T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 10

1 Lozan'izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,

2 Hampialany ny mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin'izay ory eo amin'ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!

3 Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo*? [Heb. voninahitrareo]

4 Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono*. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: Izay tsy mihohoka voatsindrin'ny babo dia ho lavo voatsindrin'ny voavono; na: Raha misaraka amiko, dia hihohoka, etc]

5 [Ny amin'ny fanjakan'i Asyria sy ny mbola handravana azy] Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!

6 Hamely firenena mihatsaravelatsihy* no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.[Na: ratsy fanahy]

7 Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.

8 Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?

9 Tsy tahaka an'i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria ?

10 Tahaka ny nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sampin*'ireo,[Heb. sarin-javatra voasokitra]

11 Dia tsy tahaka ny nataoko tamin'i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin'i Jerosalema sy ny sampiny* koa ? [Heb. sarin-javatra voasokitra]

12 Kanefa rehefa vitan'ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan'ny fon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny reharehan'ny fiandranandran'ny masony; [Heb: hovaliako]

13 Fa izy manao hoe: Tamin'ny herin'ny tanako no nanaovako izany, sy tamin'ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin'ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka*; [Na: Ary tahaka ny fanaon'ny lehilahy mahery no nanonganako mpanapaka]

14 Ary tahaka ny fakàna ny ao amin'ny akanim-borona no nakan'ny tanako ny haren'ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin'ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.

15 Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony*! [Heb. manandratra izay tsy hazo]

16 Koa izany no anateran'ny Tompo, dia ny Tompon'ny maro, fahahiazana amin'ny tremalahiny; Ary ao ambanin'ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.

17 Ary ny fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;

18 Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak'izay marary mafy* izany.[Na: ho tahaka ny fahatoranan'ny mpitondra faneva]

19 Ary ho vitsy ny hazo sisa any an'alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.

20 Ary amin'izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin'ny taranak'i Jakoba, dia tsy hiankina amin'izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin'ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.

21 Ary izay sisa amin'i Jakoba dia hiverina ho amin'Andriamanitra Mahery.

22 Fa na dia tahaka ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;

23 Fa fahafonganana voatendry no hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ao amin'ny tany.

24 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;

25 Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.

26 Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.

27 Ary amin'izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka* ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.[Heb. simba]

28 Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,

29 Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;

30 Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin'i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!

31 Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.

32 Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.

33 Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;

34 Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.

 

Chapitre 10
10:1 Woe to those who decree unrighteous decrees, and to the writers who write oppressive decrees; 10:2 to deprive the needy from justice, and to rob the poor among my people of their rights, that widows may be their spoil, and that they may make the fatherless their prey! 10:3 What will you do in the day of visitation, and in the desolation which will come from afar? To whom will you flee for help? Where will you leave your wealth?

10:4 They will only bow down under the prisoners,
and will fall under the slain.
For all this his anger is not turned away,
but his hand is stretched out still.
10:5 Alas Assyrian, the rod of my anger, the staff in whose hand is my indignation! 10:6 I will send him against a profane nation, and against the people who anger me will I give him a command to take the spoil and to take the prey, and to tread them down like the mire of the streets. 10:7 However he doesn’t mean so, neither does his heart think so; but it is in his heart to destroy, and to cut off not a few nations. 10:8 For he says, “Aren’t all of my princes kings? 10:9 Isn’t Calno like Carchemish? Isn’t Hamath like Arpad? Isn’t Samaria like Damascus?” 10:10 As my hand has found the kingdoms of the idols, whose engraved images exceeded those of Jerusalem and of Samaria; 10:11 shall I not, as I have done to Samaria and her idols, so do to Jerusalem and her idols? 10:12 Therefore it will happen that, when the Lord has performed his whole work on Mount Zion and on Jerusalem, I will punish the fruit of the willful proud heart of the king of Assyria, and the insolence of his haughty looks. 10:13 For he has said, “By the strength of my hand I have done it, and by my wisdom; for I have understanding: and I have removed the boundaries of the peoples, and have robbed their treasures. Like a valiant man I have brought down their rulers. 10:14 My hand has found the riches of the peoples like a nest, and like one gathers eggs that are abandoned, have I gathered all the earth. There was no one who moved their wing, or that opened their mouth, or chirped.”

