T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany;

2 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah;

3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny;

4 Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.

5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony

6 Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa]

7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;

8 Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason']

9 Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.

10 Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.

11 Ary amin'izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin'ny moron-dranomasina.

12 Dia hanangana faneva ho an'ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin'ny vazan-tany efatra.

13 Ary hitsahatra ny fialonan'i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana* an**'i Joda: Efraima tsy hialona an'i Joda, Ary Joda tsy handrafy an'i Efraima.[*Na: mpandrafy][**Na: ao amin'ny]

14 Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy.

15 Ary Jehovah handritra* ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin'ny ony** ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.[*Na: hanao azy ho herema][**Eofrata]

16 Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.

 

Chapitre 11

11:1 A shoot will come out of the stock of Jesse,
and a branch out of his roots will bear fruit.
11:2 The Spirit of Yahweh will rest on him:
the spirit of wisdom and understanding,
the spirit of counsel and might,
the spirit of knowledge and of the fear of Yahweh.
11:3 His delight will be in the fear of Yahweh.
He will not judge by the sight of his eyes,
neither decide by the hearing of his ears;
11:4 but with righteousness he will judge the poor,
and decide with equity for the humble of the earth.
He will strike the earth with the rod of his mouth;
and with the breath of his lips he will kill the wicked.
11:5 Righteousness will be the belt of his waist,
and faithfulness the belt of his waist.
11:6 The wolf will live with the lamb,
and the leopard will lie down with the young goat;
The calf, the young lion, and the fattened calf together;
and a little child will lead them.
11:7 The cow and the bear will graze.
Their young ones will lie down together.
The lion will eat straw like the ox.
11:8 The nursing child will play near a cobra’s hole,
and the weaned child will put his hand on the viper’s den.
11:9 They will not hurt nor destroy in all my holy mountain;
for the earth will be full of the knowledge of Yahweh,
as the waters cover the sea.
11:10 It will happen in that day that the nations will seek the root of Jesse, who stands as a banner of the peoples; and his resting place will be glorious. 11:11 It will happen in that day that the Lord will set his hand again the second time to recover the remnant that is left of his people from Assyria, from Egypt, from Pathros, from Cush, from Elam, from Shinar, from Hamath, and from the islands of the sea. 11:12 He will set up a banner for the nations, and will assemble the outcasts of Israel, and gather together the dispersed of Judah from the four corners of the earth. 11:13 The envy also of Ephraim will depart, and those who persecute Judah will be cut off. Ephraim won’t envy Judah, and Judah won’t persecute Ephraim. 11:14 They will fly down on the shoulders of the Philistines on the west. Together they will plunder the children of the east. They will extend their power over Edom and Moab, and the children of Ammon will obey them. 11:15 Yahweh will utterly destroy the tongue of the Egyptian sea; and with his scorching wind he will wave his hand over the River, and will split it into seven streams, and cause men to march over in sandals. 11:16 There will be a highway for the remnant that is left of his people from Assyria, like there was for Israel in the day that he came up out of the land of Egypt.

 

Chapitre 11
1 Puis un rameau sortira du tronc d'Isaï, Et un rejeton naîtra de ses racines. 2 L'Esprit de l'Éternel reposera sur lui: Esprit de sagesse et d'intelligence, Esprit de conseil et de force, Esprit de connaissance et de crainte de l'Éternel. 3 Il respirera la crainte de l'Éternel; Il ne jugera point sur l'apparence, Il ne prononcera point sur un ouï-dire. 4 Mais il jugera les pauvres avec équité, Et il prononcera avec droiture sur les malheureux de la terre; Il frappera la terre de sa parole comme d'une verge, Et du souffle de ses lèvres il fera mourir le méchant. 5 La justice sera la ceinture de ses flancs, Et la fidélité la ceinture de ses reins. 6 Le loup habitera avec l'agneau, Et la panthère se couchera avec le chevreau; Le veau, le lionceau, et le bétail qu'on engraisse, seront ensemble, Et un petit enfant les conduira. 7 La vache et l'ourse auront un même pâturage, Leurs petits un même gîte; Et le lion, comme le boeuf, mangera de la paille. 8 Le nourrisson s'ébattra sur l'antre de la vipère, Et l'enfant sevré mettra sa main dans la caverne du basilic. 9 Il ne se fera ni tort ni dommage Sur toute ma montagne sainte; Car la terre sera remplie de la connaissance de l'Éternel, Comme le fond de la mer par les eaux qui le couvrent. 10 En ce jour, le rejeton d'Isaï Sera là comme une bannière pour les peuples; Les nations se tourneront vers lui, Et la gloire sera sa demeure. 11 Dans ce même temps, le Seigneur étendra une seconde fois sa main, Pour racheter le reste de son peuple, Dispersé en Assyrie et en Égypte, A Pathros et en Éthiopie, A Élam, à Schinear et à Hamath, Et dans les îles de la mer. 12 Il élèvera une bannière pour les nations, Il rassemblera les exilés d'Israël, Et il recueillera les dispersés de Juda, Des quatre extrémités de la terre. 13 La jalousie d'Éphraïm disparaîtra, Et ses ennemis en Juda seront anéantis; Éphraïm ne sera plus jaloux de Juda, Et Juda ne sera plus hostile à Éphraïm. 14 Ils voleront sur l'épaule des Philistins à l'occident, Ils pilleront ensemble les fils de l'Orient; Édom et Moab seront la proie de leurs mains, Et les fils d'Ammon leur seront assujettis. 15 L'Éternel desséchera la langue de la mer d'Égypte, Et il lèvera sa main sur le fleuve, en soufflant avec violence: Il le partagera en sept canaux, Et on le traversera avec des souliers. 16 Et il y aura une route pour le reste de son peuple, Qui sera échappé de l'Assyrie, Comme il y en eut une pour Israël, Le jour où il sortit du pays d'Égypte.