aura une route d'Égypte en Assyrie: Les Assyriens iront en Égypte, et les Égyptiens en Assyrie, Et les Égyptiens avec les Assyriens serviront l'Éternel. 24 En ce même temps, Israël sera, lui troisième, Uni à l'Égypte et à l'Assyrie, Et ces pays seront l'objet d'une bénédiction. 25 L'Éternel des armées les bénira, en disant: Bénis soient l'Égypte, mon peuple, Et l'Assyrie, oeuvre de mes mains, Et Israël, mon héritage!