10:15 Should an axe brag against him who chops with it? Should a saw exalt itself above him who saws with it? As if a rod should lift those who lift it up, or as if a staff should lift up someone who is not wood. 10:16 Therefore the Lord, Yahweh of Armies, will send among his fat ones leanness; and under his glory a burning will be kindled like the burning of fire. 10:17 The light of Israel will be for a fire, and his Holy One for a flame; and it will burn and devour his thorns and his briers in one day. 10:18 He will consume the glory of his forest, and of his fruitful field, both soul and body. It will be as when a standard bearer faints. 10:19 The remnant of the trees of his forest shall be few, so that a child could write their number.

10:20 It will come to pass in that day that the remnant of Israel, and those who have escaped from the house of Jacob will no more again lean on him who struck them, but shall lean on Yahweh, the Holy One of Israel, in truth. 10:21 A remnant will return, even the remnant of Jacob, to the mighty God. 10:22 For though your people, Israel, are like the sand of the sea, only a remnant of them will return. A destruction is determined, overflowing with righteousness. 10:23 For the Lord, Yahweh of Armies, will make a full end, and that determined, in the midst of all the earth. 10:24 Therefore the Lord, Yahweh of Armies, says “My people who dwell in Zion, don’t be afraid of the Assyrian, though he strike you with the rod, and lift up his staff against you, as Egypt did. 10:25 For yet a very little while, and the indignation against you will be accomplished, and my anger will be directed to his destruction.” 10:26 Yahweh of Armies will stir up a scourge against him, as in the slaughter of Midian at the rock of Oreb. His rod will be over the sea, and he will lift it up like he did against Egypt. 10:27 It will happen in that day, that his burden will depart from off your shoulder, and his yoke from off your neck, and the yoke shall be destroyed because of the anointing oil.

10:28 He has come to Aiath. He has passed through Migron. At Michmash he stores his baggage. 10:29 They have gone over the pass. They have taken up their lodging at Geba. Ramah trembles. Gibeah of Saul has fled. 10:30 Cry aloud with your voice, daughter of Gallim! Listen, Laishah! You poor Anathoth! 10:31 Madmenah is a fugitive. The inhabitants of Gebim flee for safety. 10:32 This very day he will halt at Nob. He shakes his hand at the mountain of the daughter of Zion, the hill of Jerusalem. 10:33 Behold, the Lord, Yahweh of Armies, will lop the boughs with terror. The tall will be cut down, and the lofty will be brought low. 10:34 He will cut down the thickets of the forest with iron, and Lebanon will fall by the Mighty One.

 

