T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 4

1 [Ny fananarana ny Isiraely noho ny helony] Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,

2 Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy* ka mifanontona ny fandatsahan-drà.[Na: Fa ny fianianana sy ny lainga sy ny vonoana sy ny halatra ary ny fijangajangana no mihabetsaka]

3 Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia* ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.[Na: Mbamin']

4 Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona.

5 Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina, ary hovonoiko ny reninao.

6 Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.

7 Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.

8 Ny fanatitra noho ny ota izay aterin'ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.

9 Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.

10 Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.

11 Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.

12 Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.

13 Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.

14 Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo* aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.[Heb. ireny]

15 Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!

16 Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah toy ny zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.

17 Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.

18 Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy*; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy**. [*Na: Rehefa mitsahatra ny fibobohany, dia mahery mijangajanga izy][**Heb. ampingany]

19 Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.


 

Chapitre 4
4:1 Hear the word of Yahweh, you children of Israel;
for Yahweh has a charge against the inhabitants of the land: “Indeed there is no truth, nor goodness,
nor knowledge of God in the land.
4:2 There is cursing, lying, murder, stealing, and committing adultery; they break boundaries, and bloodshed causes bloodshed.
4:3 Therefore the land will mourn,
and everyone who dwells therein will waste away.
all living things in her, even the animals of the field and the birds of the sky; yes, the fish of the sea also die.
4:4 “Yet let no man bring a charge, neither let any man accuse; For your people are like those who bring charges against a priest.
4:5 You will stumble in the day, and the prophet will also stumble with you in the night; and I will destroy your mother.
4:6 My people are destroyed for lack of knowledge.
Because you have rejected knowledge, I will also reject you, that you may be no priest to me.
Because you have forgotten your God’s law, I will also forget your children.
4:7 As they were multiplied, so they sinned against me. I will change their glory into shame.
4:8 They feed on the sin of my people, and set their heart on their iniquity.

4:9 It will be, like people, like priest; and I will punish them for their ways, and will repay them for their deeds.
4:10 They will eat, and not have enough. They will play the prostitute, and will not increase;
because they have abandoned giving to Yahweh.
4:11 Prostitution, wine, and new wine take away understanding.
4:12 My people consult with their wooden idol,
and answer to a stick of wood.
Indeed the spirit of prostitution has led them astray,
and they have been unfaithful to their God.
4:13 They sacrifice on the tops of the mountains,
and burn incense on the hills, under oaks and poplars and terebinths, because its shade is good.
Therefore your daughters play the prostitute, and your brides commit adultery.
4:14 I will not punish your daughters when they play the prostitute, nor your brides when they commit adultery; because the men consort with prostitutes,
and they sacrifice with the shrine prostitutes;
so the people without understanding will come to ruin.
4:15 “Though you, Israel, play the prostitute, yet don’t let Judah offend; and don’t come to Gilgal,
neither go up to Beth Aven, nor swear, ‘As Yahweh lives.’
4:16 For Israel has behaved extremely stubbornly, like a stubborn heifer. Then how will Yahweh feed them like a lamb in a meadow.
4:17 Ephraim is joined to idols. Leave him alone!
4:18 Their drink has become sour. They play the prostitute continually. Her rulers dearly love their shameful way.
4:19 The wind has wrapped her up in its wings;
and they shall be disappointed because of their sacrifices.


 

Chapitre 4
1 Écoutez la parole de l'Éternel, enfants d'Israël! Car l'Éternel a un procès avec les habitants du pays, Parce qu'il n'y a point de vérité, point de miséricorde, Point de connaissance de Dieu dans le pays. 2 Il n'y a que parjures et mensonges, Assassinats, vols et adultères; On use de violence, on commet meurtre sur meurtre. 3 C'est pourquoi le pays sera dans le deuil, Tous ceux qui l'habitent seront languissants, Et avec eux les bêtes des champs et les oiseaux du ciel; Même les poissons de la mer disparaîtront. 4 Mais que nul ne conteste, que nul ne se livre aux reproches; Car ton peuple est comme ceux qui disputent avec les sacrificateurs. 5 Tu tomberas de jour, Le prophète avec toi tombera de nuit, Et je détruirai ta mère. 6 Mon peuple est détruit, parce qu'il lui manque la connaissance. Puisque tu as rejeté la connaissance, Je te rejetterai, et tu seras dépouillé de mon sacerdoce; Puisque tu as oublié la loi de ton Dieu, J'oublierai aussi tes enfants. 7 Plus ils se sont multipliés, plus ils ont péché contre moi: Je changerai leur gloire en ignominie. 8 Ils se repaissent des péchés de mon peuple, Ils sont avides de ses iniquités. 9 Il en sera du sacrificateur comme du peuple; Je le châtierai selon ses voies, Je lui rendrai selon ses oeuvres. 10 Ils mangeront sans se rassasier, Ils se prostitueront sans multiplier, Parce qu'ils ont abandonné l'Éternel et ses commandements. 11 La prostitution, le vin et le moût, font perdre le sens. 12 Mon peuple consulte son bois, Et c'est son bâton qui lui parle; Car l'esprit de prostitution égare, Et ils se prostituent loin de leur Dieu. 13 Ils sacrifient sur le sommet des montagnes, Ils brûlent de l'encens sur les collines, Sous les chênes, les peupliers, les térébinthes, Dont l'ombrage est agréable. C'est pourquoi vos filles se prostituent, Et vos belles-filles sont adultères. 14 Je ne punirai pas vos filles parce qu'elles se prostituent, Ni vos belles-filles parce qu'elles sont adultères, Car eux-mêmes vont à l'écart avec des prostituées, Et sacrifient avec des femmes débauchées. Le peuple insensé court à sa perte. 15 Si tu te livres à la prostitution, ô Israël, Que Juda ne se rende pas coupable; N'allez pas à Guilgal, ne montez pas à Beth-Aven, Et ne jurez pas: L'Éternel est vivant! 16 Parce qu'Israël se révolte comme une génisse indomptable, Maintenant l'Éternel le fera paître Comme un agneau dans de vastes plaines. 17 Éphraïm est attaché aux idoles: laisse-le! 18 A peine ont-ils cessé de boire Qu'ils se livrent à la prostitution; Leurs chefs sont avides d'ignominie. 19 Le vent les enveloppera de ses ailes, Et ils auront honte de leurs sacrifices.