T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 4

1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.

2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na: satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy]

3 Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.

4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3).

5 Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11].

6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,

7 dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8)

8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.

9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.

10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy]

11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.

12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.

13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.

14 [Fampitahana an'i Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.

15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.

16 Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany]

Chapitre 4

4:1 Let us fear therefore, lest perhaps anyone of you should seem to have come short of a promise of entering into his rest. 4:2 For indeed we have had good news preached to us, even as they also did, but the word they heard didn’t profit them, because it wasn’t mixed with faith by those who heard. 4:3 For we who have believed do enter into that rest, even as he has said, “As I swore in my wrath, they will not enter into my rest”;* although the works were finished from the foundation of the world. 4:4 For he has said this somewhere about the seventh day, “God rested on the seventh day from all his works”;* 4:5 and in this place again, “They will not enter into my rest.”*

4:6 Seeing therefore it remains that some should enter therein, and they to whom the good news was before preached failed to enter in because of disobedience, 4:7 he again defines a certain day, today, saying through David so long a time afterward (just as has been said),

“Today if you will hear his voice,
don’t harden your hearts.”*
4:8 For if Joshua had given them rest, he would not have spoken afterward of another day. 4:9 There remains therefore a Sabbath rest for the people of God. 4:10 For he who has entered into his rest has himself also rested from his works, as God did from his. 4:11 Let us therefore give diligence to enter into that rest, lest anyone fall after the same example of disobedience. 4:12 For the word of God is living, and active, and sharper than any two-edged sword, and piercing even to the dividing of soul and spirit, of both joints and marrow, and is able to discern the thoughts and intentions of the heart.

4:13 There is no creature that is hidden from his sight, but all things are naked and laid open before the eyes of him with whom we have to do. 4:14 Having then a great high priest, who has passed through the heavens, Jesus, the Son of God, let us hold tightly to our confession. 4:15 For we don’t have a high priest who can’t be touched with the feeling of our infirmities, but one who has been in all points tempted like we are, yet without sin. 4:16 Let us therefore draw near with boldness to the throne of grace, that we may receive mercy, and may find grace for help in time of need.

 

Chapitre 4
1 Craignons donc, tandis que la promesse d'entrer dans son repos subsiste encore, qu'aucun de vous ne paraisse être venu trop tard. 2 Car cette bonne nouvelle nous a été annoncée aussi bien qu'à eux; mais la parole qui leur fut annoncée ne leur servit de rien, parce qu'elle ne trouva pas de la foi chez ceux qui l'entendirent. 3 Pour nous qui avons cru, nous entrons dans le repos, selon qu'il dit: Je jurai dans ma colère: Ils n'entreront pas dans mon repos! Il dit cela, quoique ses oeuvres eussent été achevées depuis la création du monde. 4 Car il a parlé quelque part ainsi du septième jour: Et Dieu se reposa de toutes ses oeuvres le septième jour. 5 Et ici encore: Ils n'entreront pas dans mon repos! 6 Or, puisqu'il est encore réservé à quelques-uns d'y entrer, et que ceux à qui d'abord la promesse a été faite n'y sont pas entrés à cause de leur désobéissance, 7 Dieu fixe de nouveau un jour-aujourd'hui-en disant dans David si longtemps après, comme il est dit plus haut: Aujourd'hui, si vous entendez sa voix, N'endurcissez pas vos coeurs. 8 Car, si Josué leur eût donné le repos, il ne parlerait pas après cela d'un autre jour. 9 Il y a donc un repos de sabbat réservé au peuple de Dieu. 10 Car celui qui entre dans le repos de Dieu se repose de ses oeuvres, comme Dieu s'est reposé des siennes. 11 Efforçons-nous donc d'entrer dans ce repos, afin que personne ne tombe en donnant le même exemple de désobéissance. 12 Car la parole de Dieu est vivante et efficace, plus tranchante qu'une épée quelconque à deux tranchants, pénétrante jusqu'à partager âme et esprit, jointures et moelles; elle juge les sentiments et les pensées du coeur. 13 Nulle créature n'est cachée devant lui, mais tout est à nu et à découvert aux yeux de celui à qui nous devons rendre compte. 14 Ainsi, puisque nous avons un grand souverain sacrificateur qui a traversé les cieux, Jésus, le Fils de Dieu, demeurons fermes dans la foi que nous professons. 15 Car nous n'avons pas un souverain sacrificateur qui ne puisse compatir à nos faiblesses; au contraire, il a été tenté comme nous en toutes choses, sans commettre de péché. 16 Approchons-nous donc avec assurance du trône de la grâce, afin d'obtenir miséricorde et de trouver grâce, pour être secourus dans nos besoins.