T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 [Anatra sy fanaovam-beloma] Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.

2 Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.

3 Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin'ny tena koa ianareo.

4 Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.

5 Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5).

6 Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6).

7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany.

8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

9 Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.

10 Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.

11 Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny.

12 Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny.

13 Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.

14 Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.

15 Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.

16 Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.

17 Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.

18 Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin'ny zavatra rehetra.

19 Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.

20 Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay*, [* Na: Mpiandry ondry lehibe amin'ny ran'ny fanekena mandrakizay hiala amin'ny maty]

21 Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara* rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo** izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. [* Na: asa tsara] [**Na: (anatintsika)]

22 Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.

23 Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.

24 Manaova veloma amin'izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an'Italia dia manao veloma anareo.

25 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.

Chapitre 13

13:1 Let brotherly love continue. 13:2 Don’t forget to show hospitality to strangers, for in doing so, some have entertained angels without knowing it. 13:3 Remember those who are in bonds, as bound with them; and those who are ill-treated, since you are also in the body. 13:4 Let marriage be held in honor among all, and let the bed be undefiled: but God will judge the sexually immoral and adulterers.

13:5 Be free from the love of money, content with such things as you have, for he has said, “I will in no way leave you, neither will I in any way forsake you.”* 13:6 So that with good courage we say,

“The Lord is my helper. I will not fear.
What can man do to me?”*
13:7 Remember your leaders, men who spoke to you the word of God, and considering the results of their conduct, imitate their faith. 13:8 Jesus Christ is the same yesterday, today, and forever. 13:9 Don’t be carried away by various and strange teachings, for it is good that the heart be established by grace, not by food, through which those who were so occupied were not benefited.

13:10 We have an altar from which those who serve the holy tabernacle have no right to eat. 13:11 For the bodies of those animals, whose blood is brought into the holy place by the high priest as an offering for sin, are burned outside of the camp.* 13:12 Therefore Jesus also, that he might sanctify the people through his own blood, suffered outside of the gate. 13:13 Let us therefore go out to him outside of the camp, bearing his reproach. 13:14 For we don’t have here an enduring city, but we seek that which is to come. 13:15 Through him, then, let us offer up a sacrifice of praise to God* continually, that is, the fruit of lips which proclaim allegiance to his name. 13:16 But don’t forget to be doing good and sharing, for with such sacrifices God is well pleased.

13:17 Obey your leaders and submit to them, for they watch on behalf of your souls, as those who will give account, that they may do this with joy, and not with groaning, for that would be unprofitable for you.

13:18 Pray for us, for we are persuaded that we have a good conscience, desiring to live honorably in all things. 13:19 I strongly urge you to do this, that I may be restored to you sooner.

13:20 Now may the God of peace, who brought again from the dead the great shepherd of the sheep with the blood of an eternal covenant, our Lord Jesus, 13:21 make you complete in every good work to do his will, working in you that which is well pleasing in his sight, through Jesus Christ, to whom be the glory forever and ever. Amen.

13:22 But I exhort you, brothers, endure the word of exhortation, for I have written to you in few words. 13:23 Know that our brother Timothy has been freed, with whom, if he comes shortly, I will see you. 13:24 Greet all of your leaders and all the saints. The Italians greet you. 13:25 Grace be with you all. Amen.

Chapitre 13
1 Persévérez dans l'amour fraternel. 2 N'oubliez pas l'hospitalité; car, en l'exerçant, quelques-uns ont logé des anges, sans le savoir. 3 Souvenez-vous des prisonniers, comme si vous étiez aussi prisonniers; de ceux qui sont maltraités, comme étant aussi vous-mêmes dans un corps. 4 Que le mariage soit honoré de tous, et le lit conjugal exempt de souillure, car Dieu jugera les impudiques et les adultères. 5 Ne vous livrez pas à l'amour de l'argent; contentez-vous de ce que vous avez; car Dieu lui-même a dit: Je ne te délaisserai point, et je ne t'abandonnerai point. 6 C'est donc avec assurance que nous pouvons dire: Le Seigneur est mon aide, je ne craindrai rien; Que peut me faire un homme? 7 Souvenez-vous de vos conducteurs qui vous ont annoncé la parole de Dieu; considérez quelle a été la fin de leur vie, et imitez leur foi. 8 Jésus-Christ est le même hier, aujourd'hui, et éternellement. 9 Ne vous laissez pas entraîner par des doctrines diverses et étrangères; car il est bon que le coeur soit affermi par la grâce, et non par des aliments qui n'ont servi de rien à ceux qui s'y sont attachés. 10 Nous avons un autel dont ceux qui font le service au tabernacle n'ont pas le pouvoir de manger. 11 Les corps des animaux, dont le sang est porté dans le sanctuaire par le souverain sacrificateur pour le péché, sont brûlés hors du camp. 12 C'est pour cela que Jésus aussi, afin de sanctifier le peuple par son propre sang, a souffert hors de la porte.

13 Sortons donc pour aller à lui, hors du camp, en portant son opprobre. 14 Car nous n'avons point ici-bas de cité permanente, mais nous cherchons celle qui est à venir. 15 Par lui, offrons sans cesse à Dieu un sacrifice de louange, c'est-à-dire le fruit de lèvres qui confessent son nom. 16 Et n'oubliez pas la bienfaisance et la libéralité, car c'est à de tels sacrifices que Dieu prend plaisir. 17 Obéissez à vos conducteurs et ayez pour eux de la déférence, car ils veillent sur vos âmes comme devant en rendre compte; qu'il en soit ainsi, afin qu'ils le fassent avec joie, et non en gémissant, ce qui ne vous serait d'aucun avantage. 18 Priez pour nous; car nous croyons avoir une bonne conscience, voulant en toutes choses nous bien conduire. 19 C'est avec instance que je vous demande de le faire, afin que je vous sois rendu plus tôt. 20 Que le Dieu de paix, qui a ramené d'entre les morts le grand pasteur des brebis, par le sang d'une alliance éternelle, notre Seigneur Jésus, 21 vous rende capables de toute bonne oeuvre pour l'accomplissement de sa volonté, et fasse en vous ce qui lui est agréable, par Jésus-Christ, auquel soit la gloire aux siècles des siècles! Amen! 22 Je vous prie, frères, de supporter ces paroles d'exhortation, car je vous ai écrit brièvement. 23 Sachez que notre frère Timothée a été relâché; s'il vient bientôt, j'irai vous voir avec lui. 24 Saluez tous vos conducteurs, et tous les saints. Ceux d'Italie vous saluent. 25 Que la grâce soit avec vous tous! Amen!