Chapitre 10
1 Malheur à ceux qui prononcent des ordonnances iniques, Et à ceux qui transcrivent des arrêts injustes, 2 Pour refuser justice aux pauvres, Et ravir leur droit aux malheureux de mon peuple, Pour faire des veuves leur proie, Et des orphelins leur butin! 3 Que ferez-vous au jour du châtiment, Et de la ruine qui du lointain fondra sur vous? Vers qui fuirez-vous, pour avoir du secours, Et où laisserez-vous votre gloire? 4 Les uns seront courbés parmi les captifs, Les autres tomberont parmi les morts. Malgré tout cela, sa colère ne s'apaise point, Et sa main est encore étendue. 5 Malheur à l'Assyrien, verge de ma colère! La verge dans sa main, c'est l'instrument de ma fureur. 6 Je l'ai lâché contre une nation impie, Je l'ai fait marcher contre le peuple de mon courroux, Pour qu'il se livre au pillage et fasse du butin, Pour qu'il le foule aux pieds comme la boue des rues. 7 Mais il n'en juge pas ainsi, Et ce n'est pas là la pensée de son coeur; Il ne songe qu'à détruire, Qu'à exterminer les nations en foule. 8 Car il dit: Mes princes ne sont-ils pas autant de rois? 9 N'en a-t-il pas été de Calno comme de Carkemisch? N'en a-t-il pas été de Hamath comme d'Arpad? N'en a-t-il pas été de Samarie comme de Damas? 10 De même que ma main a atteint les royaumes des idoles, Où il y avait plus d'images qu'à Jérusalem et à Samarie, 11 Ce que j'ai fait à Samarie et à ses idoles, Ne le ferai-je pas à Jérusalem et à ses images? 12 Mais, quand le Seigneur aura accompli toute son oeuvre Sur la montagne de Sion et à Jérusalem, Je punirai le roi d'Assyrie pour le fruit de son coeur orgueilleux, Et pour l'arrogance de ses regards hautains. 13 Car il dit: C'est par la force de ma main que j'ai agi, C'est par ma sagesse, car je suis intelligent; J'ai reculé les limites des peuples, et pillé leurs trésors, Et, comme un héros, j'ai renversé ceux qui siégeaient sur des trônes; 14 J'ai mis la main sur les richesses des peuples, comme sur un nid, Et, comme on ramasse des oeufs abandonnés, J'ai ramassé toute la terre: Nul n'a remué l'aile, Ni ouvert le bec, ni poussé un cri. - 15 La hache se glorifie-t-elle envers celui qui s'en sert? Ou la scie est-elle arrogante envers celui qui la manie? Comme si la verge faisait mouvoir celui qui la lève, Comme si le bâton soulevait celui qui n'est pas du bois! 16 C'est pourquoi le Seigneur, le Seigneur des armées, enverra Le dépérissement parmi ses robustes guerriers; Et, sous sa magnificence, éclatera un embrasement, Comme l'embrasement d'un feu. 17 La lumière d'Israël deviendra un feu, Et son Saint une flamme, Qui consumera et dévorera ses épines et ses ronces, En un seul jour; 18 Qui consumera, corps et âme, La magnificence de sa forêt et de ses campagnes. Il en sera comme d'un malade, qui tombe en défaillance. 19 Le reste des arbres de sa forêt pourra être compté, Et un enfant en écrirait le nombre. 20 En ce jour-là, Le reste d'Israël et les réchappés de la maison de Jacob, Cesseront de s'appuyer sur celui qui les frappait; Ils s'appuieront avec confiance sur l'Éternel, le Saint d'Israël. 21 Le reste reviendra, le reste de Jacob, Au Dieu puissant. 22 Quand ton peuple, ô Israël, serait comme le sable de la mer, Un reste seulement reviendra; La destruction est résolue, elle fera déborder la justice. 23 Et cette destruction qui a été résolue, Le Seigneur, l'Éternel des armées, l'accomplira dans tout le pays. 24 Cependant, ainsi parle le Seigneur, l'Éternel des armées: O mon peuple, qui habites en Sion, ne crains pas l'Assyrien! Il te frappe de la verge, Et il lève son bâton sur toi, comme faisaient les Égyptiens. 25 Mais, encore un peu de temps, Et le châtiment cessera, Puis ma colère se tournera contre lui pour l'anéantir. 26 L'Éternel des armées agitera le fouet contre lui, Comme il frappa Madian au rocher d'Oreb; Et, de même qu'il leva son bâton sur la mer, Il le lèvera encore, comme en Égypte. 27 En ce jour, son fardeau sera ôté de dessus ton épaule, Et son joug de dessus ton cou; Et la graisse fera éclater le joug. 28 Il marche sur Ajjath, traverse Migron, Laisse ses bagages à Micmasch. 29 Ils passent le défilé, Ils couchent à Guéba; Rama tremble, Guibea de Saül prend la fuite. 30 Fais éclater ta voix, fille de Gallim! Prends garde, Laïs! malheur à toi, Anathoth! 31 Madména se disperse, Les habitants de Guébim sont en fuite. 32 Encore un jour de halte à Nob, Et il menace de sa main la montagne de la fille de Sion, La colline de Jérusalem. 33 Voici, le Seigneur, l'Éternel des armées, Brise les rameaux avec violence: Les plus grands sont coupés, Les plus élevés sont abattus. 34 Il renverse avec le fer les taillis de la forêt, Et le Liban tombe sous le Puissant.