T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,

2 dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany;

3 ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany.

4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.

5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7);

6 ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).

7 Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao* fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na: voahaino ka afaka tamin'ny fahatahorany]

8 dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;

9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy,

10 fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka."

11 [Anatra sy famporisihana hampandroso tsara ny olona] Ny amin'izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.

12 Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.

13 Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.

14 Fa ho an'izay efa lehibe* ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [* Na: tanteraka]

 

Chapitre 5

5:1 For every high priest, being taken from among men, is appointed for men in things pertaining to God, that he may offer both gifts and sacrifices for sins. 5:2 The high priest can deal gently with those who are ignorant and going astray, because he himself is also surrounded with weakness. 5:3 Because of this, he must offer sacrifices for sins for the people, as well as for himself. 5:4 Nobody takes this honor on himself, but he is called by God, just like Aaron was. 5:5 So also Christ didn’t glorify himself to be made a high priest, but it was he who said to him,

“You are my Son.
Today I have become your father.”*
5:6 As he says also in another place,

“You are a priest forever,
after the order of Melchizedek.”*
5:7 He, in the days of his flesh, having offered up prayers and petitions with strong crying and tears to him who was able to save him from death, and having been heard for his godly fear, 5:8 though he was a Son, yet learned obedience by the things which he suffered. 5:9 Having been made perfect, he became to all of those who obey him the author of eternal salvation, 5:10 named by God a high priest after the order of Melchizedek. 5:11 About him we have many words to say, and hard to interpret, seeing you have become dull of hearing. 5:12 For although by this time you should be teachers, you again need to have someone teach you the rudiments of the first principles of the oracles of God. You have come to need milk, and not solid food. 5:13 For everyone who lives on milk is not experienced in the word of righteousness, for he is a baby. 5:14 But solid food is for those who are full grown, who by reason of use have their senses exercised to discern good and evil.

 

Chapitre 5
1 En effet, tout souverain sacrificateur pris du milieu des hommes est établi pour les hommes dans le service de Dieu, afin de présenter des offrandes et des sacrifices pour les péchés. 2 Il peut être indulgent pour les ignorants et les égarés, puisque la faiblesse est aussi son partage. 3 Et c'est à cause de cette faiblesse qu'il doit offrir des sacrifices pour ses propres péchés, comme pour ceux du peuple. 4 Nul ne s'attribue cette dignité, s'il n'est appelé de Dieu, comme le fut Aaron. 5 Et Christ ne s'est pas non plus attribué la gloire de devenir souverain sacrificateur, mais il la tient de celui qui lui a dit: Tu es mon Fils, Je t'ai engendré aujourd'hui! 6 Comme il dit encore ailleurs: Tu es sacrificateur pour toujours, Selon l'ordre de Melchisédek. 7 C'est lui qui, dans les jours de sa chair, ayant présenté avec de grands cris et avec larmes des prières et des supplications à celui qui pouvait le sauver de la mort, et ayant été exaucé à cause de sa piété, 8 a appris, bien qu'il fût Fils, l'obéissance par les choses qu'il a souffertes, 9 et qui, après avoir été élevé à la perfection, est devenu pour tous ceux qui lui obéissent l'auteur d'un salut éternel, 10 Dieu l'ayant déclaré souverain sacrificateur selon l'ordre de Melchisédek. 11 Nous avons beaucoup à dire là-dessus, et des choses difficiles à expliquer, parce que vous êtes devenus lents à comprendre. 12 Vous, en effet, qui depuis longtemps devriez être des maîtres, vous avez encore besoin qu'on vous enseigne les premiers rudiments des oracles de Dieu, vous en êtes venus à avoir besoin de lait et non d'une nourriture solide. 13 Or, quiconque en est au lait n'a pas l'expérience de la parole de justice; car il est un enfant. 14 Mais la nourriture solide est pour les hommes faits, pour ceux dont le jugement est exercé par l'usage à discerner ce qui est bien et ce qui est mal.