| Chapitre 11 1 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, na dia be aza ny helony] Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako. 2 Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an'ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an'ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra. 3 Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko* aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. [Heb. notrotroiny tamin'ny sandriny] 4 Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava* eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.[Heb. zioga] 5 Tsy hiverina ho any amin'ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy. 6 Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny. 7 Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory. 8 Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an'i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an'i Zeboima! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko. 9 Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an'i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masina ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra* Aho.[Na: tsy hiditra ao an-tanàna Aho] 10 Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka. 11 Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.
| | Chapitre 11 11:1 “When Israel was a child, then I loved him, and called my son out of Egypt. 11:2 They called to them, so they went from them. They sacrificed to the Baals, and burned incense to engraved images. 11:3 Yet I taught Ephraim to walk. I took them by his arms; but they didn’t know that I healed them. 11:4 I drew them with cords of a man, with ties of love; and I was to them like those who lift up the yoke on their necks; and I bent down to him and I fed him. 11:5 “They won’t return into the land of Egypt; but the Assyrian will be their king, because they refused to repent. 11:6 The sword will fall on their cities, and will destroy the bars of their gates, and will put an end to their plans. 11:7 My people are determined to turn from me. Though they call to the Most High, he certainly won’t exalt them. 11:8 “How can I give you up, Ephraim? How can I hand you over, Israel? How can I make you like Admah? How can I make you like Zeboiim? My heart is turned within me, my compassion is aroused. 11:9 I will not execute the fierceness of my anger. I will not return to destroy Ephraim: for I am God, and not man; the Holy One in the midst of you; and I will not come in wrath. 11:10 They will walk after Yahweh, who will roar like a lion; for he will roar, and the children will come trembling from the west. 11:11 They will come trembling like a bird out of Egypt, and like a dove out of the land of Assyria; and I will settle them in their houses,” says Yahweh. 11:12 Ephraim surrounds me with falsehood, and the house of Israel with deceit. Judah still strays from God, and is unfaithful to the Holy One.
| | Chapitre 11 1 Quand Israël était jeune, je l'aimais, Et j'appelai mon fils hors d'Égypte. 2 Mais ils se sont éloignés de ceux qui les appelaient; Ils ont sacrifié aux Baals, Et offert de l'encens aux idoles. 3 C'est moi qui guidai les pas d'Éphraïm, Le soutenant par ses bras; Et ils n'ont pas vu que je les guérissais. 4 Je les tirai avec des liens d'humanité, avec des cordages d'amour, Je fus pour eux comme celui qui aurait relâché le joug près de leur bouche, Et je leur présentai de la nourriture. 5 Ils ne retourneront pas au pays d'Égypte; Mais l'Assyrien sera leur roi, Parce qu'ils ont refusé de revenir à moi. 6 L'épée fondra sur leurs villes, Anéantira, dévorera leurs soutiens, A cause des desseins qu'ils ont eus. 7 Mon peuple est enclin à s'éloigner de moi; On les rappelle vers le Très-Haut, Mais aucun d'eux ne l'exalte. 8 Que ferai-je de toi, Éphraïm? Dois-je te livrer, Israël? Te traiterai-je comme Adma? Te rendrai-je semblable à Tseboïm? Mon coeur s'agite au dedans de moi, Toutes mes compassions sont émues. 9 Je n'agirai pas selon mon ardente colère, Je renonce à détruire Éphraïm; Car je suis Dieu, et non pas un homme, Je suis le Saint au milieu de toi; Je ne viendrai pas avec colère. 10 Ils suivront l'Éternel, qui rugira comme un lion, Car il rugira, et les enfants accourront de la mer. 11 Ils accourront de l'Égypte, comme un oiseau, Et du pays d'Assyrie, comme une colombe. Et je les ferai habiter dans leurs maisons, dit l'Éternel. 12 (12:1) Éphraïm m'entoure de mensonge, Et la maison d'Israël de tromperie; Juda est encore sans frein vis-à-vis de Dieu, Vis-à-vis du Saint fidèle.
| |