T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.

2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana,

3 hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa,

4 sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.

5 Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.

6 Fa ny anankiray nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?

7 Nataonao ambany kely* noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao; [* Na: vetivety]

8 Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.

9 Fa Ilay natao ambany kely* noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra. [*Na: vetivety]

10 Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana.

11 Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy"

12 ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana* no hiderako Anao" (Sal 22.22). [* Gr. eklesia]

13 Ary koa: "Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18).

14 Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly,

15 ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.

16 Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny.

17 Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.

18 Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny*, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [* Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]

Chapitre 2

2:1 Therefore we ought to pay greater attention to the things that were heard, lest perhaps we drift away. 2:2 For if the word spoken through angels proved steadfast, and every transgression and disobedience received a just recompense; 2:3 how will we escape if we neglect so great a salvation—which at the first having been spoken through the Lord, was confirmed to us by those who heard; 2:4 God also testifying with them, both by signs and wonders, by various works of power, and by gifts of the Holy Spirit, according to his own will? 2:5 For he didn’t subject the world to come, of which we speak, to angels. 2:6 But one has somewhere testified, saying,

“What is man, that you think of him?
Or the son of man, that you care for him?
2:7 You made him a little lower than the angels.
You crowned him with glory and honor.*
2:8 You have put all things in subjection under his feet.”*
For in that he subjected all things to him, he left nothing that is not subject to him. But now we don’t see all things subjected to him, yet. 2:9 But we see him who has been made a little lower than the angels, Jesus, because of the suffering of death crowned with glory and honor, that by the grace of God he should taste of death for everyone. 2:10 For it became him, for whom are all things, and through whom are all things, in bringing many children to glory, to make the author of their salvation perfect through sufferings. 2:11 For both he who sanctifies and those who are sanctified are all from one, for which cause he is not ashamed to call them brothers, 2:12 saying,

“I will declare your name to my brothers.
In the midst of the congregation I will sing your praise.”*
2:13 Again, “I will put my trust in him.”* Again, “Behold, here I am with the children whom God has given me.”* 2:14 Since then the children have shared in flesh and blood, he also himself in the same way partook of the same, that through death he might bring to nothing him who had the power of death, that is, the devil, 2:15 and might deliver all of them who through fear of death were all their lifetime subject to bondage. 2:16 For most certainly, he doesn’t give help to angels, but he gives help to the seed of Abraham. 2:17 Therefore he was obligated in all things to be made like his brothers, that he might become a merciful and faithful high priest in things pertaining to God, to make atonement for the sins of the people. 2:18 For in that he himself has suffered being tempted, he is able to help those who are tempted.

 

Chapitre 2
1 C'est pourquoi nous devons d'autant plus nous attacher aux choses que nous avons entendues, de peur que nous ne soyons emportés loin d'elles. 2 Car, si la parole annoncée par des anges a eu son effet, et si toute transgression et toute désobéissance a reçu une juste rétribution, 3 comment échapperons-nous en négligeant un si grand salut, qui, annoncé d'abord par le Seigneur, nous a été confirmé par ceux qui l'ont entendu, 4 Dieu appuyant leur témoignage par des signes, des prodiges, et divers miracles, et par les dons du Saint-Esprit distribués selon sa volonté. 5 En effet, ce n'est pas à des anges que Dieu a soumis le monde à venir dont nous parlons. 6 Or quelqu'un a rendu quelque part ce témoignage: Qu'est-ce que l'homme, pour que tu te souviennes de lui, Ou le fils de l'homme, pour que tu prennes soin de lui? 7 Tu l'as abaissé pour un peu de temps au-dessous des anges, Tu l'as couronné de gloire et d'honneur, 8 Tu as mis toutes choses sous ses pieds. En effet, en lui soumettant toutes choses, Dieu n'a rien laissé qui ne lui fût soumis. Cependant, nous ne voyons pas encore maintenant que toutes choses lui soient soumises. 9 Mais celui qui a été abaissé pour un peu de temps au-dessous des anges, Jésus, nous le voyons couronné de gloire et d'honneur à cause de la mort qu'il a soufferte, afin que, par la grâce de Dieu, il souffrît la mort pour tous. 10 Il convenait, en effet, que celui pour qui et par qui sont toutes choses, et qui voulait conduire à la gloire beaucoup de fils, élevât à la perfection par les souffrances le Prince de leur salut. 11 Car celui qui sanctifie et ceux qui sont sanctifiés sont tous issus d'un seul. C'est pourquoi il n'a pas honte de les appeler frères, 12 lorsqu'il dit: J'annoncerai ton nom à mes frères, Je te célébrerai au milieu de l'assemblée. 13 Et encore: Je me confierai en toi. Et encore: Me voici, moi et les enfants que Dieu m'a donnés. 14 Ainsi donc, puisque les enfants participent au sang et à la chair, il y a également participé lui-même, afin que, par la mort, il anéantît celui qui a la puissance de la mort, c'est-à-dire le diable, 15 et qu'il délivrât tous ceux qui, par crainte de la mort, étaient toute leur vie retenus dans la servitude. 16 Car assurément ce n'est pas à des anges qu'il vient en aide, mais c'est à la postérité d'Abraham. 17 En conséquence, il a dû être rendu semblable en toutes choses à ses frères, afin qu'il fût un souverain sacrificateur miséricordieux et fidèle dans le service de Dieu, pour faire l'expiation des péchés du peuple; 18 car, ayant été tenté lui-même dans ce qu'il a souffert, il peut secourir ceux qui sont tentés.