T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15

1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy;

2 Miakatra ho ao amin'ny tempoly* sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.[Na: ho ao Baita]

3 Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.

4 Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan*'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.[Heb. voaomany]

5 Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara* sy Egleta-selisia*; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima. [*Na: ny hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany Zoara][**Na: Dia ilay ombivavy kely telo taona]

6 Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.

7 Ary amin'izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan'ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.

8 Fa ny fitarainany manodidina ny sisin'i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.

9 Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny tany.

 

Chapitre 15

15:1 The burden of Moab: for in a night, Ar of Moab is laid waste, and brought to nothing; for in a night Kir of Moab is laid waste, and brought to nothing. 15:2 They have gone up to Bayith, and to Dibon, to the high places, to weep. Moab wails over Nebo and over Medeba. Baldness is on all of their heads. Every beard is cut off. 15:3 In their streets, they clothe themselves in sackcloth. In their streets and on their housetops, everyone wails, weeping abundantly. 15:4 Heshbon cries out with Elealeh. Their voice is heard even to Jahaz. Therefore the armed men of Moab cry aloud. Their souls tremble within them. 15:5 My heart cries out for Moab! Her nobles flee to Zoar, to Eglath Shelishiyah; for they go up by the ascent of Luhith with weeping; for in the way of Horonaim, they raise up a cry of destruction. 15:6 For the waters of Nimrim will be desolate; for the grass has withered away, the tender grass fails, there is no green thing. 15:7 Therefore they will carry away the abundance they have gotten, and that which they have stored up, over the brook of the willows. 15:8 For the cry has gone around the borders of Moab; its wailing to Eglaim, and its wailing to Beer Elim. 15:9 For the waters of Dimon are full of blood; for I will bring yet more on Dimon, a lion on those of Moab who escape, and on the remnant of the land.

 

Chapitre 15
1 Oracle sur Moab. La nuit même où elle est ravagée, Ar-Moab est détruite! La nuit même où elle est ravagée, Kir-Moab est détruite!... 2 On monte au temple et à Dibon, Sur les hauts lieux, pour pleurer; Moab est en lamentations, sur Nebo et sur Médeba: Toutes les têtes sont rasées, Toutes les barbes sont coupées. 3 Dans les rues, ils sont couverts de sacs; Sur les toits et dans les places, Tout gémit et fond en larmes. 4 Hesbon et Élealé poussent des cris, On entend leur voix jusqu'à Jahats; Même les guerriers de Moab se lamentent, Ils ont l'effroi dans l'âme. 5 Mon coeur gémit sur Moab, Dont les fugitifs se sauvent jusqu'à Tsoar, Jusqu'à Églath-Schelischija; Car ils font, en pleurant, la montée de Luchith, Et ils jettent des cris de détresse sur le chemin de Choronaïm; 6 Car les eaux de Nimrim sont ravagées, L'herbe est desséchée, le gazon est détruit, La verdure a disparu. 7 C'est pourquoi ils ramassent ce qui leur reste, Et ils transportent leurs biens au delà du torrent des saules. 8 Car les cris environnent les frontières de Moab; Ses lamentations retentissent jusqu'à Églaïm, Ses lamentations retentissent jusqu'à Beer-Élim. 9 Les eaux de Dimon sont pleines de sang, Et j'enverrai sur Dimon de nouveaux malheurs, Un lion contre les réchappés de Moab, Contre le reste du pays.