T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.

2 Ary tsy heveriny ao am-po* fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.[Heb. ataony hoe]

3 Amin'ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin'ny laingany ny mpanapaka.

4 Samy mpaka vadin'olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin'ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.

5 Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.

6 Fa entin'ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin'ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.

7 Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.

8 Efraima dia miharoharo amin'ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.

9 Lanin'ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.

10 Ary ny avonavon*'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.[Na: ny reharehany]

11 Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria.

12 Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.

13 Lozan'ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.

14 Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.

15 Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,

16 Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.


 

Chapitre 7
7:1 When I would heal Israel, then the iniquity of Ephraim is uncovered, also the wickedness of Samaria; for they commit falsehood, and the thief enters in, and the gang of robbers ravages outside.
7:2 They don’t consider in their hearts that I remember all their wickedness. Now their own deeds have engulfed them. They are before my face. 7:3 They make the king glad with their wickedness,
and the princes with their lies.
7:4 They are all adulterers. They are burning like an oven that the baker stops stirring, from the kneading of the dough, until it is leavened.
7:5 On the day of our king, the princes made themselves sick with the heat of wine. He joined his hand with mockers.
7:6 For they have prepared their heart like an oven,
while they lie in wait. Their baker sleeps all the night. In the morning it burns as a flaming fire.
7:7 They are all hot as an oven, and devour their judges. All their kings have fallen.
There is no one among them who calls to me.
7:8 Ephraim, he mixes himself among the nations.
Ephraim is a pancake not turned over.
7:9 Strangers have devoured his strength, and he doesn’t realize it. Indeed, gray hairs are here and there on him, and he doesn’t realize it.
7:10 The pride of Israel testifies to his face;
yet they haven’t returned to Yahweh their God,
nor sought him, for all this.
7:11 “Ephraim is like an easily deceived dove, without understanding. They call to Egypt.
They go to Assyria.
7:12 When they go, I will spread my net on them.
I will bring them down like the birds of the sky.
I will chastise them, as their congregation has heard.
7:13 Woe to them! For they have wandered from me. Destruction to them! For they have trespassed against me. Though I would redeem them, yet they have spoken lies against me.
7:14 They haven’t cried to me with their heart, but they howl on their beds. They assemble themselves for grain and new wine. They turn away from me.
7:15 Though I have taught and strengthened their arms, yet they plot evil against me.
7:16 They return, but not to the Most High. They are like a faulty bow. Their princes will fall by the sword for the rage of their tongue. This will be their derision in the land of Egypt.


 

Chapitre 7
1 Lorsque je voulais guérir Israël, L'iniquité d'Éphraïm et la méchanceté de Samarie se sont révélées, Car ils ont agi frauduleusement; Le voleur est arrivé, la bande s'est répandue au dehors. 2 Ils ne se disent pas dans leur coeur Que je me souviens de toute leur méchanceté; Maintenant leurs oeuvres les entourent, Elles sont devant ma face. 3 Ils réjouissent le roi par leur méchanceté, Et les chefs par leurs mensonges. 4 Ils sont tous adultères, Semblables à un four chauffé par le boulanger: Il cesse d'attiser le feu Depuis qu'il a pétri la pâte jusqu'à ce qu'elle soit levée. 5 Au jour de notre roi, Les chefs se rendent malades par les excès du vin; Le roi tend la main aux moqueurs. 6 Ils appliquent aux embûches leur coeur pareil à un four; Toute la nuit dort leur boulanger, Et au matin le four brûle comme un feu embrasé. 7 Ils sont tous ardents comme un four, Et ils dévorent leurs juges; Tous leurs rois tombent: Aucun d'eux ne m'invoque. 8 Éphraïm se mêle avec les peuples, Éphraïm est un gâteau qui n'a pas été retourné. 9 Des étrangers consument sa force, Et il ne s'en doute pas; La vieillesse s'empare de lui, Et il ne s'en doute pas. 10 L'orgueil d'Israël témoigne contre lui; Ils ne reviennent pas à l'Éternel, leur Dieu, Et ils ne le cherchent pas, malgré tout cela. 11 Éphraïm est comme une colombe stupide, sans intelligence; Ils implorent l'Égypte, ils vont en Assyrie. 12 S'ils partent, j'étendrai sur eux mon filet, Je les précipiterai comme les oiseaux du ciel; Je les châtierai, comme ils en ont été avertis dans leur assemblée. 13 Malheur à eux, parce qu'ils me fuient! Ruine sur eux, parce qu'ils me sont infidèles! Je voudrais les sauver, Mais ils disent contre moi des paroles mensongères. 14 Ils ne crient pas vers moi dans leur coeur, Mais ils se lamentent sur leur couche; Ils se rassemblent pour avoir du blé et du moût, Et ils s'éloignent de moi. 15 Je les ai châtiés, j'ai fortifié leurs bras; Et ils méditent le mal contre moi. 16 Ce n'est pas au Très-Haut qu'ils retournent; Ils sont comme un arc trompeur. Leurs chefs tomberont par l'épée, A cause de l'insolence de leur langue. C'est ce qui les rendra un objet de risée dans le pays d'Égypte.