T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 [Ny loza hanjo ny Isiraely noho ny nivadihany] Ataovy eo am-bavanao* ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.[Heb. lanilaninao]

2 Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.

3 Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.

4 Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.

5 Maharikoriko* ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo** ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo*** ny fahadiovana?[*Na: Ataony ho zava-maharikoriko][**Heb. aminy][***Heb. tohany]

6 Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.

7 Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.

8 Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.

9 Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny* [Heb. fitiavany]

10 Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.

11 Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.

12 Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.

13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.

14 Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.


 

Chapitre 8
8:1 “Put the trumpet to your lips! Something like an eagle is over Yahweh’s house, because they have broken my covenant, and rebelled against my law.
8:2 They cry to me, ‘My God, we Israel cknowledge you!’
8:3 Israel has cast off that which is good. The enemy will pursue him.
8:4 They have set up kings, but not by me. They have made princes, and I didn’t approve. Of their silver and their gold they have made themselves idols, that they may be cut off.
8:5 Let Samaria throw out his calf idol! My anger burns against them! How long will it be until they are capable of purity?
8:6 For this is even from Israel! The workman made it, and it is no God; indeed, the calf of Samaria shall be broken in pieces.
8:7 For they sow the wind, and they will reap the whirlwind. He has no standing grain. The stalk will yield no head. If it does yield, strangers will swallow it up.
8:8 Israel is swallowed up. Now they are among the nations like a worthless thing.
8:9 For they have gone up to Assyria, like a wild donkey wandering alone. Ephraim has hired lovers for himself.
8:10 But although they sold themselves among the nations, I will now gather them; and they begin to waste away because of the oppression of the king of mighty ones.
8:11 Because Ephraim has multiplied altars for sinning, they became for him altars for sinning.
8:12 I wrote for him the many things of my law;
but they were regarded as a strange thing.
8:13 As for the sacrifices of my offerings,
they sacrifice flesh and eat it;
But Yahweh doesn’t accept them.
Now he will remember their iniquity,
and punish their sins.
They will return to Egypt.
8:14 For Israel has forgotten his Maker and built palaces;
and Judah has multiplied fortified cities;
but I will send a fire on his cities,
and it will devour its fortresses.”


 

Chapitre 8
1 Embouche la trompette! L'ennemi fond comme un aigle sur la maison de l'Éternel, Parce qu'ils ont violé mon alliance, Et transgressé ma loi. 2 Ils crieront vers moi: Mon Dieu, nous te connaissons, nous Israël! 3 Israël a rejeté le bien; L'ennemi le poursuivra. 4 Ils ont établi des rois sans mon ordre, Et des chefs à mon insu; Ils ont fait des idoles avec leur argent et leur or; C'est pourquoi ils seront anéantis. 5 L'Éternel a rejeté ton veau, Samarie! Ma colère s'est enflammée contre eux. Jusques à quand refuseront-ils de se purifier? 6 Il vient d'Israël, un ouvrier l'a fabriqué, Et ce n'est pas un Dieu; C'est pourquoi le veau de Samarie sera mis en pièces. 7 Puisqu'ils ont semé du vent, ils moissonneront la tempête; Ils n'auront pas un épi de blé; Ce qui poussera ne donnera point de farine, Et s'il y en avait, des étrangers la dévoreraient. 8 Israël est anéanti! Ils sont maintenant parmi les nations Comme un vase qui n'a pas de prix. 9 Car ils sont allés en Assyrie, Comme un âne sauvage qui se tient à l'écart; Éphraïm a fait des présents pour avoir des amis. 10 Quand même ils font des présents parmi les nations, Je vais maintenant les rassembler, Et bientôt ils souffriront sous le fardeau du roi des princes. 11 Éphraïm a multiplié les autels pour pécher, Et ces autels l'ont fait tomber dans le péché. 12 Que j'écrive pour lui toutes les ordonnances de ma loi, Elles sont regardées comme quelque chose d'étranger. 13 Ils immolent des victimes qu'ils m'offrent, Et ils en mangent la chair: L'Éternel n'y prend point de plaisir. Maintenant l'Éternel se souvient de leur iniquité, Et il punira leurs péchés: Ils retourneront en Égypte. 14 Israël a oublié celui qui l'a fait, Et a bâti des palais, Et Juda a multiplié les villes fortes; Mais j'enverrai le feu dans leurs villes, Et il en dévorera les palais.